FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 9:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary ho lasa korontam-bato miavosa ity trano ity,+ ka hidanàka izay rehetra mandalo eo,+ ary hisioka sy hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany sy trano ity?’+

  • 2 Mpanjaka 25:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia nodoran’i Nebozaradana ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny mpanjaka+ ary ny trano rehetra tao Jerosalema.+ Nodorany koa ny tranon’ny olona ambony rehetra.+

  • 2 Tantara 7:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ho lasa korontam-bato miavosa ity trano ity,+ ka hidanàka izay rehetra mandalo eo+ ary hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany sy trano ity?’+

  • 2 Tantara 36:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia nodorany ny tranon’Andriamanitra,+ ary noravany ny mandan’i+ Jerosalema. Nodoran’izy ireo koa ny tilikambo fonenana rehetra teo aminy, mbamin’ny zava-tsarobidiny rehetra,+ ka rava avokoa ny zava-drehetra.+

  • Salamo 74:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Samy miteny anakampo izy sy ny zanany hoe:

      “Hodorana daholo izay toerana fihaonana amin’Andriamanitra, eto amin’ity faritra ity.”+

  • Salamo 79:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 79 Nidiran’ireo firenena ny lovanao, Andriamanitra ô!+

      Nolotoiny ny tempolinao masina,+

      Ary nataony korontam-bato miavosa i Jerosalema.+

  • Jeremia 26:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Naminany tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’ny Joda+ i Mika+ avy any Moreseta,+ ka nilaza tamin’ny mponin’i Joda rehetra hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Hasaina toy ny saha+ i Ziona ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.+ Ary ny tendrombohitra misy ny Tranon’Andriamanitra dia ho toy ny toerana avo any an’ala.”’+

  • Fitomaniana 2:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Nafoin’i Jehovah ny alitarany.+ Nolaviny ny toerany masina.+

      Natolony teo an-tanan’ireo fahavalo ny mandan’ny tilikambo fonenana.+

      Nihorakoraka toy ny amin’ny andro fety izy ireo, tao an-tranon’i Jehovah.+

  • Ezekiela 24:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 ‘Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hozimbazimbaiko ny toerako masina,+ eny, ilay tena reharehanareo,+ ilay mahafinaritra ny masonareo,+ ilay alahelovanareo. Ary ho lavon-tsabatra ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy, izay nilaozanareo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara