FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/11 p. 31
  • Mampahory ny Namany ny Olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampahory ny Namany ny Olona
  • Mifohaza!—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho Lany Tamingana ve ny Indianina any Brezila?
    Mifohaza!—2007
  • Ny Fomba Nahaverezan’ny Tontolon’izy Ireo
    Mifohaza!—1996
  • Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?
    Mifohaza!—1996
  • Amerikana Tera-tany — Ny Faran’ny Vanim-potoana Iray
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/11 p. 31

Mampahory ny Namany ny Olona

POROFOIN’NY tantaran’olombelona fa marina ny Mpitoriteny 8:9 manao hoe: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” Milaza io andinin-teny io toy izao koa ny Baibolin’i Jerosalema: “Mampahory ny namany ny olona ka miteraka fahavoazana ho azy.” Olona an-tapitrisany maro no niaritra ny tsy rariny, ary nitranga izany, saika teo ambanin’ny karazana fitondram-panjakana rehetra nisy hatramin’izay. Nampahatsiahy izany fahoriana izany ny sekretera mpanampy mikarakara ny raharaha indianina ao amin’ny Minisiteran’ny Atitany amerikanina, tamin’ny kabary nataony, nandritra ny fankalazana ny faha-175 taonan’ny Birao Misahana ny Raharaha Indianina.

Nilaza izy fa tsy fankalazana, fa “fotoana hilazana ny fahamarinana mampalahelo sy fotoana hanehoana ny nenina”, tamin’io. Niaiky izy fa ny hanala ireo foko lehibe tany atsimoatsinanana toy ny Cherokee, Creek, Choctaw, Chickasaw, ary Seminole tamin’ny taniny no asa voalohany nokendren’ilay birao tamin’ny 1830. “Noterena tamin’ny alalan’ny fandrahonana, ny fitaka, ary ny fampiasan-kery izy ireo mba handeha an-tongotra 1 600 kilaometatra hiankandrefana. Antitra sy tanora ary osa an’arivony maro no maty ka nalevina fotsiny tao anaty fasana natao maimaika, nandritra io dia nantsoina hoe Lalana Nampitomany io.”

Hoy ihany izy: “Niteraka loza ny finiavana hanaparitaka aretina, ny fandripahana andian’ombidia, ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola mba hanapoizinana ny saina sy ny vatana, ary ny famonoana zaza amam-behivavy tsy manam-piarovana. Tsy maintsy ekena amin’izao andro maoderina izao anefa, fa tena nahatsiravina izany loza izany, hany ka tsy azo lazaina ho vokatry ny ady tsy maintsy mitranga noho ny fomba fiaina tsy mitovy fotsiny akory.”a Niaiky toy izao izy: “Nanao izay hanafoanana ny zavatra indianina rehetra io birao io. Nandrara ny teny indianina izy ... ary nanao izay hahatonga azy ireo ho menatra noho ny firazanany. Ny tena ratsy indrindra dia ny fampijaliana ara-pihetseham-po, ara-tsaina, ara-batana, ary ara-panahy natao tamin’ireo ankizy napetraka tany amin’ny sekoly kilasimandry niandraiketan’io birao io.”

Namarana toy izao izy: “Andeha isika haneho ny alahelo ao am-pontsika noho izay nataon’io birao io tamin’ny lasa. ... Tsy handray anjara intsony amin’ny fangalarana ny tanin’ny Indianina isika. ... Tsy hanenjika ny fivavahanareo, ny fiteninareo, ny fombafombanareo, ary ny fanaon’ny razanareo intsony izahay.” Nampisaintsaina izao teniny izao: “Aoka isika hiara-mamafa ny ranomason’ny taranaka fito nifandimby. Aoka isika hamela ny fontsika torotoro ho sitrana.”—Lahateny Lehibe ho An’ny Andro (anglisy), 1 Oktobra 2000.

Ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no afaka hitondra ny tena vahaolana maharitra ho an’ny habibiana ampiharin’ny olona amin’ny namany. Hanome rariny ho an’ny rehetra izy io sy ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.’—Apokalypsy 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manamarina ny tantaran’ny Indianina amerikanina fa matetika koa no nisy adim-poko teo amin’izy ireo, hany ka “nanjary nahazatra [ny ady] momba ny tany sy ny soavaly ary ny ombidia.”—Ireo Olona Antsoina hoe Apache (anglisy).

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Indianina: Artwork based on photograph by Edward S. Curtis; Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.; Trano indianina: Leslie’s

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara