Vaovao Teokratika
République dominicaine: Natrehin’ny mpanatrika 26 150 ireo fivoriamben’ny distrika enina ary nisy 585 (2, 2 isan-jato) natao batisa.
Hong Kong: Na dia nafana sady mando aoka izany aza ny volana Jolay, dia nanao ezaka faran’izay tsara teo amin’ny asa fanompoana ireo rahalahy. Nahazo tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 2 305 izy ireo ary nisy 71 natao batisa.
Japon: Ny tatitra momba ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1991 nalefan’izy ireo dia mampiseho tampon’isa tamin’ny mpanatrika 289 206 ary nisy 4 851 natao batisa. Nahatratra tampon’isa vaovao koa izy ireo tamin’ny Jolay tamin’ny mpitory 158 627, izay fitomboana 11 isan-jato raha oharina amin’ny antsalany tamin’ny herintaona.
Myanmar: Na dia nisy tondran-drano nampidi-doza maro aza nandritra ny Jolay, dia nahatratra tampon’isa vaovao izy ireo tamin’ny mpitory 1 810.
Philippines: Misy fanampiana mitohy atolotra an’ireo niharam-pahavoazana noho ny fipoahan’ny volkanon’ny Tendrombohitra Pinatubo. Vao haingana, dia nisy oram-be sy riakam-potaka, na “lahars” (voaforon’ny potipotin-javatra avy amin’ny volkano), niteraka zava-manahirana goavana ho an’ireo rahalahy tsy voa tamin’ny voalohany. Mankasitraka ireo fanampiana atolotra azy ireo rahalahy, satria tamin’ny toerana sasany dia ratsy kokoa noho ny tamin’ny fotoana nipoahan’ilay volkano voalohany ny toe-javatra tamin’ny Septambra.