13 Ary hisy anjombona lehibe hotsofina amin’izany andro izany.+ Koa ireo efa ho faty any Asyria+ sy ireo miparitaka any Ejipta,+ dia ho avy hiankohoka+ eo anatrehan’i Jehovah eo amin’ny tendrombohitra masina any Jerosalema.+
16 “Ny very hotadiaviko,+ izay nania haveriko, ny tapaka hasiako fehy lamba ary ny osa hohatanjahiko. Fa ny matavy+ sy ny matanjaka kosa haringako. Didim-pitsarana no ho toy ny hanina homeko azy.”+
9 ‘Hanome baiko aho, ka hohozongozoniko eo amin’ny firenena rehetra ny taranak’i Israely,+ toy ny fanozongozona sivana mba tsy hisy vatokilonjy hilatsaka amin’ny tany.