Zavatra Mahaliana ny Olona Resahina
1. Inona no azo ianarana avy amin’ny fomba fitorin’ny Kristianina voalohany?
1 Nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona avy amin’ny firenena sy fivavahana samihafa ny Kristianina voalohany. (Kol. 1:23) Samy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, saingy novaovany arakaraka ny olona nihaino azy ny fomba nampidirany resaka. Rehefa niresaka tamin’ny Jiosy tena manaja ny Soratra Masina, ohatra, i Petera, dia nanonona tenin’i Joela mpaminany. (Asa. 2:14-17) Hafa kosa ny fomba niresahan’i Paoly tamin’ny Grika, araka ny Asan’ny Apostoly 17:22-31. Manaja ny Baiboly koa ny olona any amin’ny faritra sasany ankehitriny, ka afaka miresaka izay lazain’ny Baiboly isika. Mila mitandrina kokoa anefa isika raha olona tsy kristianina, na tsy tia Baiboly na fivavahana no itoriantsika.
2. Ahoana no azo ampiasana ny zavatra atolotra amin’ny volana raha olona tia na tsy tia Baiboly no itoriana?
2 Ampiasao tsara ny zavatra atolotra amin’ny volana: Miova isaky ny roa volana ny zavatra atolotra amin’ity taom-panompoana ity. Mety ho gazety izany, na taratasy mivalona, na bokikely. Raha sendra olona tsy mino ny Baiboly isika, dia afaka mampiasa ny zavatra atolotra amin’ny volana, ka miresaka hevitra mahaliana azy. Mety tsy ho afaka hamaky andinin-teny isika na hiresaka Baiboly rehefa miresaka voalohany. Raha liana anefa izy, dia afaka mitsidika azy indray isika mba hanampy azy hino an’ilay Mpamorona sy ny Teniny. Raha olona tia Baiboly kosa no itoriantsika, dia afaka manolotra boky na gazety na bokikely isika, ary miresaka momba ny Baiboly. Afaka manolotra boky Ampianarina foana koa isika, na bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, na dia tsy zavatra atolotra amin’ny volana aza ireo. Ny zava-dehibe indrindra dia ny miresaka hevitra mahaliana ny olona itoriantsika.
3. Nahoana no mitovy amin’ny tany ambolena ny fon’ny olona itoriantsika?
3 Karakarao tsara ny tany ambolenao: Mitovy amin’ny tany ambolena ny fon’ny olona. (Lioka 8:15) Mila karakaraina tsara ny tany sasany vao hamaka sy haniry eo aminy ny voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Namboly teny amin’ny tany isan-karazany ny Kristianina fahiny ka faly sy afa-po izy ireo. (Asa. 13:48, 52) Ho faly sy afa-po koa isika raha zavatra mahaliana no resahintsika.