FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/90 p. 1
  • Aoka isika hanambara ny fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hanambara ny fahamarinana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny asantsika tena lehibe
  • Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Tanjona Mendrika Hotratrarina Amin’ny Taom-panompoana Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Hanao Azy Io Indray ve Isika? — Antso Hafa Iray mba Hisian’ny Mpisava Lalana Mpa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Afaka ny ho mpitory maharitra mpanampy ve ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 5/90 p. 1

Aoka isika hanambara ny fahamarinana

1 Nilaza mazava i Jesosy fa tonga teto amin’izao tontolo izao izy mba hanambara ny marina. Hoy ny nambarany: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.”—Jaona 18:37.

2 Tamin’ny fitoriany tamin-jotom-po no nanomezan’i Jesosy voninahitra ny anaran’i Jehovah. Naneho tena fitiavana tamin’ny olona koa izy rehefa nahita ny toe-piainana ara-panahy nampalahelo nisy azy ireo. Nanoratra toy izao momba ny asa nataony i Matio: “Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana (...). Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:35, 36). Araka ny ohatra nomen’i Jesosy, dia ny fifikirantsika amin’i Jehovah sy ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika no tokony hanosika antsika hitory.

Ny asantsika tena lehibe

3 Ny tena fitiavana ny hafa sy Jehovah dia manosika antsika tsy hanao tsirambina na dia iray aza amin’ireo fahafahana hampahafantatra ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ireo asany mahagaga (Sal. 96:2, 3; 145:10-13). Ny asantsika andavanandro tsy maintsy atao sy ny fanahiana eo amin’ny fiainana ary ny fotoana betsaka lany amin’ireo fialam-bola anefa, dia mety hampiala antsika mora foana amin’ny fitoriana. Noho izany, dia tsy tokony hodiantsika tsy hita fa ilaina maika dia maika ny hanambarana ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Aoka isika tsy hanaiky hiala amin’io asa nankinina tamintsika io, izay asa famonjena lehibe indrindra (Matio 24:14; 28:19, 20). Fiarovana ho antsika ny mitoetra ho marisika ao amin’ny asan’i Jehovah, ary mety hahazoana soa maharitra izany ho an’ireo izay mila mandre ny hafatra momba ny fahamarinana.—1 Kor. 15:58.

4 Afaka ny ho mpitory maharitra mandavantaona na mpanampy ve ianao? Nahoana no tsy mandinika ny toerana misy anao mba hahitana raha tsy ho vitanao ny hanompo misimisy kokoa amin’izany fomba izany? Efa misotro ronono ve ianao? Nahoana no tsy mandany fotoana bebe kokoa amin’ny fitoriana? Misy tanora maro be mbola mianatra any an-tsekoly manao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy tsy tapaka. Milaza izy ireo fa ahitany soa kokoa izany na eo amin’ny lafiny ara-panahy na ny ara-batana, ary mahita fifaliana lalina amin’izany izy ireo.

5 Mba hanambarana ny fahamarinana amin’ny fomba mandaitra, dia ilaina ny mandamina tsara ny fotoanan’ny tena (Efes. 5:15, 16). Ny hoe mpitory maharitra mpanampy dia mitory adiny roa isan’andro monja amin’ny antsalany mandritra ny iray volana. Mifidy ny hifoha adiny iray mialoha ny sasany mba hahafahana mitory alohan’ny fianarana na ny asa. Misy kongregasiona maro be manampy ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny fandaminana fivoahana mitory takariva. Angamba koa ianao hahazo fampaherezana sy torohevitra mahasoa amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny kristiana hafa izay afaka mandamina tsara ny fotoanany mba hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy.

6 Naneho fitiavana an’ireo mpanompony hatrany i Jehovah. Mandray soa tondraka ireo izay manompo azy amim-pahatokiana. Manohy maneho ny hatsaram-pony amin’ireo izay tia azy i Jehovah. Faly izy mandray ny asa atolotsika azy, araka izay amelan’ny toerantsika hataontsika, amin’ny fanambarana ny fahamarinana.—Heb. 6:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara