FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 25:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Ary tamin’ny andro fahafolon’ny+ volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy+ nanjakan’i Zedekia, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona+ sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby hanafika an’i Jerosalema izy ireo, ka nanao manda nanodidina mba hanaovana fahirano azy.+

  • 2 Tantara 36:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa nentin’Andriamanitra niakatra namely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina,+ izay namono ny zatovon’izy ireo tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny osa.+ Natolotr’Andriamanitra teo an-tanany daholo ny zava-drehetra.

  • Jeremia 21:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “‘“Fa manameloka* an’ity tanàna ity aho ka loza no hanjo azy fa tsy soa”,+ hoy i Jehovah. “Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity+ ka tena hodorany tokoa.”+

  • Jeremia 32:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nogadrain’i Zedekia mpanjakan’ny Joda mantsy izy.+ Ary hoy i Zedekia taminy:

      “Nahoana ianao no maminany+ hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity ka ho azony.+

  • Jeremia 52:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Koa tonga hamely an’i Jerosalema+ i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo, tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia.+ Dia nitoby nanodidina an’i Jerosalema izy ireo mba hanafika azy, ka nanao manda nanodidina mba hanaovana fahirano azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara