FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/7 p. 3-4
  • Ny fahasitranana hatraiza hatraiza: nofinofy fotsiny ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fahasitranana hatraiza hatraiza: nofinofy fotsiny ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no toa tsy mety hisy ny fanasitranana
  • Ny ady atao amin’ny aretina sy ny fahafatesana — Mahomby ve izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Hanjavona ve ny aretina indray andro any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
    Mifohaza!—1997
  • Faminaniana 3. Aretina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/7 p. 3-4

Ny fahasitranana hatraiza hatraiza: nofinofy fotsiny ve?

TEO amin’ny nosikely very iray, ny antidahy iray dia natao sesitany efa hatramin’ny fotoana elaela. Tsy isalasalana fa nanaiky hamarana ny androm-piainany tamin’ny fitoerana irery izy rehefa naharay hafatra nampahery izay natao ho antsika koa.

Tao amin’ny fahitana iray nanaitra ny saina, io lehilahy io dia nandre feo avo nanambara toy izao avy tany an-danitra: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona (...). Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy halahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Taorian’izany, dia tazany ny ony iray nanjelajelatra sy nanganohano toy ny krisitaly. Nitsangana nanaraka ny morony ny hazo fihinam-boa velona, izay tokony hampiasaina ho fanasitranana ireo firenena ny raviny. Endrey izany fisehoan-javatra mahatalanjona!

Raha nahita sy nandre zavatra sahala amin’izany ianao, moa ve ianao tsy ho nentanin-kafaliana noho ny fahafantarana fa ho avy ny andro hanjavonan’ny fahoriana rehetra sy hahasitranan’ny aretina rehetra? Angamba aza izany hitanao ho kanto loatra ka toa tsy ho marina.

Nahoana no toa tsy mety hisy ny fanasitranana

Ireo fisehoan-javatra vao nolazalazainay teo dia tena nitranga tokoa tamin’ny taona 96 tamin’ny fanisan-taona iraisana tany Patmo, nosy kely iray any akaikin’i Torkia. Fa raha ny amin’ilay antidahy niaina izany, dia tsy iza izy io fa i Jaona, ilay apostoly tian’i Jesosy Kristy. Ny tenany ihany no nitantara ny fahitana hitany ao amin’ny Baiboly Masina. — Apokalypsy 1:9; 21:3, 4; 22:1, 2.

Na dia ao aza izany, dia sarotra amin’ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika ny mino fa hoe mety ho foana ny aretina. Rehefa heverina amin’ny toe-tenan’olombelona, isika rehetra dia mirona handa izay toa mifanohitra amin’ny efa nodiavin’ny tenantsika.

Ny amin’ny ady naharitra nataon’ny olombelona ho fanoherana ny aretina, Richard Fiennes, manam-pahaizana momba ny fototry ny aretina sy ny fomba famantarana azy ao amin’ny Fikambanana zoolozika any Londres, dia nanoratra izao manaraka izao tao amin’ny bokiny hoe Ny olombelona, ny natiora sy ny aretina (anglisy):

“Tsinjo ve ny fandresena? Mifanandrina amin’ny fananompitoloha ny olombelona. Zara raha vao notapahiny ny loha iray, dia mitranga ho solony ny hafa. Ireo aretina tonga aloha be, ireo takaitra sy ny fahafatesana dia mbola ny zava-manahirana manery indrindra ny taranak’olombelona ihany. Ireo loza lehibe indrindra taloha, toy ny raboka, ny “pneumonie” sy ny fahafatesana eo am-piterahana, dia namela toerana fotsiny ho an’ny aretin’ny lalan-dra mankany amin’ny fo, ny fahavakian’ny lalan-dra amin’ny atidoha na fihandronan-dra, ny homamiadana sy ny fitambaram-pisehoan’aretina hafa amin’ny andro ankehitriny.”

Afa-tsy izany koa, na dia ny “loza taloha” aza dia tsy foana velively. Nambaran’ny gazety The Economist fa “any Azia, any Afrika sy any Amerika Atsimo, dia olona iray amin’ny folo no mijaly noho ny kilema ara-batana. Ny ankamaroan’ireo mahantra dia voan’ny aretina toy ny aretin-kibo mafy sy ny “pneumonie” mandritra ny andro ahavelomany (...). An-tapitrisany maro no maty noho ny aretina avy amin’ny bibikely toy ny tazo sy ny “schistosomiase (na bilharziose [aretina avy amin’ny bibikely mivelona ao amin’ny lalan-dra]) rehefa tsy lanin’ny habokana.”

Any amin’ireo tany mandroso, dia misy loha hafan’ny “fananompitoloha” misakana foana ireo fiezahan’ny manam-pahaizana manokana. “Amin’izao andro izao ireo mpitsabo dia mahita raharaha amin’ireo aretina avy amin’ny tany hafa izay miharihary ho mahafaty kokoa indraindray noho ireo aretina fahita hatramin’ny ela toy ny nendra sy ny ‘diphtérie’, hoy ny nosoratan’i Edward Edelson tao amin’ny Daily News any New York.

Taona vitsivitsy lasa monja izay, ny fanafohezan-teny hoe SIDA dia tsy nampahatsiahy na inona na inona tao an-tsain’ny ankamaroan’olona. Ankehitriny izy io dia miditra ao amin’ny voambolan’ny sarambabembahoaka. Toy izany koa ny aretin’ny miaramila sy ny “choc toxique”. Ary misy loza mahafaty hafa koa miandry ny anjara fisehoany. Aoka hotononintsika ny “fièvre d’Ebola”, ny “fièvre de Lassa”, ny “fièvre hémorragique” any Korea, ny “syndrome de Reye”, ny aretin’i Kawasaki, ny “urémie hémolytique”, ets. Araka ny filazan’i Edelson, “ny iombonan’ireo aretina avy any an-tany hafa ireo dia izay mahaforona zavatra saro-pantarina tsy ahitana valiny ho an’ny fitsaboana”.

Moa àry ve mahagaga raha toa, na dia ao aza ny fandrosoan’ny fitsaboana, ny ankamaroan’olona dia miaritra fotsiny ka mihevitra ny aretina sy ny fahafatesana ho tsy azo sorohina tsotra izao? Takatra tokoa ny maha-sarotra inoana ho azy ireo ny hoe tsy hisy intsony indray andro any ny fahafatesana, ny fanaintainana sy ny aretina.

Fa inona no holazaina ny amin’ny fahitana mahavariana azon’i Jaona? Nofinofy fotsiny tahaka ny maro hafa ve izany? Manana antony tsara dia tsara tokony hieritreretana ny mifanohitra amin’izany isika. Raha vao avy nahazo an’io fampanantenana mahatalanjona io tokoa i Jaona dia nandre fitenenana hoe: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” (Apokalypsy 21:5; 22:6). Fa ahoana no hahatongavan’izany ho tena zavatra hisy? Ho hitantsika amin’ny andro ahavelomantsika ve ny fahatanterahany?

[Kisary/Sarintany, pejy 3]

(For fully formatted text, see publication)

Mbola mamely any amin’ny faritra midadasika eo amin’ny gilaoby ihany ireo loza taloha.

Habokana

Habokana sy tazo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara