FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/1 p. 8-9
  • Vahaolana Maneran-tany — Mety Hisy ve Izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vahaolana Maneran-tany — Mety Hisy ve Izany?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay fandresena ho avy
  • Fandresena sy Faharesena Mampahonena
    Mifohaza!—1998
  • Mamely Indray Ny Raboka!
    Mifohaza!—1996
  • Aina Afoy Mila Hahatratra ny Isan’ny Maty An’ady
    Mifohaza!—1998
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/1 p. 8-9

Vahaolana Maneran-tany — Mety Hisy ve Izany?

MIOMBON-KEVITRA ireo manam-pahaizana fa olana maneran-tany mitaky vahaolana maneran-tany ny raboka. Tsy misy firenena afaka miady irery amin’ny raboka, satria olona an-tapitrisany maro no miampita sisin-tany iraisam-pirenena isan-kerinandro.

Olona maro no mino fa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena dia mitaky ny hanampian’ireo firenena manankarena ireo firenena mahantra, izay voany mafy indrindra. Araka ny voalazan’ny Dr. Arata Kochi, dia “ho tombontsoan’ireo tany manankarena ny hanampiany ireo tany tsy mandroso kokoa hiady amin’ny raboka, alohan’ny hahatongavan’ny taniny mihitsy ho saha fiadiana amin’ny raboka”.

Tsy niolomay hamonjy anefa ireo firenena manankarena, izay tototry ny laharam-pahamehana sy ny olana heveriny ho maika kokoa. Matetika ny tany mahantra sasany mihitsy koa aza no manao tsirambina ny fikarakaram-pahasalamana, ka mampiasa ny volany ho amin’ny hery ara-tafiny kosa. Teo antenatenan’ny taona 1996, dia 10 isan-jato monjan’ireo mararin’ny raboka teo amin’izao tontolo izao no voatsabo tamin’ny alalan’ny paik’ady DOTS. Vitsy loatra anefa izany mba hisorohana ny fiharatsian’ilay valanaretina.

Hoy ny fanamarihan’ny OMS: “Efa nisy hatramin’ny am-polony taona maro ny fahalalana sy ny fanafody mora vidy enti-manasitrana ny raboka. Ny ilain’izao tontolo izao ankehitriny dia ny ezaka mafy avy amin’ny olona manana fahefana sy hery mitaona ary fangoraham-po, ka hanao izay hahazoana antoka fa hampiasaina amin’ny fomba mandaitra maneran-tany ireny fanafody ireny.”

Ilay fandresena ho avy

Afaka mitoky amin’ny olombelona manana fahefana sy hery mitaona ve isika mba hamahana ilay olana? Nanoratra toy izao ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly, nahazo tsindrimandry: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Amin’iza àry no azontsika itokiana? Manampy toy izao ilay andinin-teny: “Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny, izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny”. — Salamo 146:3, 5, 6.

Noho izy Mpamolavola sady Mpamorona ny tany, i Jehovah Andriamanitra dia manana, na ny fahefana na ny fahendrena, hamaranana ny aretina. Manana fangoraham-po ve izy? Nampanantena toy izao i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny nahazo tsindrimandry: “Ho antra [ny oloko] Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.” — Malakia 3:17.

Milazalaza fahitana iray nomena ny apostoly Jaona ny toko mamarana ny Baiboly. Nahita “hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana”, izy. Mampiseho ireo fandaharan’Andriamanitra izay hanome fahafahana ny olombelona mpankatò hiaina mandrakizay eto an-tany, ireo hazo sy voany ara-panoharana ireo. — Apokalypsy 22:2.

Nanohy ny fitantarany i Jaona ka nanoratra hoe: “Ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.” Mampiseho ireo fitahiana avy amin’Andriamanitra izay hiafara amin’ny fanasitranana ny taranak’olombelona, eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana, ireo ravinkazo ara-panoharana. Araka izany, dia afaka matoky isika fa ao amin’ny tontolo vaovao sy marina eo ambany fanapahan’Andriamanitra, dia ho resy tanteraka mandrakizay ny raboka. — Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary, pejy 8, 9]

Mampanantena fanasitranana maharitra ho an’ny olombelona Andriamanitra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara