Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Septambra sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra. Asongadino ny lafiny tsara sasany tamin’ny fametrahana ilay gazety, aorian’ny fampisehoana tsirairay. Resaho koa ireo lahatsoratra hafa mety hanintona ny olona eny amin’ny faritany.
15 min: Manana Fahazarana Tsara Mamaky Teny ve Ianao? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 21-26, eo ambanin’ny hoe: Mahafaoka inona avy ny fandaharam-pamakian-teninao? (p. 21, efajoro) Nahoana no tena ilaintsika ny mamaky ireo boky sy gazety omena antsika? (p. 23, feh. 2) Inona no tena ilaina mba hananana fandaharam-pamakian-teny tsy tapaka? (p. 26, feh. 3-4) Ahoana no ataonao mba hanokanana fotoana hamakiana ny Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana? Nahoana izany no mahasoa anao?
20 min: “Sahia Hatrany Mitory ny Tenin’Andriamanitra.”a Asao ny mpanatrika hilaza hoe inona avy no toe-javatra sarotra mety tsy hahasahiany hitory. Inona no nanampy azy ho sahy, na izany aza?
Herinandron’ny 17 Oktobra
10 min: Fampandrenesana. Ampiasao ny fizarana 3 amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2005, ka miresaha hevitra iray na roa ny amin’ny fomba hampiasana tsara ny Soratra Masina rehefa mitarika fampianarana Baiboly.
20 min: Ny Fiheveran’ny Kristianina ny Dihy. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Mifohaza! 8 Desambra 2004, pejy 17-20.
15 min: “Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka ho Tsara Fanahy.”b Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba azo anehoana hatsaram-panahy, rehefa manompo eny amin’ny saha. Horesahina ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana manaraka ny lafiny hafa ahafahana miahy manokana an’ireo olona itoriantsika.
Herinandron’ny 24 Oktobra
10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana an’ireo fanomezana. Manaova fampisehoana iray mba hametrahana ny zavatra atolotra amin’ny Novambra. Ampiasao ny iray amin’ireo fomba fanolorana boky sy bokikely ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005, p. 8, feh. 5.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Aoka ho Hita eo Amin’ny Fitafiana sy Taovolontsika fa Mampihatra ny Fitsipik’Andriamanitra Isika. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2002, pejy 17-19. Asao ny mpanatrika hilaza hoe nahoana isika no afaka mitory tsara, raha fakan-tahaka ny fitafiana sy taovolontsika.
Herinandron’ny 31 Oktobra
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Oktobra. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra sy ny Mifohaza! 8 Oktobra. Sariho ho amin’ilay efajoro hoe “Ao Amin’ny Nomerao Manaraka” ny sain’ilay olona, ao amin’ilay fampisehoana iray, mba hahafahana hitsidika azy.
15 min: Ampio ireo Olona Fanateranao Gazety. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Mey 2005, pejy 8. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny olona iray hanaiky hanaterana gazety tsy tapaka? (feh. 1) Ahoana no hanomanantsika dinidinika miorina amin’ny andinin-teny iray isaky ny mitsidika? (feh. 3) Nahoana no tsy ampy ny mamaky fotsiny an’ilay andinin-teny nofantenana? (feh. 4) Inona no azo atao mba hahatonga ny olona fanateranao gazety hianatra Baiboly? (feh. 5) Asio fampisehoana ahitana mpitory manazava andinin-teny iray amin’ny olona fanaterany gazety.
20 min: Tanora Hentitra Nefa Manaja. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2002, pejy 23-24, eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Tsy manao, nefa manaja.” Ampiomano ny tanora iray na roa hilaza ny olana natrehiny tany am-pianarana, sy izay nanampy azy hahavita hiatrika izany.
Herinandron’ny 7 Novambra
5 min: Fampandrenesana.
20 min: Miezaha Hifantoka Kokoa any Am-pivoriana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2002, pejy 12-14, fehintsoratra 11-14. Resaho ireo fanoloran-kevitra nomena ao, ary asao ny mpanatrika hilaza izay nanampy azy handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny fivoriana.
20 min: “Hatsarao ny Fahaizanao Mandresy Lahatra.”c Mifidiana mpitory vitsivitsy hitantara ny fomba nahafahany nandresy lahatra olona tsy mitovy fomba fihevitra sy fiaviana aminy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.