Fijerena An’izao Tontolo Izao
Doro Tanety any Meksika
Nirongatra ny doro tanety tany Meksika, ary teo antenatenan’ny Aprily dia efa nandrava faritra 140 000 hektara eo ho eo izy io, ka nolazalazaina ho “loza mamely ny tontolo iainana”. Araka ny voalazan’i Julia Carabias Lillo, minisitra ao amin’ny governemanta federalin’i Meksika, dia efa doro tanety 6 800 eo ho eo no nirongatra tany Meksika tamin’io fotoana io, ka nantsoina hoe fotoan’ny doro tanety ratsy indrindra hatramin’izay, tato anatin’ireo 57 taona farany. Marina fa nafana be ny andro ary tsy nisy firy ny orana, na izany aza dia “vokatry ny nataon’ny olombelona [ny ankamaroan’ireo doro tanety], vokatry ny tsy firaharahany sy ny tsy fandraisany andraikitra ary ny fanaovany heloka bevava mihitsy aza”, hoy ilay gazety hoe El Universal. Hoy i Octavio Escobar López, talem-paritry ny Komity Momba ny Loharanon-karena Voajanahary: “Hila folo taona eo ho eo isika vao hahazo indray ny zavamaniry sy ny biby nafointsika tao anatin’ny telo andro mahery kely monja.”
Fampiasan-tena sy Fahelana Velona
“Toa mampihena ho 44 isan-jato ny mety hahafaty [aloha be] ny fanaovana dia maika mandritra ny antsasak’adiny, inenina monja isam-bolana”, hoy ny The New York Times momba ny fandinihana iray natao vao haingana mahakasika ny fahelana velona. Nisy mpikaroka tany Failandy nanara-maso olona kambana efa ho 8 000, nandritra ny 19 taona tamin’ny antsalany. Hitan’izy ireo tamin’izany fa na dia ireo nanao fampiasan-tena tsindraindray ihany aza, dia “nanan-tombo 30 isan-jato ny hahela velona azy, raha oharina amin’ny kambana aminy izay tsy nanao fampiasan-tena”. Zava-dehibe ilay fandinihana, satria nanisy fiheverana ny fototarazo, rehefa namantatra ny vokatry ny fampiasan-tena. Tsy anisan’ny nanao ilay fandinihana i Steve Farrell, mpikaroka momba ny aérobics, nefa dia hoy izy: “Na dia misy lesoka aza ny fototarazonao, io fandinihana io dia manondro fa afaka manampy anao ho velona ela kokoa ny fampitomboana ny fampiasan-tena.”
Mpanao Heloka Bevava Manana Elatra Hoe?
Saron’ny polisy tatsy Afrika Atsimo ny fomba iray famoahana an-tsokosoko diamondra, amin’ny fampiasana vorona: voromahailala mahalala mody. Manana toerana iray fitrandrahana diamondra ny fanjakana. Milaza ny polisy fa misy mpiasa ao amin’io toerana io mitondra voromahailala ao anaty fitoeran-tsakafony, na any anaty akanjony, mba hampidirana azy ireny an-tsokosoko ao anatin’ilay toeram-pitrandrahana. Ao, dia ampitondrainy diamondra ireo vorona, ary avy eo, dia alefany, araka ny tatitra nataon’ny Los Angeles Times. Afaka manidina an-kilaometatra maro miaraka amin’ireo vatosoa ny voromahailala mahalala mody. Nandritra ireo taona faramparany, dia vorona efatra no tratra nitondra diamondra navoaka an-tsokosoko. Indray mandeha, dia nahitana diamondra mbola tsy voadidy enina karà nifatotra tao ambany elatry ny voromahailala iray. Olona tokony ho 70 no efa voasambotra hatramin’izao noho ny nampiasany izany fomba izany. Nilaza ilay gazety fa tombanan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kompania ho diamondra efa ho 1 amin’ny 3 notrandrahana tao amin’ny fanambanin’ny ony tranainy no nangalarin’ny mpiasa tsy manao ny marina.
Fanovana Fototarazo
Nandritra ireo folo taona farany, ireo mpahay siansa dia nahita zava-baovao tsy hita isa momba ny fototarazo, izay voalaza fa mifehy ny toetra sy ny aretina manana endriny maro, ao amin’ny olombelona. Nanambara mialoha ny mpahay siansa sasany fa izany dia hahafahan’ny olombelona hanova ny fototarazo, indray andro any, ka hanaisotra toetra tsy irina. Ohatra, manao tatitra ny The New York Times fa ilay biôlôjista atao hoe Lee Silver, ao amin’ny Oniversite Princeton, dia manantitrantitra fa ho marani-tsaina kokoa sy hatanjaka kokoa ny taranatsika, ary hiaina an-jatony taona maro. Milaza toy izao anefa i John Horgan, mpanoratra an’ilay boky hoe The End of Science (Ny Faran’ny Siansa): “Manantena ireo mpikaroka fa ho afaka hanova toetran’olombelona, hifanaraka amin’izay tadiavina, amin’ny alalan’ny fanovana fototarazo. Hatramin’izao anefa dia tsy nisy na iray aza tamin’ireny filazana mampifandray ny fototarazo amin’ny lafin-toetra manana endriny maro ireny, nohamarinin’ny tohin’ny fandinihana natao.” Noho izany, dia nanampy teny toy izao i Horgan: “Raha misarika ny sain’ny olona ho amin’ny tsy fahombiazan’ny siansa, sy ho amin’ny zava-bitany ara-dalàna ireo mpahay siansa sy mpanao gazety, dia angamba ho hevitra tsy voaolana firy sy araka ny tena izy kokoa no harosony momba ny tena fanantenana entin’ny siansa.”
Tsy Misy Otrikaina Mahavelona Firy ve ny Vokatra avy any Amin’ny Toeram-pambolena?
Nanjary tsy misy otrikaina mahavelona firy ve ny voankazo sy ny legioma ankehitriny, satria nihena be ny tsiron’ny tany? Tsia no valiny, araka ny voalazan’ireo mpahay siansa momba ny nofon-tany. Milaza toy izao ny University of California Berkeley Wellness Letter: “Ny zavamaniry ihany no manamboatra ny vitamina ao aminy.” Araka izany, raha tsy misy mineraly tena ilaina ao amin’ny nofon-tany, dia tsy haniry araka ny tokony ho izy ny zavamaniry. Mety tsy hamelana izy, na mety halazo fotsiny, ka ho faty. Mba hisorohana izany, dia mampiasa zezika ireo mpamboly mba hanisiana mineraly indray ao amin’ny nofon-tany. Hoy ny Wellness Letter: “Raha tsara no fijerinao ny voankazo sy ny legioma vidinao, dia afaka mahazo antoka ianao fa misy ny otrikaina tokony ho ao aminy izy ireo.”
Trano Naorina Tsy Misy Lakozia
Any Aostralia, dia tombanana ho ny antsasaky ny sakafo rehetra no hanina any amin’ny hotely fisakafoana, ankehitriny. Nisy vokany lehibe izany, hany ka aorina tsy misy lakozia ny trano sasany any Sydney, araka ny tatitra nataon’ny The Courier-Mail. Fanampin’izany, koa satria tsy mandany afa-tsy 20 minitra, amin’ny antsalany, ny Aostralianina hikarakarana sakafo, dia fivarotana lehibe maro any Aostralia no tsy maintsy nandinika indray ny karazan-tsakafo arosony. Milaza ny mpitantana fivarotana lehibe manan-tsampana maro, any Sydney, fa manaraka ny fomban’ny any Etazonia i Aostralia, ka any ivelan’ny tranony ny olona no mihinana ny ankamaroan’ny sakafony.
Heloka Bevava sy Fanavakavaham-bolon-koditra
Ny firohotr’ireo mpitsoa-ponenana sy mpiavy avy any Eoropa Atsinanana sy avy any amin’ireo tany Balkans, indrindra fa i Albania, no nomen’ny sasany tsiny ho nampitombo ny heloka bevava, tato ho ato, any Gresy. Milaza i Richardos Someritis, mpanoratra ho an’ilay gazety hoe To Vima, fa niteraka karazana “fankahalana vahiny ary matetika mihitsy [no niteraka] fanavakavaham-bolon-koditra amin-kadalana” aseho amin’ireo vahiny tao amin’io tany io ny fanahiana momba izany fitomboan’ny heloka bevava izany. Na izany aza, dia naseho fa tsy betsaka noho ny Grika ny vahiny voarohirohy tamin’ny fandikan-dalàna. Ohatra, asehon’ny fanadihadiana fa “[Grika] no nanao ny 96 isan-jaton’ny heloka bevava”, hoy ilay gazety. “Antony ara-toe-karena sy sosialy no mahatonga ny fanaovana heloka bevava”, hoy i Someritis, “fa tsy antony ‘ara-bolon-koditra’.” Omeny tsiny koa ny fampitam-baovao izay “mamboly tsy tapaka fankahalana vahiny sy fanavakavaham-bolon-koditra”, rehefa manolana ny tatitra ataony momba ny heloka bevava any Gresy.
Manara-maso ny Lehibe
Nitondra entan-kely fanampiny ireo mpifaninana hazakazaka tamin’ny Marathon Boston tamin’ity taona ity. Tsy inona izany fa fitaovana elektrônika kely bitika dia bitika izay nentina nandritra ilay hazakazaka manontolo nirefy 42 195 metatra. Mba hanaraha-maso ny fandrosoan’ireo mpihazakazaka nisoratra anarana rehetra no nametahana fitaovana elektrônika kely tamin’ny akanjony, araka ny voalazan’ny gazetiboky Information Week. Natao ho azo “vakin’ny fitaovana izay mandray hatetik’onjam-peon’ny radio ary napetraka isaky ny dimy kilaometatra” ireo fitaovana elektrônika kely. Avy eo, dia nalefa tany amin’ny foibe mpanara-maso ilay hazakazaka ny hafainganam-pandehan’ireo mpihazakazaka, ary tany indray no nampidirana izany tao amin’ny Internet. Noho io teknôlôjia vaovao io dia tsy vitan’ny hoe afaka mijery ny mpihazakazaka ankafiziny ireo tia marathon, fa voasakana tsy hampiasa hafetsena koa izay mpihazakazaka manandrana tsy mamita ilay hazakazaka.
Hita Indray Tany Chine ny Serfa Tsy Fahita Firy
“Hita indray tao amin’ny Fileovan’i Shannan, ao amin’ny Faritra Mizaka Tenan’i Tibet, ny serfa mena tibetanina, izay noheverina ho efa lany tamingana efa hatramin’ny 50 taona mahery izao”, hoy ny China Today. Tokotokony ho 1,2 metatra ny haavon’io serfa io, ary 110 kilaograma eo ho eo ny lanjany. Efa an-taonany maro izao no nihena be ny isan’ny serfa mena noho ny nafitsok’ireo mpihaza nitady ny tandroka lafo vidin’io serfa io. Anisan’ny niteraka fahafatesan’io biby io koa ny ady sy ny fiovana teo amin’ny tontolo iainana. Tombanana ho 200 latsaka no sisa tavela amin’io serfa kanto io, ary ao amin’ny lisitry ny biby atahorana ho lany tamingana izy io.
Kilalaon-tsaina
Nitsapa ny fahaizany ny mpifaninana tamin’ny National Memory Championship voalohany natao vao haingana tany Etazonia, tamin’ny fanaovana kilalaon-tsaina dimy. Anisan’ny fitsapana tamin’izany ny fitadidiana endrik’olon-tsotra 100, ny fitadidiana tononkalo iray nisy andalana 50 (tafiditra amin’izany koa ny mari-piatoana), ny fitadidiana anarana anglisy 125 (araka ny filaharany), ny fitadidiana lisitry ny tarehimarika fidina kisendrasendra, ary ny fitadidiana karatra filalaovana 52 iray fonosana (nampifangaroina sy nahohoka). Nampiaiky volana ny mpifaninana taminy i Wallace Bustello, satria nahatadidy tarehimarika 109 nifanarakaraka izay nofidina kisendrasendra. I Tatiana Cooley, 26 taona, anefa no tompon-daka. Araka ny voalazan’ny Daily News, any New York, dia zatra mifaninana momba ny fitsapana fitadidiana izy sy ny rainy any an-tranony. Ny rainy moa dia mpanao programana satelita ao amin’ny kompania iray momba ny any ambony tsy taka-maso any. “Izaho foana no mandresy”, hoy i Tatiana.
Fety Tany Amin’ny Ony Gange
Rehefa nahatratra ny fara tampony ny Kumbh Mela, na fetin’ny siny kely, tamin’ny Aprily, dia niroboka tao anatin’ny Ony Gange ny Hindoa an-tapitrisany maro. Fety hindoa ankalazana ny tsy fahafatesana, izay fanomezana, ny Kumbh Mela, maharitra telo volana. Fety fanao isan-telo taona izy io, ary tanàna efatra any Inde no ampifandimbiasina anaovana azy. Araka ny angano mantsy, rehefa niady ireo andriamanitra sy demonia mba hahazoana ny rano fisotron’ireo andriamanitra, tany an-danitra tany, dia tao amin’ireo tanàna ireo no raraka io ranon’ny tsy fahafatesana io. Tamin’ny lasa, dia olona maro no maty rehefa nisy vahoaka maro nirohotra mba hiroboka tao anatin’ireo rano masina tany Inde.