FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/1 p. 26-27
  • Tanora Izay ‘Matoky An’i Jehovah’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tanora Izay ‘Matoky An’i Jehovah’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanolorana Fanompoam-pivavahana ho An’Andriamanitra Amin’ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • “Avy Amin’ny Vavan’ny Zazakely”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Manaiky ny vaovao tsara ireo any Belzika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Avy eo amin’ny fahaketrahana mankeo amin’ny fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/1 p. 26-27

Tanora Izay ‘Matoky An’i Jehovah’

IREO tanora dia tsy manana ho azy irery ihany ny hatsaran-tarehy, toy ny tsy ananan’ny be taona ho azy irery ihany ny fahendrena. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 11:22; Mpitoriteny 10:1.) Fa ireo izay manana hatsaran-tarehy maharitra sy tena fahendrena kosa dia ireo olona izay matoky an’i Jehovah ary milaza ny aminy amin’ny fo rehetra manao hoe: “Andriamanitro Hianao.” — Salamo 31:14; Ohabolana 9:10; 16:31.

Manerana izao tontolo izao dia misy vahoaka sesehena mihamitombo voaforon’ny olona manana hatsaran-tarehy, tanora sy antitra, izay mampiseho ny fahendreny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hevero, ohatra, i Sabrina valo taona.

Mipetraka any Alemaina i Sabrina ary mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Izy no Vavolombelon’i Jehovah voalohany mankany amin’io sekoly misy azy io. Mampalahelo fa izy no lasibatry ny faniratsiran’ireo mpiara-mianatra taminy ambara-pahatongan’ny andro izay nangatahan’ny mpampianatra an’ireo mpianatra mba hitondra ny boky tian’izy ireo indrindra ho any am-pianarana. Nanapa-kevitra ny hitondra Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly i Sabrina. Ny alina talohan’izay, na dia nahatsapa fanahiana aza izy, dia nanomana tsara ny fianarana. Koa satria nisy mpianatra 26 tao an-dakilasiny, dia fantany fa nety tsy hanam-potoana betsaka izy. Kanefa tapa-kevitra ny tsy hamela na iza na iza hanapaka ny famelabelarany izy ary natoky fa hanampy azy i Jehovah. Tamin’ilay andro voatondro, dia nanontany ilay mpampianatra hoe iza no nitondra boky ary naniry ny ho voalohany hampiseho izany. Nahagaga fa i Sabrina irery ihany no nitondra. Nitsangana teo anatrehan’ilay kilasy izy, ary nanomboka niteny sy namaky ary nampiseho ireo sary tao amin’ilay boky sady nanazava fa nifototra tamin’ny Baiboly ny zavatra rehetra tao anatiny. Tamin’ny famaranana dia nanontany izy hoe: “Iza no maniry hahazo itỳ boky itỳ?” Nanome boky iray ho an’ilay mpampianatra izy, ary nandritra ireo andro vitsivitsy nanaraka, dia nanome boky folo fanampiny ho an’ny sasany tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy. Ny hany fanamarihana nataon’ilay mpampianatra mikasika ilay famelabelarany dia hoe: “Mbola tsy nahita zavatra tahaka itỳ mihitsy aho.” Nomeny naoty ambony indrindra i Sabrina tamin’ny asany.

Raha ny marina dia tanora Vavolombelona maro no mpitory ny vaovao tsara falifaly any an-tsekoly. Ohatra hafa iray i Erika, mpitory 11 taona any Meksika. Nampianarina hatramin’ny fahazazany ho tia an’i Jehovah izy. Miavaka ny entimodiny. Ny iray tamin’ireo zavatra nampanaovina azy dia ny fanomanana fanazavana momba ny SIDA sy ny fahazaran-dratsy amin’ny sigara sy ny fisotro misy alkaola. Nanomana tsara izy, tamin’ny fampiasana ny gazety Mifohaza!, ka nahazo ny naoty ambony indrindra. Nanontany ny mpampianatra azy hoe taiza no nahazoany ilay fanazavana, ka nomeny ireo gazety izay mirakitra ireo lahatsoratra momba ireo foto-kevitra ireo. Tatỳ aoriana, dia nampiasa ireo gazety ireo ilay mpampianatra mba handinihana ireo foto-kevitra miaraka amin’ilay kilasy manontolo. Noho ny fitondran-tenan’i Erika sy ny fanajany ireo mpampianatra azy ary ireo naoty ambony azony, dia nanjary mendrika ny hahazo fanomezana sy diplaoma ary ampahany tamin’ny vatsim-pianarana izy. Mahatsapa anefa izy fa ny zava-bitany tsara sy lehibe indrindra dia ny nampahafantarany ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah sy ny nahafahany nametraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ary ny nanandratany ny anaran’Andriamanitra.

Avy eo dia ao i Shannon, zazalahy folo taona mipetraka any Nouvelle-Zélande. Ny masony ilany ihany no mahita tsara; nesorina noho ny homamiadana ny anankiray fony izy mbola zazakely. Rehefa fito taona i Shannon, dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny reniny. Kanefa, fotoana fohy taorian’ny nanombohany ny fianarana Baiboly, dia nanomboka niray trano tamin-dehilahy iray tsy nisy fisoratana ara-dalàna izy ary nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny fianarany. Niangavy ny hitohizan’ny fianarany Baiboly i Shannon. Nekena ny faniriany. Nanohy nitsidika ireo Vavolombelona, ary tamin’ny farany dia samy nianatra Baiboly avokoa izy telo mianaka sady nanao fandrosoana ara-panahy. Rehefa avy nisora-panambadiana ara-dalàna ny renin’i Shannon sy ny raikeliny dia natao batisa.

Indray andro dia tafaraka teny amin’ny asa fanompoana i Shannon sy ny vadin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nanontany an’i Shannon ny tompon-trano iray nanao hoe: “Fa naninona ny masonao?” “Voan’ny homamiadana izy io, ary voatery nesorina”, hoy ny navaliny. “Tsy ho ela dia hanome ahy iray vaovao i Jehovah ao amin’ny Paradisa, ary izany no nahatongavanay eto mba hiresaka aminao momba izany.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara