Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 6 AOGOSITRA
Hira 12.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana. Aza hadinoina ny mampirisika ireo mpitory amin’ny fizarana gazety.
25 min: “Aoka isika hampita ny hafatr’ilay Fanjakana amim-pahazotoana”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia manomàna fampisehoana iray ny amin’ny fomba fanolorana bokikely amin’ny fanarahana ny fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra. Ampiasao ny foto-dresaka. Sorito ny ilàna hisehoana ho mpitory be zotom-po.
10 min: Diniho ny foto-dresaka ary aorian’izay dia manaova fampisehoana fohy iray izay hataon’ny mpitory tanora iray.
Hira 48 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 13 AOGOSITRA
Hira 68 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary rapaoron’ny Toe-bola. Misaora ny kongregasiona amin’ny fanomezana natao hanohanana ny asa fanontana sy fampianarana ny Baiboly maneran-tany izay efa nanomezan’ny Fikambanana rosia. Derao ireo rahalahy noho ireny fanomezana ireny sy ny fanohanana ara-bola ataon’izy ireo ho an’ny kongregasiona eo an-toerana. Ambarao ny fandaharana natao momba ny fitoriana amin’ny faran’ny herinandro.
20 min: “Nahoana moa isika no tokony haniry hitarika fampianarana Baiboly?”—Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fanadinadinana fohy mpitory tsotra na mpitory maharitra iray izay nanampy olona iray na maro ho tonga hatreo amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Anontanio izy ny amin’ny karazam-pifandraisana mitombo teo aminy sy ireo olona ireo sy ny soa noraisiny tamin’ny fitarihana fampianarana maro.
15 min: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano..”—Haseho toy ny lahateny (wMG 1/1/90 pp. 27-29)
Hira 11 sy vavaka famaranana
HERINANDRO MANOMBOKA NY 20 AOGOSITRA
Hira 51.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny volana jolay?
35 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara: Amin’ny fampitrangana fahafahana hanao fanambarana tampotampoka”—Fandinihana ny lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanotaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-3 dia asao ny mpanatrika hanome fanoloran-kevitra ny amin’ny fahafahana hafa hanao fanambarana tampotampoka. Asehoy ny hoe ny taom-pianarana vaovao dia manolotra fahafahana ho an’ny tanora hiresaka ny fahamarinana. (Ao amin’ny faritry ny Sekoly dia hanaja ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny tsy fiankinan’ilay sekoly amin’izay rehetra mety ho fivavahana.) Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia manaova fanadinadinana mpitory iray na roa izay nahazo vokatra tsara noho ny fitoriana tampotampoka. Anontanio azy ny fisehoan-javatra nanaovany izany, nahoana no hitany fa mahomby io fomba fitory io ary ny soa noraisiny manokana avy amin’izany. Ampirisiho ny tsirairay hametra ho zava-kendrena ny hiresaka ny vaovao tsara isan’andro. Farano amin’ny fanasongadinana ny ilàna hanehoana fiahina lalina ny hafa.
Hira 66 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 27 AOGOSITRA
Hira 51 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Vaovao teokratika. Ampahatsiarovy ny maha-zava-dehibe ny hamerenana ny rapaoron’asa tsy mitaredretra. Ampirisiho ireo mpitory mba handray anjara amin’ny asa fitoriana amin’ny faran’ny herinandro.
10 min: “Valin’ireo fanontanianareo”—Fiaraha-midinika miaraka amin’ny mpanatrika.
25 min: “Inona no fanantenan’ny maty? Sy ny fananganana ny maty: ho an’iza ary rahoviana?”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/01/90 pp. 3-7). Na koa azon’ny kongregasiona iray atao ny manao lahateny iray izay tena ilain’ny kongregasiona eo an-toerana.
Hira 39 sy vavaka famaranana.