FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/03 p. 3-6
  • Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2004

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2004
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Lohatenikely
  • Toromarika
  • FANDAHARANA
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 10/03 p. 3-6

Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2004

Toromarika

Toy izao ny fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana, mandritra ny taona 2004.

LOHARANON-KEVITRA: Ireo anjara dia hiorina amin’ny Baiboly Masina [bi2], Ny Tilikambo Fiambenana [w], Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana [be], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], ary Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs].

Tokony hanomboka ARA-POTOANA amin’ny hira sy vavaka ary teny fohy fiarahabana tonga soa ilay sekoly. Toy izao manaraka izao no fizotrany:

ZAVATRA TANDREMANA: 5 minitra. Hamelabelatra ny zavatra tandremana miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana ny mpiandraikitra ny sekoly, na ny mpanome torohevitra mpanampy, na anti-panahy mahay hafa. (Azo ampanaovina mpanampy amin’ny fanompoana mahay izy io raha tsy ampy ny anti-panahy.) Tokony hampidirina ao amin’ilay famelabelarana ireo efajoro ao amin’ilay anjara, raha tsy misy fanamarihana manokana. Tsy hatao ny fanazaran-tena fa anjaran’ny tsirairay ny manao azy io samirery. Afaka mampiasa azy io koa ireo rahalahy rehefa hanome torohevitra mitokana ho an’ilay mpianatra.

ANJARA No. 1: 10 minitra. Tokony hataon’ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy io, ary hiorina amin’ny Tilikambo Fiambenana, na Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.” Tokony ho lahateny fampianarana 10 minitra tsy misy famerenana am-bava ity anjara ity. Tsy ny hamelabelatra ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hifantoka amin’ny lafiny azo ampiharina amin’ilay fanazavana dinihina, ka hanasongadina izay zavatra tena ilain’ny fiangonana. Ny loha hevitra ato amin’ny fandaharana no tokony hampiasaina. Tokony hamita azy io ara-potoana ny rahalahy asaina manao ity lahateny ity. Mety homena torohevitra mitokana izy, raha ilaina.

HEVITRA MISONGADINA AO AMIN’NY BAIBOLY: 10 minitra. Tokony hampihatra ireo hevitra amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana ny anti-panahy na ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay iray, mandritra ny enina minitra voalohany. Azony atao ny mamelabelatra ny toko rehetra nasaina novakina nandritra ny herinandro. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ireo toko nasaina novakina izy io. Ny tena zava-kendrena dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ilay fanazavana no mahasoa, ary ahoana no andraisan’izy ireo soa avy amin’izany. Tokony hitandrina ilay mpandahateny mba tsy hihoatra ilay enina minitra natokana ho an’ny tapany voalohany. Tokony hatokany handraisan’ny mpanatrika anjara ny efatra minitra farany. Tokony hasaina hanome valin-teny fohy (tsy mihoatra ny 30 segondra) ny mpanatrika ny amin’izay hevitra nahaliana azy tao amin’ny famakiana Baiboly, sy ny soa noraisiny tamin’izany. Hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasiny avy ireo mpianatra, avy eo.

ANJARA No. 2: 4 minitra. Vakiteny ataon’ny rahalahy iray izy ity. Hiorina amin’ny Baiboly mazàna ilay vakiteny. Indray mandeha isam-bolana dia fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana no hanaovana io anjara io. Tokony hamaky ilay anjara nanendrena azy ilay mpianatra nefa tsy hanisy teny fampidirana na famaranana. Hiovaova isan-kerinandro ny habetsahan’ny zavatra hovakina nefa tsy tokony hihoatra ny efatra minitra. Tokony hijery ilay zavatra hovakina aloha ilay mpiandraikitra ny sekoly vao manendry ilay mpianatra. Amin’izay izy dia ho afaka hampifanaraka izany amin’ny taona sy ny fahaizan’ilay rahalahy. Ny tena hifantohan’ilay mpiandraikitra ny sekoly dia ny hanampy ny mpianatra hahatakatra izay vakiny, hiteny misosa tsara, hanao fanamafisan-kevitra mety tsara, hanovaova feo, hiato araka ny tokony ho izy, ary hiteny tsotra, tsy amboamboarina.

ANJARA No. 3: 5 minitra. Anabavy no hanao azy io. Hifidy ny faritra hampiasainy ny mpianatra hanao ity anjara ity na homena iray avy ao amin’ny lisitra ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy faha-82. Tokony ho ilay foto-kevitra nomena no hampiasain’ilay mpianatra, ary hataony toy ny tena eny amin’ny saha ilay famelabelarana sady azo ampiharina eo amin’ny faritanin’ny fiangonana. Raha tsy voalaza ilay lahatsoratra hakana hevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo boky navoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina ilay mpianatra mba hitadiavana fanazavana hanaovana ity anjara ity. Tokony ho anjara misy lahatsoratra hakana hevitra no homena an’ireo mpianatra vaovao. Ny zavatra tena hifantohan’ilay mpiandraikitra ny sekoly dia ny fomba hamelabelaran’ilay mpianatra ny foto-kevitra, ny fomba hanampiany ny tompon-trano hisaintsaina izay voalazan’ny Soratra Masina sy hahatakatra ny hevi-dehibe amin’ilay fanazavana. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra hasaina hanao ity anjara ity. Hanendry mpanampy iray ny mpiandraikitra ny sekoly.

ANJARA No. 4: 5 minitra. Tokony hamelabelatra ilay loha hevitra nomena ilay mpianatra. Raha tsy voalaza ilay lahatsoratra hakana hevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo boky navoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina izy mba hitadiavana fanazavana hanaovana ity anjara ity. Azo atao ho toy ny lahateny ity anjara ity, raha rahalahy no manao azy. Tokony hatao toy ny Anjara No. 3 kosa izy io, raha anabavy no manao azy. Azon’ny mpiandraikitra ny Sekoly omena rahalahy ny anjara No. 4, rehefa hitany fa mety ny hanaovana izany. Ny rahalahy ihany no tokony hotendrena hanao ny loha hevitra misy kintana kely, ary lahateny no hanaovany azy.

FAHARETANY: Tokony ho vita ara-potoana ny anjara rehetra, sy ny fanamarihana ataon’ny mpanome torohevitra. Tokony hatsahatra amin’ny fomba voalanjalanja ireo Anjara No. 2 ka hatramin’ny No. 4, rehefa tapitra ny fotoanany. Tokony homena torohevitra mitokana ireo rahalahy manao ny lahateny fanokafana momba ny zavatra tandremana, na ny Anjara No. 1, na ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, raha mihoatra ny fotoanany. Tokony hanaja ny fotoana nomena azy ny rehetra. Haharitra 45 minitra ny fandaharana manontolo. Tsy ao anatin’izany ny hira sy ny vavaka.

TOROHEVITRA: 1 minitra. Hanao fanamarihana mahasoa momba ny lafiny tsara iray tamin’ny famelabelarana ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny mahavita ny anjarany ny mpianatra tsirairay. Tsy tokony hihoatra ny iray minitra anefa izany. Tsy ampy ny hilazana hoe “tena tsara.” Mila misarika ny saina ho amin’ny antony voafaritra tsara nahatonga io lafiny iray io handaitra kosa izy. Mbola hisy torohevitra tsara mety homena mitokana aorian’ny fivoriana na amin’ny fotoana hafa, raha mila izany ny mpianatra tsirairay.

MPANOME TOROHEVITRA MPANAMPY: Ankoatra ilay mpiandraikitra ny sekoly, dia mety hifidy anti-panahy mahay iray, raha misy, ireo anti-panahy mba ho mpanome torohevitra mpanampy. Raha maromaro ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana, dia anti-panahy mahay hafa no hanao azy io amin’ny taona manaraka. Hanome torohevitra mitokana an’ireo rahalahy manao ny Anjara No. 1 sy ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly izy, raha ilaina izany. Tsy voatery hanome torohevitra izy aorian’ny lahateny tsirairay ataon’ny anti-panahy namany na mpanampy amin’ny fanompoana. Hihatra mandritra ny 2004 ity fandaharana ity, ary mety mbola hisy fiovana.

TARATASIN-TOROHEVITRA: Ao amin’ny boky.

FAMERENANA AM-BAVA: 30 minitra. Hanao famerenana am-bava ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny roa volana. Hisy fandinihana ny zavatra tandremana sy ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, voalaza etsy ambony, alohan’izy io. Hifototra amin’ny zavatra nodinihina tamin’ny sekoly nandritra ny roa volana lasa ny famerenana am-bava, tafiditra amin’izany ilay herinandro hitsahina.

FANDAHARANA

5 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 1-5 Hira 154

Zavatra Tandremana: Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina (be p. 157 § 1–p. 158 § 1)

No. 1: Fanomanana Drafitra (be p. 39-42)

No. 2: Genesisy 2:7-25

No. 3: Miresaka ny Amin’ny Paradisa eto An-tany ho Avy ve ny “Testamenta Vaovao”, sa ny “Testamenta Taloha” Ihany no Miresaka Izany? (rs p. 352 § 1–p. 353 § 1)

No. 4: aInona no Ianarantsika avy Amin’ireo Lazain’ny Baiboly fa Tsy Nanao Izay Tokony ho Nataony?

12 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 6-10 Hira 215

Zavatra Tandremana: Fampiharana ny Fanazavana (be p. 158 § 2-4)

No. 1: Inona Marina no Atao hoe Fahadiovana? (w 1/2/02 p. 4-7)

No. 2: Genesisy 8:1-17

No. 3: Nahoana no Ratsy ny Mandainga?

No. 4: Manondro ny Lanitra na Tapany Amin’ny Lanitra ve Ilay Teny hoe “Paradisa” ao Amin’ny Lioka 23:43? (rs p. 354 § 1, 2)

19 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 11-16 Hira 218

Zavatra Tandremana: Ampio ny Hafa Hahita Izay Tokony Hataony (be p. 159 § 1-4)

No. 1: Mandraisa Soa avy Amin’ny Fitsipik’Andriamanitra (w 15/2/02 p. 4-7)

No. 2: Genesisy 13:1-18

No. 3: Inona no Manaporofo fa eto An-tany Ilay Paradisa Resahina ao Amin’ny Lioka 23:43? (rs p. 354 § 3–p. 355 § 3)

No. 4: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Miresaka ny Fanantenany Amin’ny Olona?

26 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 17-20 Hira 106

Zavatra Tandremana: Fahaiza-mifidy Teny (be p. 160 § 1-3)

No. 1: Fiaraha-miory—Manampy ho Tsara Fanahy sy Hangoraka (w 15/4/02 p. 24-27)

No. 2: w 1/1/02 p. 10, 11 § 9-11

No. 3: Inona no Dikan’ny Tenin’i Jesosy ao Amin’ny Lioka 13:24?

No. 4: Ahoana no Hahazoana ny Fahalalana Marina sy ny Tena Fahendrena? (rs p. 235 § 4–p. 236 § 2)

2 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 21-24 Hira 64

Zavatra Tandremana: Fomba Fiteny Mora Azo (be p. 161 § 1-4)

No. 1: Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly (be p. 43 § 1–p. 44 § 3)

No. 2: Genesisy 21:1-21

No. 3: Avy Aiza Ireo Filozofian’olombelona? (rs p. 237 § 1-3)

No. 4: bNahoana no Tokony Hoheverina ho Zava-dehibe ny Fifamofoana?

9 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 25-28 Hira 9

Zavatra Tandremana: Teny Isan-karazany sy Marina (be p. 161 § 5–p. 162 § 4)

No. 1: Fanomanana Anjara Misy Fifampiresahan’ny Olona Roa (be p. 44 § 4–p. 46 § 2)

No. 2: Genesisy 28:1-15

No. 3: Ahoana no Hahitana Fiadanana Anaty eto Amin’ity Tontolo Mikorontana Ity?

No. 4: Nahoana Isika no Azo Lazaina hoe Olona Misaina, Raha Mianatra Ireo Fampianaran’i Jesosy Kristy fa Tsy ny Filozofian’olombelona? (rs p. 238 § 1-4)

16 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 29-31 Hira 160

Zavatra Tandremana: Teny Milaza Hery sy Fihetseham-po ary Misy Aina (be p. 163 § 1–p. 164 § 2)

No. 1: Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy (w 15/5/02 p. 24-27)

No. 2: w 1/2/02 p. 15, 16 § 6-10

No. 3: Ny Vavak’iza no Henoin’Andriamanitra? (rs p. 414 § 6–p. 415 § 5)

No. 4: Nahoana no Tena Ilain’ny Kristianina ny Hatsaran-toetra?

23 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 32-35 Hira 1

Zavatra Tandremana: Fitenenana Manaraka Fitsipi-pitenenana (be p. 164 § 3–p. 165 § 1)

Famerenana Am-bava

1 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 36-39 Hira 49

Zavatra Tandremana: Fampiasana Drafitra (be p. 166 § 1–p. 167 § 2)

No. 1: Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana (be p. 47 § 1–p. 49 § 2)

No. 2: Genesisy 37:12-28

No. 3: Nahoana no Tsy Maintsy Miaraka ny Finoana sy ny Fiaretana?

No. 4: cInona avy no Antony Mety Tsy Hihainoan’Andriamanitra Ireo Vavaka Ataon’ny Olona Iray? (rs p. 415 § 6–p. 416 § 5)

8 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 40-42 Hira 205

Zavatra Tandremana: Alamino Ireo Hevitrao (be p. 167 § 3–p. 168 § 1)

No. 1: Fanomanana Anjara Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana sy Amin’ny Lahateny Hafa (be p. 49 § 3–p. 51 § 3)

No. 2: Genesisy 42:1-20

No. 3: Ahoana no Hananana Fifandraisana Akaiky Amin’i Jehovah?

No. 4: dInona avy no Azo Atao Antom-bavaka? (rs p. 416 § 6–p. 417 § 4)

15 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 43-46 Hira 67

Zavatra Tandremana: Hazony ho Tsotra ny Drafitry ny Lahateninao (be p. 168 § 2–p. 169 § 5)

No. 1: Rahoviana no Tahin’i Jehovah ny Ezaka Mafy Ataontsika? (w 1/8/02 p. 29-31)

No. 2: Genesisy 43:1-18

No. 3: eRaha Misy Milaza Aminao hoe: ‘Aoka Aloha Isika Hivavaka, vao Mitondra ny Teninao Ianao’ (rs p. 417 § 5, 6)

No. 4: Ahoana no Hahazoantsika Namana Amin’ny Alalan’ny Harena Tsy Marina?

