Vaovao Teokratika
◆ Namarana ny fitohitohizan’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fiteny madio” teo amin’ny taniny i Equateur, ary nahatratra 40799 ny totalin’isan’ny mpanatrika. Ny tampon’isan’ny mpitory 18069 tamin’ny volana Aogositra dia nanamarika fitomboana 25 isan-jato tamin’ny antsalan’ny isany tamin’ny herintaona.
◆ Nahazo fitomboana 10 isan-jato i Nouvelle Zélande tamin’ny volana Aogositra ary tampon’isa vaovao ny isan’ny mpitory 11515.
◆ Nahatratra tampon’isa vaovao i Nouvelle Calédonie tamin’ny volana Aogositra tamin’ny isan’ny mpitory 1165, izay nanamarika fitomboana 15 isan-jato.
◆ Ireo fivoriamben’ny distrika tany Haïti dia natrehin’ny mpanatrika 13238, ary nisy 396 ny natao batisa. Ny tampon’isan’ny mpitory teo aminy tamin’iny taona iny dia 6427.