Vaovao Teokratika
Albania: Tratra tamin’ny Jolay ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory 353, ary koa ny tampon’isa vaovaon’ny gazety voapetraka. Ireo mpitory tao amin’ireo kongregasiona dia nandany adiny 22,4 tamin’ny antsalany teny amin’ny fanompoana ary nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano 1 073.
Cameroun: Naorina tamin’ny Jolay ny biraon’ny sampana vaovao, zavatra izay nifanindry tamin’ny fisian’ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory 21 322.
Groënland: Nisy 134 ny tontalin’isan’ny mpitory tamin’ny Jolay. Tampon’isa vaovao io.
Madagasikara: Vita avokoa ireo Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” natao teto amintsika nandritra ny volana Septambra 1994 farany teo. Ravoravo isika nahatratra tampon’isan’ny mpanatrika 14 053 sy tampon’isan’ny natao batisa 385 tany amin’ireo fivoriambe fito.
Zaïre: Na dia teo anoloan’ny tarehin-javatra feno loza noho ny fisian’ny mpialokaloka ana hetsiny maro niditra tao Zaïre aza, dia tratra ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory 83 442 tamin’ny Jolay. Nanao ezaka faran’izay tsara ireo rahalahy mba hifanampy, ary milaza izy ireo fa ankasitrahana be dia be ireo ezaka natao mba hitondrana fanampiana ara-nofo avy tany ivelany.