FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/7 p. 4-7
  • Mety hisy ny fahasitranana eo amin’izao rehetra izao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety hisy ny fahasitranana eo amin’izao rehetra izao!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiaingana vaovao
  • Inona moa ny aretina?
  • Eo am-pikatsahana ny fahasalamana
  • Akaiky ny fahasitranana
  • Arovy ny finoanao sy ny fahasalamanao ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ho Salama Tsara ny Rehetra—Tsy ho Ela!
    Mifohaza!—2001
  • Fahasalamana sy fahasambarana — Ahoana no ahafahanao mahita an’ireo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny ady atao amin’ny aretina sy ny fahafatesana — Mahomby ve izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/7 p. 4-7

Mety hisy ny fahasitranana eo amin’izao rehetra izao!

TSY mbola ketraka mihitsy ny olombelona tamin’ny ady nataony ho fanoherana ny aretina. Isan-taona izy dia mandany an-davitrisany dôlara maro ho amin’ny fahasalamany. Ny sasantsasany tamin’ireo manan-tsaina lehibe indrindra dia nanokan-tena hanao fikarohana ara-pitsaboana, ka nomena hampiasainy ny teknolojia be kojakojany indrindra. Maneran-tany anefa ny aretina dia mbola miteraka fandravana foana ary mbola mijaly ihany ny olombelona. Ny tarehin-javatra hitantsika dia tsy hafa loatra noho ny nolazalazain’i Mosesy tamin’izao teny izao, 3 000 taona mahery lasa izay: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny.” — Salamo 90:10.

Fiaingana vaovao

Na dia mety ho toa hahagaga tokoa aza izany, ny olombelona dia nanomboka ny fahavelomany tamin’ny fahasalamana tonga lafatra. Ireo ray aman-drenintsika voalohany, Adama sy Eva, dia niaina tao anatin’ny faritra madio sy tsy nisy aretina mihitsy: ny saha kanton’i Edena. Nanana sakafo nahasalama sy be dia be izy ireo. Nampitombo fahalalana sy nahavariana ny asan’izy ireo. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, tamin’izay izy ireo dia nanana saina salama tao anatin’ny tena salama. — Jereo Genesisy 1:26-30.

Ambonin’izany, dia nasehon’Andriamanitra azy ireo ny fomba hitanana ny fahatanterahany. Nampahafantariny azy ireo aloha izay tokony hataony, tamin’ny filazana hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” Avy eo, dia nampianariny azy ireo izay tena tokony hohalavirina, tamin’ny fanampiana teny hoe: “Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 1:28; 2:17). Raha nitana ireo toromarika roa tena lehibe ireo ny mpivady voalohany sy ireo taranany, dia ho afaka nitahiry ho mandrakizay ny fahasalamany sy ny fahasambarany ary ny fahatanterahany.

Amin’izao androntsika izao, dia be dia be no mihevitra ny fitantarana mahakasika an’i Adama sy Eva ho angano tsy ara-tsiansa mihitsy. Nefa tsy tokony handa izany haingana toy izany isika fa aoka handinika azy akaiky kokoa.

Raha teny mahazatra antsika kokoa no ampiasaina, ny didy voalohany dia nanasa an’i Adama sy Eva hikarakara ny toerana manodidina azy. Ny faharoa dia nitaona azy hampifanaraka ny fomba fiainany amin’ny fitsipika sasany noferan’Andriamanitra. Moa ve izany fepetra mifanohitra amin’ny siansa, sa fotopoto-pitsipika ara-pahasalamana mampiseho fahendrena? Tsara ny manamarika izay ambaran’i René Dubos sy Maya Pines ny amin’izany ao amin’ny bokin’izy ireo mitondra ny anarana hoe Fahasalamana sy aretina (anglisy): “Ny anankiray amin’ireo antony miteraka aretina tsy fantatra indrindra dia ny amin’ny toerana manodidina. Ny faritra iainana sy ny fomba fiainan’ny olombelona dia mety hisy heriny bebe kokoa amin’ny fomba tsy ampoizina, eo amin’ny fahasalamany noho ireo otrik’aretina ifampikasohany na ny foto-javatra mampiavaka ny vatana nolovany.”

Inona moa ny aretina?

Hita àry fa ny aretintsika dia mifamatotra be dia be amin’ny fomba fiainantsika sy fitondrantsika ny toerana manodidina antsika. Amin’ny ankapobeny, dia mihevitra ny olona fa nahavita zavatra be dia be ho an’ny fahasalamana ny sivilizasiona. Raha inoana anefa ny voalazan’ireo mpanoratra voatonona eo ambony, “ireo teratany any Aostralia izay mbola miaina amin’ny andron’ny vato noho ny fitokanany, dia mahagaga fa tsy voan’ny aretina firy. Raha ny marina, dia any amin’ireo fitambaran’olona faran’izay mivoatra ihany ny olona mandroso no manomboka manatona, noho ny fitsaboana, ny fahasalamana ananan’ny olona tsy mandroso indrindra eo amin’izao tontolo izao noho ny fahaterahany fotsiny”.

Notononin’i René Dubos sy Maya Pines ho ohatra koa ny amin’ny olona tsy “mandroso” loatra ny Mabaans any Soudan. “Miteraka fahagagana ao amin’ireo fitambaran’olona voakolokolon’ny fitsaboana indrindra ny halavan’ny androm-piainan’ny Mabaans, hoy ny nosoratan’izy ireo. Afa-tsy izany koa, ny fahakonkana mazàna miaraka amin’ny fahanterana dia azo lazaina hoe tsy fantatra eo amin’izy ireny. Vaka foana ny siansa eo anoloan’ny fahasalamana mahatalanjona ananan’ny Mabaans. Mila ho azo antoka anefa fa mandray anjara be dia be amin’izany ny faritra iainana tsy miovaova sy milamina.” Mba hanasoritana ny mety hahazava-dehibe ny toerana manodidina, dia manao izao fanamarihana izao koa io boky io: “Rehefa mandeha miorim-ponenana any Khartoum, tokony ho arivo kilaometatra avy eo aminy ny Mabaan iray, avy hatrany izy dia tafihin’ny aretina maro be tsy mbola hitany mihitsy hatreo.”

Mifanohitra amin’izany, ny fomba fiainantsika lazaina hoe ‘mandroso’ dia niteraka fandotoana ny rivotra sy ny rano, ny famonoana ala, ny fihoaran’ny isan’ny mponina sy ny tsy fahampian-tsakafo ho an’ny ankamaroan’ny mponina amin’ny gilaoby. Amin’ny tsy firaharahana ny toerana manodidina azy, dia simban’ny olombelona, tsy ny fahasalamany ihany, fa ny fisiany mihitsy. — Jereo Apokalypsy 11:18.

Tsy mahagaga àry raha lazaina indraindray ho “vokatra kelin’ny sivilizasiona” ny aretina. Milaza ny tenantsika ho mandroso isika satria tsy miaina intsony amin’ny maha-“olon-dia”, ao anatin’ny natiora. Maro amintsika tokoa no monina an-tanàn-dehibe izay ifampikasohana akaiky, ary indraindray aza dia mifanosona ara-bakiteny amin’ny hafa. Tsara anefa ny manamarika fa ny teny hoe “sivilizasiona” dia avy amin’ny teny latina adika hoe “citoyen” na “citadin”, izany hoe mponina ao amin’ireo tanàn-dehibe na “cités”. Fa avy aiza ny hevitra mihitsy hoe tanàn-dehibe?

Ny tanàn-dehibe voalohany resahina ao amin’ny Tantara dia ampahatsiahivina ao amin’ny Genesisy 11:4, izay amakiantsika toy izao: “Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika.’ ” Io volavolan-kevitra io, natao tamin’ny andron’i Nimroda, dia nifanohitra tanteraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra. Araka ny baiko nomen’Andriamanitra an’i Adama tokoa, dia tokony ‘hameno ny tany sy hampanompo azy’ ny olombelona. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy nilainy ny hiparitahana arakaraka ny nihamaroany. Tamin’ny tsy fetezana hanaraka izany fepetra izany indrindra no nanaovan’i Nimroda zavatra “nanohitra an’i Jehovah”. (Genesisy 10:9.) Ny fitarihany hanao zavatra tamim-pieboeboana dia nanampy ny fikomiana natao tany amin’ny saha Edena mba hanafainganana ny filentehan’ny olombelona tao anatin’ny fiharatsiana sy ny aretina ary ny fahafatesana.

Amin’izao andro izao koa, ny ankamaroan’ny aretina mamely an’ireo vahoaka manana dia avy amin’ny fomba fiainany mivantana.

Eo am-pikatsahana ny fahasalamana

Manam-pahefana maro no tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa tsy hisy fanasitranana ny aretin’ny olombelona amin’ny fampitomboana fotsiny ny fanafody, ny mpitsabo sy ny hopitaly, na dia tsy isalasalana aza fa mety hitondra fanamaivanana vetivety ny fandaharana toy izany. Raha ny marina, mba handaminana tanteraka ny zava-manahirana momba ny aretina dia tena ilaina ny hanovan’ny olona tanteraka ny fomba fiainany sy ny hiheverany ny toerana manodidina azy. Momba izany, tao amin’ny soratra amin’ny ambangovangony navoaka tamin’ny 1983 tamin’ny Andro iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, dia nanoratra toy izao ny dokotera Halfdan Mahler, tale lehibe ao amin’ny O.M.S. (Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana):

“Inona no azon’ny olona atao ho an’ny fahasalamany? Ho ohatra, dia afaka manao zavatra manokana sy ao amin’ny faritry ny fitambaran’olona izy mba hahazoana sakafo ampy mifanaraka amin’ny ilainy. Afaka miray hina izy ireo mba handraisan-tsoa faran’izay betsaka amin’ny rano madio ananany na mety hananany, ka mitandrina mba ho voaro amin’izay rehetra mety ho fandotoana izany. Azony atao ny mitaky mba hampiharana fitsipika ara-pitandremam-pahasalamana tsara ao amin’ny fonenany sy ao anatin’ny faritry ny fiainany, eny an-tsena sy ao amin’ireo magazay, any an-tsekoly, any amin’ny ozinina, any amin’ny toeram-pisakafoan’ny antokon’olona sy any amin’ireo hotely. Azon’izy ireny atao ny mianatra manisy elanelany ampy amin’ny fahaterahan’ny zanaka iriny hateraka mba hahatonga ny tsirairay avy amin’izy ireo ho afaka hanantena ny ho velona, handray fanabeazana tsara sy ho afaka hifaly amin’ny fahavelomana mendrika.”

Tsy azo lavina fa ny fandaharana toy izany dia mitondra fahasalamana ho an’ny rehetra. Voatery manontany tena toy izao anefa isika: ahoana no hataon’ireo mahantra monina ao amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana mba hiantohana ny sakafony, ny famatsiana azy amin’ny rano madio sy ny fitandremam-pahasalamana ao anatin’ny faritry ny fiainany? Aiza no hahitany ny vola sy ny fahaizana ilainy mba hahazoana izany zavatra ilaina izany?

Ny amin’io hevitra io, dia nanolotra izao hevitra mahaliana izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny fiasana ara-dalàn’ny O.M.S.: “Alao sary an-tsaina ny izao tontolo izao lavorary izay hanokanana ho an’ny fahasalaman’izao tontolo izao ny fahakingan-tsaina rehetra sy ny fananana ampiasaina ankehitriny amin’ny ady.” Inona no ho vokany? Ilay lahatsoratra resahina dia manombana ny lany amin’ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana ho eo amin’ny 600 lavitrisa dôlara isan-taona, izany hoe iray tapitrisa dôlara [efa ho 100 tapitrisa ariary] isa-minitra. Nefa kosa, “ny fiezahana manokana natao tao anatin’ny 14 taona (1967 ka hatramin’ny 1980) mba hanafoanana ny nendra dia tsy nandaniana afa-tsy 300 tapitrisa dôlara [tsy ampy 30 lavitrisa ariary]. Noho izany, dia nanatsoaka hevitra toy izao ilay lahatsoratra: “Miharihary tokoa fa raha toa ny vola lany ankehitriny amin’ny tafika ka natokana, na dia amin’ny ampahany ihany aza, ho amin’ny fiarovam-pahasalamana, ny fitsaboana aretina sy ny fikarohana ara-pitsaboana, amin’ny taona 2000 izao tontolo izao dia ho nanao dingana lehibe ho amin’ny fahasalamana hatraiza hatraiza.”

