Ilay Boky Izay Manome ny Tena Fitarihana
1 Niova tamin’ny fomba nampivarahontsana izao tontolo izao nandritra ny taonjato farany. Na dia nisy aza ireo fandrosoana teo amin’ny fifandraisan-davitra sy ny fitsaboana ary ny fitaterana, dia nikororosy fahana hatrany ny toetran’ny fiainam-pianakaviana. An-tapitrisany maro ireo olona mamela ny tenany hotarihin’ny filozofian’ny olombelona tsy mitsaha-miova.
2 Amin’izao toe-javatra miova haingana misy an’itỳ tontolo itỳ izao, ny vahoakan’i Jehovah dia nandray soa be dia be tamin’ny fanarahana akaiky ny Teniny. Mitoetra ho tsy miova ny Baiboly hatramin’ny an’arivony taona maro, ary ny torohevitra raketiny dia mbola izay farany azo ampiharina indrindra amin’ny fiatrehana ireo zava-manahirana hitantsika ankehitriny. Amin’ny fomba ahoana no azontsika anampiana ny olona liana mba hahatsapa fa ny Baiboly no manome ny tena fitarihana ho amin’izao androntsika maoderina izao?
3 Raha nametraka ilay taratasy mivalona hoe “Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly” ianao tamin’ny fitsidihana voalohany, dia azonao atao ny miverina ka milaza hoe:
◼ “Koa satria ny Baiboly milaza mazava tsara fa izy io dia hafatra avy amin’Andriamanitra mihitsy ary Izy dia manolotra ho antsika ny fiainana mandrakizay raha mino sy miaina araka izay lazainy isika, moa ve ianao mihevitra fa mendrika ny hatao ny fandalinana bebe kokoa momba izany filazana izany? [Avelao hamaly ilay olona.] Mariho izay lazain’ny Baiboly mialoha mahakasika ny fandehan-javatra eo amin’ny tontolo ankehitriny. [Vakio mivantana avy ao amin’ny pejy faha-5 ao amin’ilay taratasy mivalona ny 2 Timoty 3:1-5.] Heverinao ve fa mifanaraka amin’ny tontolo ankehitriny izany filazalazana izany? [Avelao hamaly ilay olona.] Moa ve misy antony marim-pototra hanantenana toe-piainana tsara kokoa amin’ny hoavy?” Afaka mametraka fototra ho amin’ny fitsidihana manaraka ianao rehefa avy eo, amin’ny fiaraha-mandinika ireo fehintsoratra roa farany amin’ilay taratasy mivalona na amin’ny fampiasana ny pejy faha-187 amin’ny boky Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany izay manasongadina ny fanantenana mahatalanjona atolotry ny Baiboly ho an’ny olombelona.
4 Raha toa ka nahaliana an’ilay tompon-trano ny hasarobidin’ny Baiboly rehefa ampiharina ary nohazavainao ireo fotopoto-pitsipika voafaritra tsara avy tamin’ny toko faha-23, fehin. 9 amin’ny boky “Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany”, dia azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Mahaliana antsika ny zavatra izay mahasoa antsika amin’izao andro izao, sa tsy izany? Manaiky ve ianao fa ny famaranana ny ady dia hahasoa? [Avelao hamaly ilay olona.] Raha toa ny olona ka mianatra ny miara-miaina amim-piadanana amin’ireo izay any amin’ny firenen-kafa, dia ho fanombohana tsara izany, sa tsy izany? [Avelao hamaly ilay olona.] Izany indrindra no nambaran’ny Baiboly mialoha. [Vakio ny Isaia 2:4.] Efa mba naniry hahalala ve ianao hoe amin’ny fomba ahoana ary rahoviana no hitrangan’izany?” Hazavao fa ho tianao ny hiverina sy hiara-mandinika an’io fanontaniana io misimisy kokoa amin’ny fotoana mety amin’ilay tompon-trano.
5 Raha nametraka ny “Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany” ianao, dia afaka miverina ka milaza hoe:
◼ “Miharihary fa olona tia ny Tenin’Andriamanitra ianao. Noho izany dia matoky aho fa hahaliana anao ny hianatra ny iray amin’ireo fahasamihafana lehibe hita eo amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny Baiboly sy ny fiainana amin’ny ankapobeny. Izany fahasamihafana izany dia mahafaoka ny anaran’ilay Persona lehibe indrindra ao amin’ny Soratra Masina. Fantatrao ve hoe iza izany?” Avelao hamaly ilay tompon-trano ary avy eo dia vakio ny Salamo 83:18. Hahitana fanazavana fanampiny eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Ataovy Sakaizanao Andriamanitra”, manomboka eo amin’ny pejy faha-183 ao amin’ny boky Fahatanoranao.
6 Ny Baiboly ihany no manome fitarihana ilain’ny olona. (Jer. 10:23). Ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra no fomba tokana hianarana ny amin’ny fikasany sy hahazoana sitraka Aminy. Araka izany, dia aoka isika hanasa amin-kafanam-po ny hafa mba handray soa avy amin’ny torohevitra mampiseho fahendrena sy ny torolalana azo ampiharina raketiny.