FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Hihinana ny fatinao ny voro-manidina rehetra eny amin’ny lanitra sy ny bibidia, ary tsy hisy hampangovitra an’ireny.+

  • 1 Mpanjaka 14:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Koa izay ankohonan’i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika,+ ary izay maty any an-tsaha kosa hohanin’ny voro-manidina,+ fa i Jehovah no efa niteny.”’

  • Salamo 79:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Nomeny ho sakafon’ny voro-manidina ny fatin’ny mpanomponao,+

      Ary ho an’ny bibidia ny nofon’ireo tsy mivadika aminao.+

  • Jeremia 7:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Ny fatin’ity vahoaka ity dia ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia, ary tsy hisy hampangovitra an’ireny.+

  • Jeremia 16:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 ‘Ho fatin’ny aretina ireny,+ ary tsy hitomaniana+ na halevina,+ fa ho zezika eny ambonin’ny tany.+ Ho ripaky ny sabatra sy ny mosary ireny,+ ary ny fatiny ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia.’+

  • Jeremia 19:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Hofoanako ny fikasan’ny Joda sy Jerosalema eto amin’ity toerana ity,+ ary hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ireo fahavalony sy eo am-pelatanan’ireo mifofo ny ainy izy ireo.+ Dia homeko ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara