Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Janoary sy Febroary: Fitambarana boky roa amin’ny sarany 600 FMG, voaforon’ny roa amin’ireto boky manaraka ireto: “Tsy mahay mandainga”, “Fiadanana sy filaminana” ary “Fahamarinana”. Mandritra ireo roa volana ireo isika dia hanao ezaka manokana mba hametraka ny tahirintsika rehetra amin’ireo boky telo ireo ao amin’ny Betela sy any amin’ny kongregasiona. Noho izany, amin’ny faran’ny Desambra, ny rahalahy mikarakara ny boky ao amin’ny kongregasiona tsirairay avy dia hanome fitambarana boky roa, ka telo avy ho an’ny mpitory tsotra tsirairay, ary fitambarana boky roa, folo avy ho an’ny mpitory maharitra tsirairay. Azon’ireo mpitory tsotra sy maharitra fidina ny handoa ireo fitambaran’ireo boky ho azony eo am-pandraisana azy ireo amin’ny faran’ny Desambra na raha vao mahapetraka azy ireo eo amin’ny asa fanompoana izy ireo. Ny Betela dia handefa avy hatrany ireo boky telo ireo ho an’ny kongregasiona rehetra. Ireo mpitory maharitra dia handray ny fitambarana boky roa tsirairay amin’ny sarany 300 FMG. Aza fady mba mariho amin’ny taratasy S-20 miavaka tsara amin’ny faran’ny Janoary sy amin’ny faran’ny Febroary ny isan’ny tsirairay amin’ireo boky ireo voapetraky ny mpitory tsotra sy ny isan’ny tsirairay amin’ireo boky ireo voapetraky ny mpitory maharitra. Ampirisihina isika rehetra mba hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hametraka ireo boky fianarana Baiboly sarobidy ireo eo am-pelatanan’ireo havantsika, namantsika, mpifanila trano amintsika ary ireo olona eny amin’ny faritanintsika. Aoka isika hanana fomba fihevitra manorina ka hanohana io fiezahana manokana io amin’ny fontsika rehetra. Martsa: Ny boky La Révélation — le grand dénouement est proche!
◼ Tokony hanamarina ny toe-bolan’ny kongregasiona amin’ny 1 Desambra na haingana araka izay azo atao aorian’izay ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny.
◼ Fanitsiana:
Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, toko faha-3, fehintsoratra voalohany, ny hoe “telo volana” dia ovana hoe “enim-bolana”.
Ny Tilikambo Fiambenana 15/3/91: pejy faha-28, faritra voafefy, § 2, andal. faha-2: Ny hoe “Nalain’ireo indeksa feno (...) 1922.” dia ovana hoe: “Izy ireo dia nampiana indeksa fenon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1922.”
• pejy faha-28, faritra voafefy, § 2, andal. faha-9: Ny hoe “tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry (...) voalohany.” dia ovana hoe “tao amin’ireo nomerao voalohan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana.”
Ny Tilikambo Fiambenana 1/5/91: pejy faha-10, ny fanontaniana 1 hoe: “Iza avy no omena ireo loka Nobel, inona avy ireo loka ireo, ary ahoana no (...)” dia ovana hoe: “Iza avy no omena ireo loka Nobel fanta-daza maneran-tany, ary ahoana no (...)
Ny Tilikambo Fiambenana 1/6/91: pejy faha-24, § 18, andal. faha-9: Ny hoe “Matio 6:9, 10” dia ovana hoe “Matio 6:12”
• pejy faha-14, tsanganana faha-3, § 2, andal. faha-14: Ny hoe “adiny efatra” dia ovana hoe “efatra andro”
Ny Tilikambo Fiambenana 15/6/91: pejy faha-6, fanamarihana ambany pejy: Ny hoe “Marka 3:29, (...) Baiboly.” dia ovana hoe “Marka 3:29, Hebreo 6:9, 10; 10:26. Ao amin’ireo andinin-teny ireo, dia asehon’ireo mpanoratra ny Baiboly fa Andriamanitra dia azo antoka fa tsy mamela ny heloka rehetra.”
Ny Tilikambo Fiambenana 1/8/91: pejy faha-3, § 1, andal. faha-6: Ny “Genesisy 3:8” dia ovana hoe “Genesisy 4:8”.
◼ Ny Fahatsiarovana amin’ny 1993 dia amin’ny talata 6 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro. Ny antony ampahafantarana mialoha io datin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ny 1993 io dia mba hahafahan’ireo rahalahy hanao ny famandrihana na fifanarahana ilaina hatao mba hahazoana efitrano misy eo an-toerana rehefa maro loatra ireo kongregasiona mampiasa Efitrano Fanjakana iray ihany ka tsy maintsy mitady toerana hafa izy ireo.