Vaovao Teokratika
Angola: Mitohy ny fitomboana mahatalanjona andraisana tatitra avy any. Nisy tampon’isa vaovao teo amin’ny isan’ny mpitory 18 911 tamin’ny Jolay, ary fampianarana Baiboly 6 075 no notarihina.
India: Nisy 12 169 ny tontalin’isan’ireo mpitory namerina filazana asa tamin’ny Jolay, izany hoe maherin’ny 14 isan-jaton’ny antsalan’isa tamin’ny herintaona. Nahatratra tampon’isa vaovao ny isan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano 10 153.
Myanmar: Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 1 958 no tratra tamin’ny Jolay.
São Tomé sy Príncipe: Nisy mpitory 80 nandray anjara tamin’ny asa fanompoana nandritra ny volana Jolay, tampon’isa ambony indrindra hatramin’izay. Ny isan’ny fampianarana Baiboly notarihina — 382 tamin’ny Jolay — dia mampiharihary fa vokatra ho an’ny fijinjana tondraka io faritany io.