22 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 47-50 Hira 187

Zavatra Tandremana: Famelabelarana Mirindra Tsara (be p. 170 § 1–p. 171 § 2)

No. 1: Nahoana no Nankasitrahan’i Jehovah ny Fanatitr’i Abela, fa ny An’i Kaina Kosa Tsy Nankasitrahany? (w 1/8/02 p. 28)

No. 2: Genesisy 47:1-17

No. 3: Inona no Sasantsasany Amin’ireo Faminaniana Miavaka ao Amin’ny Baiboly Mbola Tsy Maintsy ho Tanteraka? (rs p. 124 § 1–p. 125 § 1)

No. 4: Nahoana ny Fahatahorana An’i Jehovah no Fiandoham-pahendrena?

29 Mar. Famakiana Baiboly: Eksodosy 1-6 Hira 52

Zavatra Tandremana: Famelabelarana Amin’ny Fomba Mirindra Tsara (be p. 171 § 3–p. 172 § 6)

No. 1: Afaka Miaro Anao ve ny Fahaiza-misaina? (w 15/8/02 p. 21-24)

No. 2: w 15/2/02 p. 19, 20 § 7-11

No. 3: Ahoana no Fiheveran’i Jehovah ny Avonavona?

No. 4: Nahoana ny Kristianina no Tokony Handinika Akaiky Ireo Faminaniana ao Amin’ny Baiboly? (rs p. 125 § 2-6)

5 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 7-10 Hira 61

Zavatra Tandremana: Hevitra Mifandray Amin’ny Foto-kevitra Ihany Ampiasaina (be p. 173 § 1-4)

No. 1: Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro (be p. 52 § 1–p. 54 § 1)

No. 2: Eksodosy 7:26–8:15

No. 3: fRaha Misy Milaza Aminao hoe: ‘Mihevitra ho Zava-dehibe Loatra Ireo Faminaniana Ianao’ (rs p. 125 § 7–p. 126 § 1)

No. 4: Nahoana ny Fanantenana no toy ny “Vatofantsiky ny Aintsika”?

12 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 11-14 Hira 87

Zavatra Tandremana: Fitenenana Tsy An-kijery Soratra (be p. 174 § 1–p. 175 § 4)

No. 1: Ny Fanapahan-kevitra Horaisin’ny Mpandahateny (be p. 54 § 2-4; p. 55, efajoro)

No. 2: Eksodosy 12:1-16

No. 3: Nahoana Isika no Tokony ho Vonona Hanaiky ny Famaizan’i Jehovah?

No. 4: Miorina Amin’inona ny Fampianarana ny Amin’ny Afo Fandiovana? (rs p. 35 § 1–p. 36 § 1)

19 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 15-18 Hira 171

Zavatra Tandremana: Ireo Fandrika Tokony Hohalavirina Rehefa Miteny Tsy An-kijery Soratra (be p. 175 § 5–p. 177 § 1)

No. 1: Ahoana no Tokony Hiheverantsika ny Fisedrana? (w 1/9/02 p. 29-31)

No. 2: w 1/3/02 p. 15, 16 § 8-11

No. 3: Mbola Misy Ihany ve ny Sazy Noho ny Ota Aorian’ny Fahafatesana? (rs p. 36 § 3-7)

No. 4: gNahoana ny Fanambadiana no Tokony ho Fatorana Mandritra ny Androm-piainana?

26 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 19-22 Hira 59

Zavatra Tandremana: Rehefa Mitaky Fanazavana Aminao ny Hafa (be p. 177 § 2–p. 178 § 3)

Famerenana Am-bava

3 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 23-26 Hira 13

Zavatra Tandremana: Toy ny Miresaka Andavanandro (be p. 179, 180)

No. 1: Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra (be p. 56 § 1–p. 57 § 2)

No. 2: Eksodosy 23:1-17

No. 3: Ahoana no Anampian’i Jehovah ny Olona Iray Handresy Fahazaran-dratsy?

No. 4: Ahoana no Niandohan’ny Firazanana Samy Hafa? (rs p. 243 § 1-4)

10 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 27-29 Hira 28

Zavatra Tandremana: Toetran’ny Feo (be p. 181 § 1-4)

No. 1: ‘Mahaiza Manavaka’ (be p. 57 § 3–p. 58 § 2)

No. 2: Eksodosy 28:29-43

No. 3: Taiza i Kaina no Naka ny Vadiny Satria Tsy Nisy Afa-tsy Fianakaviana Tokana? (rs p. 243 § 5–p. 244 § 1)

No. 4: Nahoana no Ratsy ny Manavakava-bolon-koditra?

17 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 30-33 Hira 93

Zavatra Tandremana: Mahaiza Mifoka Rivotra Tsara (be p. 181 § 5–p. 184 § 1; p. 182, efajoro)

No. 1: Ampirisiho Hieritreritra ny Mpihaino (be p. 58 § 3–p. 59 § 3)

No. 2: Eksodosy 30:1-21

No. 3: Nahoana Isika no Tokony Halemy Fanahy?

No. 4: Ahoana no Nahatonga ny Firazanana ho Samy Hafa? (rs p. 244 § 2–p. 245 § 2)

24 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 34-37 Hira 86

Zavatra Tandremana: Aza Henjanina ny Hozatra (be p. 184 § 2–p. 185 § 2; p. 184, efajoro)

No. 1: Manaova Fampiharana ary Manomeza Ohatra Tsara (be p. 60 § 1–p. 61 § 3)

No. 2: Eksodosy 36:1-18

No. 3: Zanak’Andriamanitra Daholo ve ny Olona Rehetra? (rs p. 245 § 3–p. 246 § 2)

No. 4: Nahoana Isika no Tokony Hahatoky Amin-javatra Madinika?

31 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 38-40 Hira 202

Zavatra Tandremana: Fiheverana ny Hafa (be p. 186 § 1-4)

No. 1: Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka (be p. 62 § 1–p. 64 § 1)

No. 2: w 1/5/02 p. 19, 20 § 3-6

No. 3: Nahoana no Mampionona ny Olona Iray ny Fahatakarana ny 1 Jaona 3:19, 20?

No. 4: Ho Lasa Mpirahalahy sy Mpirahavavy Daholo ve ny Olona avy Amin’ny Firazanana Rehetra Indray Andro Any? (rs p. 246 § 3–p. 247 § 1)

7 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 1-5 Hira 123

Zavatra Tandremana: Fihainoana Tsara (be p. 187 § 1-5)

No. 1: Ny Fomba Anohizana ny Resaka (be p. 64 § 2–p. 65 § 4)

No. 2: Levitikosy 3:1-17

No. 3: Tamin’ny Ahoana ny Fahafatesan’i Jesosy Kristy no Hafa Noho ny An’ny Maritiora Hafa Rehetra? (rs p. 66 § 2–p. 67 § 2)

No. 4: Ratsy ve ny Mitsabaka Amin’ny Asan’ny Maizina?

14 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 6-9 Hira 121

Zavatra Tandremana: Ampio ny Hafa Handroso (be p. 187 § 6–p. 188 § 3)

No. 1: Takaro ny Fomba Fihevitr’ilay Manontany (be p. 66 § 1–p. 68 § 1)

No. 2: Levitikosy 7:1-19

No. 3: Ahoana no Ianarantsika Mankahala ny Ratsy?

No. 4: Nahoana no Nilaina ny Fomba Nofidin’i Jehovah Hanolorana ny Vidim-panavotana? (rs p. 67 § 4-6)

21 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 10-13 Hira 183

Zavatra Tandremana: Fanaovan-javatra mba Hanampiana Ilay Olona (be p. 188 § 4–p. 189 § 4)

No. 1: Fantaro Izay Tokony Havalinao (be p. 68 § 2–p. 70 § 3)

No. 2: Levitikosy 11:1-25

No. 3: Nahoana Andriamanitra no Tsy Nandidy Fotsiny hoe Hiaina Mandrakizay Izay Rehetra Mankatò Azy? (rs p. 67 § 7–p. 68 § 3)

No. 4: Ahoana no Fiheveran’i Jehovah ny Fanaovana Hosoka (na ny Mifraody)?

28 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 14-16 Hira 216

Zavatra Tandremana: Fanajana ny Hafa (be p. 190 § 1-4)

Famerenana Am-bava

5 Jolay Famakiana Baiboly: Levitikosy 17-20 Hira 54

Zavatra Tandremana: Fiarahabana Amim-panajana (be p. 191 § 1–p. 192 § 1)

No. 1: Fifandraisana An-taratasy (be p. 71-73)

No. 2: Levitikosy 17:1-16

No. 3: Matokia ny Fandaminan’i Jehovah

No. 4: Iza no Nampiharana Voalohany Indrindra ny Vidin’ny Soron’i Jesosy, ary Noho ny Zava-kendrena Inona? (rs p. 69 § 1, 2)

12 Jolay Famakiana Baiboly: Levitikosy 21-24 Hira 138

Zavatra Tandremana: Fitenenana Amim-panajana (be p. 192 § 2–p. 193 § 2)

No. 1: Mandrosoa Hatrany (be p. 74 § 1–p. 75 § 3)

No. 2: Levitikosy 22:1-16

No. 3: Iza koa Amin’izao Androntsika Izao no Mandray Soa Amin’ny Soron’i Jesosy? (rs p. 69 § 3–p. 70 § 1)

No. 4: Andriamanitry ny Foko Jiosy ve i Jehovah?

19 Jolay Famakiana Baiboly: Levitikosy 25-27 Hira 7

Zavatra Tandremana: Fitenenana Amim-patokisana (be p. 194 § 1–p. 195 § 2)

No. 1: Ampiasao ny Talentanao (be p. 75 § 4–p. 77 § 2)

No. 2: Levitikosy 25:1-19

No. 3: Hifarana ve ny Asa Fampihorohoroana?

No. 4: Soa Inona no Hoentin’ny Vidim-panavotana Amin’ny Hoavy? (rs p. 70 § 2–p. 71 § 1)

26 Jolay Famakiana Baiboly: Nomery 1-3 Hira 30

Zavatra Tandremana: Ny Fomba Anehoana Fatokisana (be p. 195 § 3–p. 196 § 4)

No. 1: Tokony ho Saro-piaro ve ny Kristianina? (w 15/10/02 p. 28-31)

No. 2: w 15/6/02 p. 18, 19 § 6-9

No. 3: Inona no Takina Amintsika mba Handraisantsika Soa Amin’ny Soron’i Jesosy? (rs p. 71 § 2-5)

No. 4: Ratsy ve ny Malahelo Rehefa Misy Havan-tiana Maty?

2 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 4-6 Hira 128

Zavatra Tandremana: Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra (be p. 197 § 1-3)

No. 1: Ahoana no Hampisy Vidiny ny Androntsika eo Anatrehan’i Jehovah? (w 15/11/02 p. 20-23)

No. 2: Nomery 6:1-17

No. 3: Ahoana no Anampian’ny Baiboly ny Olona mba Tsy Hifankahala Intsony?

No. 4: Tokony Hisy Vokany Inona eo Amin’ny Fampiasantsika ny Fiainantsika ny Vidim-panavotana? (rs p. 71 § 6–p. 72 § 2)

9 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 7-9 Hira 35

Zavatra Tandremana: Mahay Mandanjalanja Rehefa Mitory (be p. 197 § 4–p. 198 § 5)

No. 1: Ho Foana Tokoa ve ny Fanavakavahan-tsaranga? (w 1/1/02 p. 4-7)

No. 2: Nomery 8:1-19

No. 3: Inona no Tian’ny Apostoly Paoly Horesahina Rehefa Nilaza Izy fa “Hakarina” ho eo Anilan’ny Tompo ny Kristianina? (rs p. 139 § 6–p. 140 § 1)

No. 4: Iza no Antikristy?

16 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 10-13 Hira 203

Zavatra Tandremana: Teny Mampahery Atao Amin’ny Fotoana Mety (be p. 199 § 1-4)

No. 1: Matokia An’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Tena Misy (w 15/1/02 p. 5-7)

No. 2: Nomery 12:1-16

No. 3: Mifandray ve ny Famalian’Andriamanitra sy ny Fitiavany?

No. 4: Ho Hitan’ny Olona Mitsangana ao Amin’ny Rahona ve i Kristy, Rehefa Mitondra Ireo Kristianina Mahatoky ho any An-danitra? (rs p. 140 § 2–p. 141 § 1)

23 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 14-16 Hira 207

Zavatra Tandremana: Mahay Mandanjalanja Rehefa Miaraka Amin’ny Fianakaviana sy ny Olon-kafa (be p. 200 § 1–p. 201 § 1)

No. 1: Mpirahalahy Tsy Nitovy Toetra (w 15/1/02 p. 21-23)

No. 2: w 15/7/02 p. 23, 24 § 15-19

No. 3: Afaka Miakatra any An-danitra Amin’ny Vatana Ara-nofo ve ny Kristianina? (rs p. 141 § 2, 3)

No. 4: hNahoana no Tsy Mety ho An’ny Kristianina ny Lalao Video Feno Herisetra?

30 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 17-21 Hira 150

Zavatra Tandremana: Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra (be p. 202 § 1–p. 203 § 2)

Famerenana Am-bava

6 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 22-25 Hira 22

Zavatra Tandremana: Aoka Hampahery Foana ny Fomba Fiteninao (be p. 203 § 3–p. 204 § 1)

No. 1: Nahoana no Rava Ilay Tontolo Fahiny? (w 1/3/02 p. 5-7)

No. 2: Nomery 22:1-19

No. 3: Hakarina Mangingina any An-danitra ve ny Kristianina Mahatoky, Nefa Tsy ho Faty? (rs p. 142 § 1-4)

No. 4: iNahoana no Tokony Hamaky Teny ho An’ny Zanany ny Ray Aman-dreny Kristianina?

13 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 26-29 Hira 71

Zavatra Tandremana: Rehefa Miresaka Amin’ny Mpiray Finoana Aminao (be p. 204 § 2–p. 205 § 4)

No. 1: Ahoana no Hahafoana ny Kilema? (w 1/5/02 p. 4-7)

No. 2: Nomery 29:1-19

No. 3: Ahoana no Hiarovana ny Kristianina Marina Mandritra ny Fahoriana Lehibe? (rs p. 143 § 1-5)

No. 4: Ahoana no Nahatongavan’ny Fampanantenan’Andriamanitra ho Eny Tamin’ny Alalan’i Jesosy Kristy?

20 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 30-32 Hira 51

Zavatra Tandremana: Famerimberenana ho Fanamafisana (be p. 206 § 1-4)

No. 1: Mamafaza Fahamarinana, Mijinjà ny Fitiavan’Andriamanitra (w 15/7/02 p. 28-31)

No. 2: Nomery 30:2-17

No. 3: Nahoana ny Kristianina Sasany no Akarina ho any An-danitra Miaraka Amin’i Kristy? (rs p. 143 § 7-10)

No. 4: jNahoana Isika no Tsy Tokony Hijery Boky sy Sary Vetaveta?

27 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 33-36 Hira 100

Zavatra Tandremana: Famerimberenana eny Amin’ny Fanompoana sy Rehefa Manao Lahateny (be p. 207 § 1–p. 208 § 4)

No. 1: Afaka Manampy Anao ny Tena Olo-masina (w 15/9/02 p. 4-7)

No. 2: w 1/8/02 p. 18, 19 § 15-19

No. 3: k‘Mino ny Fampiakarana ny Fiangonana ve Ianareo?’ (rs p. 144 § 1-3)

No. 4: Nahoana Isika no Tsy Tokony ho Tia Lalao Mahafaty?

4 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 1-3 Hira 191

Zavatra Tandremana: Fahaiza-mamelabelatra ny Foto-kevitra (be p. 209 § 1-3)

No. 1: Mampionona ny Fahalalana Marina An’Andriamanitra (w 1/10/02 p. 5-7)

No. 2: Deoteronomia 1:1-18

No. 3: Inona no Dikan’ny hoe Manao ny Fahamarinana ho Fomba Fiaina?

No. 4: Raha Sambany vao Nahita Olona na Toerana Vaovao Aminao Ianao, Nefa toa Mahatsapa fa efa Nahita An’io Olona na Toerana io, Midika ve Izany fa Nateraka Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao Ianao? (rs p. 220 § 1–p. 221 § 3)

11 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 4-6 Hira 181

Zavatra Tandremana: Fampiasana Foto-kevitra Mety Tsara (be p. 210 §1–p. 211§ 1; p. 211, efajoro)

No. 1: Fanisana Miverina Nanomboka Tamin’ny 537 T.K. ka Hatramin’ny 997 T.K. (si p. 285 § 5-7)

No. 2: Deoteronomia 4:1-14

No. 3: Nahoana no Tsy Manamarina ny Finoana ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao ny Fitantarana ao Amin’ny Jaona 9:1, 2? (rs p. 222 § 1–p. 223 § 2)

No. 4: Inona no Dikan’ny hoe ‘Mampifantoka ny Saina Amin’ny Fanahy’?

18 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 7-10 Hira 78

Zavatra Tandremana: Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe (be p. 212 § 1–p. 213 § 2)

No. 1: Fanisana Miverina Nanomboka Tamin’ny 997 T.K. ka Hatramin’ny 2370 T.K. (si p. 285, 286 § 8-11)

No. 2: w 15/8/02 p. 15, 16 § 3-6

No. 3: Inona no Tsy Mampitovy ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao sy ny Fanantenana Voarakitra ao Amin’ny Baiboly? (rs p. 223 § 3, 4)

No. 4: lAhoana no Fiheveran’i Jehovah ny Mpivadi-pinoana?

25 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 11-13 Hira 57

Zavatra Tandremana: Aza Atao Maro Loatra ny Hevi-dehibe (be p. 213 § 3–p. 214 § 5)

Famerenana Am-bava

1 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 14-18 Hira 26

Zavatra Tandremana: Fampidiran-dresaka Mahaliana (be p. 215 § 1–p. 216 § 5)

No. 1: Fanisana Miverina Nanomboka Tamin’ny 2370 T.K. ka Hatramin’ny 4026 T.K. (si p. 286, 287 § 12-15)

No. 2: Deoteronomia 14:1-23

No. 3: aRaha Misy Milaza Aminao hoe: ‘Mino ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao Aho’ (rs p. 224 § 1-3)

No. 4: Nahoana ny Kristianina no Tokony Hanatsotra ny Fiainany?

8 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 19-22 Hira 182

Zavatra Tandremana: Misarika ny Sain’ny Olona eny Amin’ny Fanompoana (be p. 217 § 1-4)

No. 1: Ny Fandalovan’i Jesosy Teto An-tany (si p. 287, 291 § 16, 17)

No. 2: Deoteronomia 21:1-17

No. 3: Nahoana no Misy Fivavahana Be dia Be toy Izao? (rs p. 262 § 3–p. 263 § 3)

No. 4: Ahoana no Anampian’ny Ohatra ao Amin’ny Baiboly Antsika Handresy Fahakiviana?

15 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 23-27 Hira 162

Zavatra Tandremana: Lazao eo Amin’ny Teny Fampidirana ny Foto-kevitrao (be p. 217 § 5–p. 219 § 4)

No. 1: Lafin-javatra Mifandray Amin’ny Fotoana Nanompoan’i Jesosy (si p. 291 § 18, 19)

No. 2: Deoteronomia 24:1-16

No. 3: Ahoana no Ahafantarana hoe Iza no Ankasitrahan’Andriamanitra?

No. 4: Samy Misy Tsara Kely avy ve ao Amin’ny Fivavahana Rehetra? (rs p. 263 § 4–p. 264 § 2)

22 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 28-31 Hira 32

Zavatra Tandremana: Famaranan-teny Mandaitra (be p. 220 § 1-3)

No. 1: Fanisana Ireo Taona Tamin’ny Andron’ny Apostoly (si p. 291, 292 § 20-23)

No. 2: Deoteronomia 28:69–29:17

No. 3: Ratsy ve ny Mandao ny Fivavahan’ny Ray Aman-drenin’ny Tena? (rs p. 264 § 3–p. 265 § 1)

No. 4: Nahoana ny Kristianina no Tokony Hihevi-tena Araka ny Antonony?

29 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 32-34 Hira 41

Zavatra Tandremana: Hevitra Tokony Hotadidina (be p. 221 § 1-5)

No. 1: Ny Dia Misionera Faharoa Nataon’i Paoly (si p. 292 § 24, 25)

No. 2: w 15/10/02 p. 11 § 10-13

No. 3: Fomba Ahafahantsika Manamasina ny Anaran’Andriamanitra

No. 4: Ahoana no Fiheveran’ny Baiboly ny Fanakambanam-pinoana? (rs p. 265 § 2–p. 266 § 2)

6 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 1-5 Hira 40

Zavatra Tandremana: Eny Amin’ny Fanompoana (be p. 221 § 6–p. 222 § 6)

No. 1: Ny Dia Misionera Fahatelo Nataon’i Paoly sy Ireo Taona Famaranana, taona 56-100 (si p. 293 § 26-30)

No. 2: Josoa 4:1-14

No. 3: Ilaina ve ny ho Anisan’ny Fivavahana Iray? (rs p. 266 § 3–p. 267 § 2)

No. 4: Mankalaza Krismasy ve ny Kristianina?

13 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 6-8 Hira 213

Zavatra Tandremana: Filazana Zavatra Marina (be p. 223 § 1-5)

No. 1: Fomba Itandrovana Fihavanana ny Fialan-tsiny (w 1/11/02 p. 4-7)

No. 2: Josoa 6:10-23

No. 3: Nahoana Isika no Mbola Mitory Isan-trano Foana?

No. 4: Ampy ve ny Fitiavana ny Namana? (rs p. 267 § 4)

20 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 9-11 Hira 135

Zavatra Tandremana: ‘Tano Mafy ny Teny Marina’ (be p. 224 § 1-4)

No. 1: Ampaherezo ny Tananao (w 1/12/02 p. 30, 31)

No. 2: w 15/11/02 p. 18, 19 § 19-23

No. 3: Ampy ve ny Fifandraisana Manokana Amin’Andriamanitra? (rs p. 267 § 5–p. 268 § 1)

No. 4: bMidika ho Inona ny hoe Tia Fihavanana?

27 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 12-15 Hira 210

Zavatra Tandremana: Hamarino ny Fahamarinan’ny Zavatra Holazainao (be p. 225 § 1-3)

Famerenana Am-bava

[Fanamarihana ambany pejy]

a Natao ho an’ny rahalahy ihany.

b Natao ho an’ny rahalahy ihany.

c Natao ho an’ny rahalahy ihany.

d Natao ho an’ny rahalahy ihany.

e Raha ampy ny fotoana dia diniho ny fomba hamaliana ny olona miziriziry amin’ny heviny na manohitra, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.

f Raha ampy ny fotoana dia diniho ny fomba hamaliana ny olona miziriziry amin’ny heviny na manohitra, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.

g Natao ho an’ny rahalahy ihany.

h Natao ho an’ny rahalahy ihany.

i Natao ho an’ny rahalahy ihany.

j Natao ho an’ny rahalahy ihany.

k Raha ampy ny fotoana dia diniho ny fomba hamaliana ny olona miziriziry amin’ny heviny na manohitra, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.

l Natao ho an’ny rahalahy ihany.

a Raha ampy ny fotoana dia diniho ny fomba hamaliana ny olona miziriziry amin’ny heviny na manohitra, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.

b Natao ho an’ny rahalahy ihany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara