Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Novambra
“Te hanana mpitondra mahay mitantana isika rehetra. Araka ny hevitrao, fitondram-panjakan’iza no hahavita hamaha ny olana mahazo ny olombelona? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ny voalaza ato amin’ity e!” Omeo ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra ilay olona, ary iaraho midinika ilay fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy 16. Mamakia andininy iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra
“Be dia be izao no manao tsolotra eo amin’ny resaka varotra sy amin’ny raharaham-panjakana. Inona no hitanao fa vahaolana amin’izany? [Avelao izy hamaly.] Lazain’ity gazety ity fa hanao zavatra i Jesosy mba hanampiana an’izay mijaly noho ny fisian’ny tsolotra. [Vakio ny Salamo 72:12-14.] Hazavaina ato hoe ahoana no hanafoanana ny tsolotra atsy ho atsy.”
Mifohaza! Oktobra
“Tian’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny raha tafita amin’ny fianarana ny zanany. Araka ny hevitrao, efa vonona hiatrika olana eo amin’ny fiainana ve ny tanora nahazo diplaoma tany am-pianarana? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Baiboly fa tena zava-dehibe ny manana fahalalana sy fahendrena. [Vakio ny Mpitoriteny 7:12.] Misy soso-kevitra dimy manampy ny mpianatra ho tafita amin’ny fianarana ato amin’ity gazety ity.”