Ary ny mponina ao amin’ireo tany mandroso? Angamba izy ireo manana kokoa amin’ny lafiny sasany, nefa raha inoana ny tenin’ny dokotera Mahler, izy ireny koa dia tokony “hiseho hahay ny andraikiny raha ny amin’ny fahasalamana, amin’ny fihinanana amim-pahendrena, amin’ny fisotroana amim-pahalalana onony, amin’ny fifadiana tanteraka ny fifohana, amin’ny familiana fiarakodia amim-pitandremana, amin’ny fampiasan-tena, amin’ny fianarana mizaka ireo fihenjanana amin’ny fiainana an-tanàn-dehibe sy amin’ny fanazaran-tena amin’ireo lafiny isan-karazany ireo”.

Eo anoloan’ny fanamarihana toy izany, dia tsy azontsika ailika ireto fanontaniana ireto: Moa ve ireo firenena ho vonona ny hanova ny fitsipi-pitondrantenany ka hanome ny toerana voalohany indrindra ho an’ny fahasalamana? Hanaiky hamoy ny tsy fifanarahany ara-politika ve izy ireo ka hanambatra ny fananany sy ny fiezahany mba handresena ny aretina? Fa raha ny amin’ny vahoaka mihitsy, vonona ve izy ireny ny hiala amin’ny fomba fiainany mba hanaraka hafa iray hahasoa azy kokoa? Raha mihevitra ny zavatra tena misy ianao, dia tokony hanaiky fa toa tsy azo inoana loatra izany rehetra izany. Tsy hitranga mihitsy ny fahasitranana hatraiza hatraiza raha niankina tamin’ny olombelona.

Akaiky ny fahasitranana

Tokony hiantehitra amin’inona isika? Tadidio ny fahitan’ny apostoly Jaona zokiolona. Izao no filazalazana navelany ho antsika ny amin’izany:

“Ary izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.” — Apokalypsy 22:1, 2.

Ao amin’io sary ara-panoharana io, ny “onin’ny ranon’aina” dia mivoaka avy amin’ny “seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”. Miharihary amin’izany fa miankina amin’i Jehovah sy ny Fanjakana mesianikan’ny Zanany ny “fanasitranana ny firenena maro”. Rehefa dinihina, moa ve tsy araka ny fandrindran-kevitra izany? Andriamanitra no Mpamorona ny tenan’olombelona sy ny tany. Mihoatra noho ny manam-pahaizana rehetra, dia fantany izay tokony hataon’ny olombelona mba handresena ny aretina. Eo ambany fanapahan’ny Fanjakany, ny taranak’olombelona dia hafahana amin’ny fahalotoana mitondra aretina sy mahafaty mahavoa antsika ankehitriny. Hisotro sy hihavao noho ny “ranon’aina” madio sy manganohano toy ny krisitaly sy noho ny voa aman-dravin’ny “hazon’aina” (fitambaran’ireo fandaharana nataon’i Jehovah mba hahazoana ny fiainana mandrakizay) ny olona ka amin’ny farany dia ho sitrana amin’ny aretina ara-panahy sy ara-batana rehetraa. Hahita fahasambarana izy ireo amin’ny farany, hahita ny fahasalamana sy ny fahatanterahana nananan’i Adama sy Eva razambeny tamin’ny voalohany.

Akaiky ny fotoana handraisan’ny Fanjakan’Andriamanitra anjara mba ‘hanimbana izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 11:18.) Aorian’izany fisehoan-javatra izany, dia faminaniana ao amin’ny Baiboly maro no ho tanteraka ao amin’ilay paradisa tafaorina indray (Isaia 33:24; 35:5, 6). Izany dia mahaforona vaovao tsara ho an’ireo izay maniry hifaly amin’ny fahasalamana atolotr’Andriamanitra azy ireo. Tsy ho ela tokoa dia hiseho ny “tany vaovao” hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitany, dia ilay tany “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. — Apokalypsy 21:1, 4.

Moa ve ianao ho anisan’ireo izay ho tafita velona amin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra voaloto sy mikororosy ankehitriny mba hahita “tany vaovao” voadio? Raha hainao ny mampiasa amim-pahendrena ny fotoana sisa tavela ho anao mba hamantarana bebe kokoa ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy mba hanaovana izay takin’ny Mpamorona aminao, dia hahita ny andron’ny fahasitranana hatraiza hatraiza ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hahita fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa ny amin’ireo andininy ireo Ap 22:1, 2 ianao ao amin’ilay boky hoe “Babylone la Grande est tombée!” Le Royaume de Dieu a commencé son règne!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara