-
Ezekiela 6:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Koa tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah+ rehefa hiampatrampatra eny rehetra eny ny fatiny, dia eny akaikin’ireo sampiny maharikoriko,+ eny amin’ny manodidina ny alitarany,+ eny amin’ny havoana avo rehetra,+ eny an-tampon-tendrombohitra rehetra,+ eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ ary eny ambanin’ny hazobe maro rantsana rehetra,+ izany hoe eny amin’ny toerana nanolorany hanitra mampitony mba ho an’ireo sampiny maharikoriko rehetra.+
-
-
Ezekiela 20:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Kanefa nentiko tany amin’ilay tany+ efa nananganako tanana sy nianianako homena azy ihany izy ireo.+ Isaky ny nahita havoana avo+ sy hazo maro rantsana anefa izy ireo, dia nanolotra sorona+ sy fanatitra mahatezitra teny amin’ireny. Teny koa izy ireo no nanolotra hanitra mampitony,+ ary teny izy ireo no nandraraka fanatitra zava-pisotro.+
-