20 Mitsara araka ny rariny+ anefa i Jehovah Tompon’ny tafika. Mandinika ny voa sy ny fo izy.+ Enga anie aho hahita ny hamalianao an’ireny, satria taminao no nanambarako ny adiko mba hotsarainao!+
18 Aoka ho menatra ireo mpanenjika ahy,+ fa izaho kosa tsy mba ho menatra.+ Aoka hihorohoro izy ireo, fa izaho kosa tsy mba hihorohoro. Ataovy tonga aminy ny andro mahory,+ ary ataovy avo roa heny ny fahavoazana mahazo azy.+
11 Momba ahy+ toy ny lehilahy mahery sy mampahatahotra anefa i Jehovah,+ ka ho tafintohina sy tsy haharesy ireo mpanenjika ahy.+ Ho menatra be tokoa izy ireo satria tsy hahomby. Ary tsy hohadinoina ny fahafaham-baraka hahazo azy, fa haharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+
15 Koa tezitra tamin’i Jeremia ireo andriana+ ka nikapoka azy+ ary nanao azy tao amin’ny trano figadrana,+ dia tao an-tranon’i Jonatana+ mpitan-tsoratra, satria tao no natao fonja.+