FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/96 p. 2
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanohanana ny Asan’ilay Fanjakana eo An-toerana sy Eran-tany
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Ny fikarakarana ireo olona be taona — Mitaky fiezahana amin’ny kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Afaka Manolotra Fanampiana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitoria any Amin’izay Rehetra Ahitana Olona
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 3/96 p. 2

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Mety ve ny manome fandraisana anjara rehefa mitondra antsika amin’ny fiarany ny hafa?

Ny sasany amintsika dia ao anatin’ny toe-javatra izay mitaky ny hiankinantsika amin’ny hafa mba hahazoana fanampiana mba hanatrehana ireo fivoriana sy handraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, tsy tapaka. Rahalahy sy anabavy maro no misahirana manokana amin-katsaram-panahy sy mampiasa amim-pitiavana ny fotoanany sy ny fiarany ary ny fananany hafa, mba hitondrana antsika. Na dia mety ho voatery hiomana aloha kokoa noho ny tokony ho izy ary ho ela kokoa vao tafody aza izy ireo, dia mitondra antsika amim-pahavononana.

Toy ny amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fanompoantsika kristiana, dia mihatra ilay fotopoto-pitsipika hita ao amin’ny Galatiana 6:5, manao hoe: “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” Noho izany, raha mitondra tsy tapaka antsika ny olona iray, isika dia tokony hampiseho ny fankasitrahantsika, tsy amin’ny tenintsika fotsiny, fa, raha azontsika atao koa, amin’ny fanomezana fandraisana anjara antonona, mba hanampiana amin’ny fandoavana ny fandaniana amin’izany. — Matio 7:12; 1 Kor. 10:24.

Na dia tsy mangataka fanampiana ara-bola aza ilay olona mampiasa ny fiarany ary toa tsy mila izany, ny fanolorana fandraisana anjara amim-pahatsoram-po dia ankasitrahana foana. Mety tsy handray na inona na inona ilay mitondra ny fiara; ary mazava ho azy fa tokony ho fanapahan-keviny izany. Mety anefa ny hanaovanao ny fanolorana. Raha tsy afaka manome na inona na inona ianao amin’izay fotoana izay, dia afaka mitadidy azy io ao an-tsaina ianao; mety ho afaka hanolotra bebe kokoa ianao amin’ny fotoana manaraka hitaingenana ilay fiara. — Lioka 6:38.

Tena fanehoam-pitiavana avy amin’ireo manana fiara ny mitondra ny hafa izay mety ho tsy afaka hanatrika fivoriana na handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, raha tsy izany. (Ohab. 3:27). Amin’izay fotoana izay koa, dia fanehoam-pitiavana avy amin’ireo mandray soa avy amin’ny hatsaram-panahy toy izany ny maneho ny fisaorany amin’ny fanomezana fandraisana anjara, arakaraka ny toe-javatra misy azy. — Kol. 3:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara