Famerenana An-tsoratra ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanelanelana ny 6 Jamoary sy ny 20 Aprily 1992. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana izay valinteny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe “marina” na “diso” ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia notombanana tamin’ny fomba nitovy ireo fahotana sy ireo mpanota rehetra. [8, siF p. 28 feh. 34]
2. Ny anarana hoe “Nomery” dia mifandray amin’ny fanisana ny vahoaka tao amin’ny tendrombohitra Sinay voalohany indrindra, ary tao amin’ny lemak’i Moaba tatỳ aoriana. [10, siF p. 29 feh. 2]
3. Na dia miavaka noho ny fanambarany ny marina aza ny bokin’ny Nomery, dia nanafina kosa ireo fahadisoany i Mosesy. [11, siF p. 30 feh. 7]
4. Teo ambany faneken’ny Lalàna dia notakin’ny fahotana foana ny fanaovana fanatitra noho ny ota, ny fiekena heloka, ny fibebahana ary ny fanonerana betsaka araka izay azo natao. [8, siF p. 28 feh. 32]
5. Ny “fampianianana” ampahibemaso dia tena fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. (Lev. 5:1) [2, Fam. Bai.; zahao wMG 1/12/87 p. 13.]
6. Ny fanoloran’ny mpisoronabe ombilahy ho fanatitra noho ny ota “ho an’ny tenany sy ny ankohonany” dia tandindon’ny soron’i Jesosy araka ny nampiharana izany tamin’ny “ankohonany” voaforon’ireo mpisorona lefitra. (Lev. 16:6) [6, Fam. Bai.; zahao wMG 1/6/87 p. 28.]
7. Tsy mety na oviana na oviana ny maka zanabola amin’ny rahalahy iray. (Lev. 25:35-37) [9, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 29.]
8. Ireo lalàna momba ny fanadiovana ireo boka sy ireo trano voaloto noho izany dia taratry ny fahatsapana ny fisian’ireo tsimok’aretina ary niaro tamin’ny fifindran’ny aretina. (Lev. toko faha-14) [5, Fam. Bai.; zahao gF 22/12/81 p. 25.]
9. Teo anelanelany na teo ambonin’ireo kerobima izay teo amin’ny rakotry ny fiaran’ny fanekena no nisehoan’ny Sekina na fahazavana mahagaga nampiseho ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Masina Indrindra. (Nom. 7:89) [12, Fam. Bai.; zahao kjF p. 165.]
10. Tokony ho nanisy “somotraviavy” ny fitafiany ireo Isiraelita mba hiavahany amin’ireo Moabita sy Egyptiana ary ny hafa, sy mba hampahatsiarovana azy ireo fa tokony ho hafa izy. (Nom. 15:38-40) [14, Fam. Bai.; zahao wMG 15/4/84 p. 20.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Ahoana no anomezan’ny bokin’ny Levitikosy voninahitra ny anaran’i Jehovah? [2, siF p. 26 feh. 9]
12. Asa fisoronana inona no hotanterahin’i Jesosy Kristy Mpisoronabe sy ireo mpisorony lefitra mandritra ny Fanjakana arivo taona? [9, siF. p. 29 feh. 39]
13. Mampahatsiaro inona an’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao ny fandrarana tsy hihinana sabora? (Lev. 3:17) [1, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 28.]
14. Inona no nety ho tafiditra tamin’ny fahotan’i Nabada sy Abiho? (Lev. 10:1, 2) [3, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 28.]
15. Nahoana ny fiterahan-jaza no nahatonga ny vehivavy iray ho “maloto”? (Lev. 12:2, 5) [4, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 28.]
16. Nahoana no nampiharina tamin’izay rehetra ‘nanozona’ ny rainy na ny reniny ny fanamelohana ho faty? (Lev. 20:9) [7, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 29.]
17. Inoana no tiana hambara amin’ny hoe ‘fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofo’? (Lev. 26:26) [9, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 29.]
18. Nahoana i Miriama no niteny nanohitra an’i Mosesy noho ilay vehivavy Kosita vadiny? (Nom. 12:1) [13, Fam. Bai.; zahao wMG 15/10/84 p. 29.]
19. Zava-nisy tena lehibe inona no tsy noraharahain’i Kora? (Nom. 16:1-3) [15, Fam. Bai.; zahao wMG 15/5/79 p. 12.]
Fenoy amin’izay teny na fitambaran-teny mifanitsy aminy ny banga amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
20. Nosoratan’i Mosesy tamin’ny __________________________ ny Levitikosy. [1, siF p. 25 feh. 4]
21. Ny foto-kevitra ny amin’ny ___________________________ dia hita ao amin’ny Levitikosy iray manontolo ary izy no milazalaza ny amin’io fepetra io matetika kokoa noho ireo boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly. [2, siF p. 26 feh. 9]
22. Ny fahatanterahan’ny maro amin’ireo tandindona ara-paminaniana ao amin’ny Levitikosy dia voalazalaza ao amin’ny bokin’ny ____________________________ . [9, siF p. 28 feh. 37]
23. Ny bokin’ny Nomery dia mahafaoka vanim-potoana nanelanelana ny ____________________________ sy ____________________________ [10, siF p. 30 feh. 4]
24. Ao amin’ny bokin’ny Nomery, ny tsy fankatoavana sy ny toetra tia fikomiana nasehon’ireo Isiraelita dia natao hampiharihariana fa iankinan’ny aina ny ___________________________. [11, siF p. 30 feh. 9]
25. Ireo toromarika momba ____________________________ dia mampiharihary fahalalana ny zava-misy izay tsy hitan’ireo manam-pahaizana amin’ny fitsaboana eo amin’izao tontolo izao raha tsy an’arivony taona maro tatỳ aoriana. [2, siF p. 25 feh. 7]
Fanteno izay valiny marina amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Mahafaoka (40 taona; herintaona; iray volana) ny bokin’ny Levitikosy. (1, siF p. 25 feh. 3)
27. Vitan’i Mosesy tamin’ny taona (1513; 1512; 1473) al.fan.ir. ny fanoratana ny bokin’ny Nomery. (10, siF p. 30 feh. 4)
28. ‘Ny fampahorian-tena’ dia mazava fa nisy fifandraisana tamin’ny (fifadian-kanina; fikapohan-tena; fifehezan-tena tsy hanao fialam-boly na inona na inona). (Lev. 16:29) [6, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 29.]
29. Ny ‘fampifezahana’ ny fen’ny vehivavy iray, raha ny marina, dia midika hoe (hiala amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy; tsy ho afaka hampiasa ny ranjony izy; hihena ireo taovam-pananahany ka tsy ho afaka hitoe-jaza mihitsy izy). (Nom. 5:21) [11, Fam. Bai.; zahao wMG 15/10/84 p. 29.]
30. Ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah” dia (fitaovana misy fivadiham-pinoana; boky mirakitra tantara mendri-pitokiana; tatitra noforonin’ny saina momba ireo tantara ao amin’ny Baiboly). (Nom. 21:14, 15) [16, Fam.Bai.; zahao wMG 15/10/84 p. 30.]
Ampifanandrifio amin’ny fanambarana eto ambany ireto toko sy andininy manaraka ireto:
Lev. 2:11, 12; Lev. 17:10-14; Lev. 19:32; Nom. 15:30, 31; Heb. 13:11.
31. Satria masina ny ra dia tsy azo atao ny mampiditra izany ao amin’ny vatana, amin’ny endriny rehetra. [...] [8, siF p. 28 feh. 33]
32. Tamin’ny Andro Fanavotana dia nentina nodorana teny ivelan’ny toby ny fatin’ireo biby natao fanatitra noho ny ota. [...] [9, siF p. 29 feh. 32]
33. Raha sirao avy tamin’ny voankazo no tondroina amin’ny hoe “tantely” dia nety havingy (fermenté) izany ka tsy hekena hatao fanatitra. [...] [1, Fam. Bai.; zahao wMG 15/8/84 p. 28.]
34. Ny fanajana ireo olona be taona dia fitsipi-pitondrantenam-pirenena teo amin’ny Isiraely. [...] [15, Fam. Bai.; zahao wMG 1/9/87 p. 5.]
35. Voaheloka ho faty ireo mpandika an-tsitrapo ny lalàn’Andriamanitra ary tsy nibebaka. [...] [14, Fam. Bai.; zahao wMG 15/7/91 p. 15.]