Hatsarao ny Fanompoanao: Namana Mahay Manampy
Nahoana izany no tena ilaina? Fantatr’i Jesosy hoe tena ilaina ny namana rehefa manompo. Rehefa nirahiny àry ny mpianany 70 mba hialoha azy sy hitory, dia nalefany tsiroaroa. (Lioka 10:1) Afaka manampy an’izay miara-manompo aminy ny mpitory iray raha sahirana ilay namany na tsy mahita havaly an’ilay olona itoriany. (Mpito. 4:9, 10) Afaka mizara ny traikefany izy, ary mety ho afaka hanome soso-kevitra ilain’ilay mpitory miaraka aminy mba hahatonga azy io hahay kokoa. (Ohab. 27:17) Afaka manao resaka mampahery koa izy rehefa hifindra amin’ny trano manaraka.—Fil. 4:8.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Rehefa avy manompo ianao sy ny namanao, dia lazao azy hoe inona no nolazainy na nataony ka nahitanao hoe namana mahay manampy izy.