FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/97 p. 1
  • Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Izay mahita fahendrena dia mahita fiainana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • “Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Asa Soa Izay Mankalaza An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 1/97 p. 1

Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra

1 Tian’i Jehovah “ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”. (1 Tim. 2:4, NW ). Na dia misy heriny eo amin’ny olona aza ny fandovan-toetra sy ny fiaviany ary ny tontolo iainany, dia manana safidy malalaka izy ireo, ary samy afaka mifidy ny fomba hampiasany ny fiainany. Afaka manao izay tsara izy ireo ka ho velona, na afaka manao izay ratsy ka ho ringana. (Matio 7:13, 14). Inona no vokatry ny fahatakarantsika izany eo amin’ny fomba fijerintsika ny olona itondrantsika ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?

2 Tsy tokony hanombana mialoha isika hoe ny fahalianan’ny olona iray amin’ny fahamarinana dia miankina amin’ny anton-javatra toy ny firenena na ny kolontsaina niaviany na ny toerany ara-tsosialy. Ny fahamarinana dia afaka manintona an’ireo izay voafetra ny fianarana vitany na ireo izay lasa lavitra, an’ireo izay tafiditra ao amin’ny politika, ary koa ny mpiasa matihanina, ny tsy mino an’Andriamanitra, ny misalasala momba ny fisiany, ary na dia ny malaza ho mpanao ratsy aza. Ny olona avy amin’ny fiaviana sy ny saranga ara-tsosialy rehetra dia namela ny fitondran-tena narahiny teo aloha, ary ankehitriny dia tsara toerana mba hahazo ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Ohab. 11:19, NW ). Noho izany, dia tsy tokony hisalasala ny hitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny olona avy amin’ny saranga rehetra isika.

3 Diniho ireto ohatra ireto: Nikasa ny hamono ny raikeliny ny lehilahy iray, nefa tsy nahavita. Tatỳ aoriana izy dia nanapa-kevitra ny hamono tena, nefa tsy nahavita. Rehefa avy tany an-tranomaizina noho ny halatra sy ny varo-maizina zava-mahadomelina izy, dia rava ny fanambadiany. Amin’izao andro izao io olona io dia manana asa fivelomana madio, sy fanambadiana sambatra ary fifandraisana tsara dia tsara amin’ny raikeliny. Inona no nahatonga izany fahasamihafana izany? Niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nampihatra izay nianarany. Tsy nihevitra azy ho tsy azo avotana intsony i Jehovah.

4 Ny lazan’ny vehivavy tanora iray mpilalao sarimihetsika tao amin’ny televiziona dia tsy nitondra fahasambarana ho azy. Nanjary nanohina azy kosa anefa ny fitondran-tena tsara dia tsaran’ireo Vavolombelona, ka nanaiky fianarana Baiboly izy, ary tsy ela dia nanampy ny hafa hianatra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Na taiza na taiza nanaovany fanompoana isan-trano, dia fantatry ny olona izy. Nanazava tamim-pifaliana anefa izy fa tiany ny ho fantatry ny olona noho izy Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy noho izy mpilalao sarimihetsika.

5 Rehefa nandamina ny hianatra Baiboly tamin’ny olona iray nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny Vavolombelona iray, dia ren’ny mpifanila trano iray izany. Nanatrika ilay fianarana àry izy io. Takany avy hatrany fa io ilay fahamarinana notadiaviny hatramin’izay! Nanafoana ilay fahazoan-dalana hisara-panambadiana nomena azy ireo izy sy ny vadiny, ka nihavana indray. Tafalatsaka lalina tao anatin’ny astrolojia izy, no sady anisan’ny antokom-pivavahana nanao spiritisma. Tsy nihambahamba anefa izy nanary boky lafo vidy sy ny zavatra hafa rehetra nananany izay nifandray tamin’ny demonisma. Tsy ela izy dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana sy niresaka tamin’ny havany sy ny namany momba ny finoany vaovao. Ankehitriny izy dia mitory amin-kafanam-po amin’ny hafa.

6 Tsy tokony hitsara mialoha na iza na iza isika. Aoka kosa isika hizara ny vaovao tsara amin-jotom-po amin’ny olona hatraiza hatraiza. Manana ny antony rehetra hatokiana isika fa i Jehovah, izay “mijery ny fo”, dia ho “Mpamonjy ny karazan’olona rehetra”. — 1 Sam. 16:7; 1 Tim. 4:10, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara