FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/2 p. 3-4
  • Fijaliana Be dia Be

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijaliana Be dia Be
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Feno “hasasarana sy fahoriana”
  • Anisan’ny fikasan’Andriamanitra ve?
  • Rehefa Tsy Hisy Intsony ny Fijaliana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Inona no Lazain’​ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Fanontaniana 3: Fa Maninona Aho no Avelanao Hijaly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/2 p. 3-4

Fijaliana Be dia Be

“NAHOANA no misy an’izao fijaliana mahatsiravina rehetra izao, mianjady amin’ny isam-batan’olona sy iombonan’ny rehetra (...)? Andriamanitra dia heverina ho fisehoana velon’ny antony isian’ny zavatra rehetra, nefa dia misy zavatra be dia be izay tsy misy heviny eo amin’itỳ tontolo itỳ, fijaliana tsy misy dikany sy ota tsy misy fotony be dia be. Moa ve tsy io Andriamanitra io angamba no nampangain’i Nietzsche ho tsy refesi-mandidy sy mpisandoka sy mpanambaka ary mpamono ho faty?” — On Being a Christian, nataon’i Hans Küng.

Hita fa i Hans Küng, teolojiana katolika, dia mampiseho fotsiny ny olana iray izay mahasanganehana olona maro — nahoana ny Andriamanitra tsitoha sy be fitiavana iray no mamela fijaliana be dia be toy izao hisy? Tsy efa nandre olona nametraka fanontaniana toy izany ve ianao? Na iza na iza manana fo mangoraka, dia mahatsiaro ho vonton’alahelo noho izay lazalazain’i Küng ho “ra, hatsembohana sy ranomaso, fahoriana, alahelo sy tahotra, fahatsiarovan-tena ho manirery sy fahafatesana, izay mikoriana tsy misy farany”. Raha ny marina, izany dia be itoviana amin’ny rian-drano, horohoro sy fangirifiriana mandifotra, izay nanimba ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro nandritra ny tantara rehetra. — Joba 14:1.

Feno “hasasarana sy fahoriana”

Eritrereto ny fijaliana ateraky ny ady. Tsy ireo niharam-pahavoazana nivantana tamin’izany ihany no mitondra fahoriana fa ireo sisa tavela vonton’alahelo koa, toy ireo ray aman-dreny sy havan’ireo ankizy niharam-pahavoazana sy ny hafa izay nisetrasetrana. “Tao anatin’ny 10 taona farany”, araka ny voalazan’ny Vokovoko Mena vao haingana, “dia 1,5 tapitrisa ny ankizy maty tamin’ny fifandonana nitanam-piadiana”. Tatsy Rwanda, tamin’ny 1994, dia nanao tatitra ny Vokovoko Mena fa “lehilahy sy vehivavy ary ankizy ana hetsiny maro no naripaka tamin-kabibiana sy tamin’ny fomba maty paika”.

Tsy tokony hodiantsika tsy hita koa ny fahoriana ateraky ny olom-betaveta mpanao firaisana amin’ankizy. Hoy ny nambaran’ny reny vonton’alahelo iray, izay nilaza fa namono tena ny zanany lahy rehefa avy novetavetain’ny mpiasa iray mpikarakara ankizy: “Ilay lehilahy nametaveta ny zanako lahy (...) dia nanimba azy mbamin’ny ankizilahy maromaro hafa, tamin’ny fomba faran’izay maty paika sy vetaveta azo saintsainina.” Ary ahoana ny amin’ny fahoriana mampitebiteby tsapan’ireo lasibatry ny mpamono olona maty eritreritra na mpamono olona amin’ny fomba misesisesy, toy ireo tratra tany Grande-Bretagne, izay “naka an-keriny sy nametaveta olona ary nampijaly sy namono olona, nandritra 25 taona nefa tsy voasazy”? Nandritra ny tantara rehetra dia toa tsy nisy fetra ny zavatra nifanaovan’ny lehilahy sy vehivavy teo amin’izy samy izy, raha ny amin’ny fampahoriana sy ny fampijaliana. — Mpitoriteny 4:1-3.

Manampy trotraka izany ny fijaliana ateraky ny aretina ara-pihetseham-po sy ara-batana ary ny fahoriana mahatsiravina entin’ny alahelo izay mandravarava ny fianakaviana rehefa misy olon-tiana maty aloha be. Eo koa ny fangirifiriana tsapan’ireo iharam-pahavoazana amin’ny mosary na loza hafa lazaina fa voajanahary. Vitsy no hanohitra ilay fanambarana nataon’i Mosesy hoe feno “hasasarana sy fahoriana” ny taona 70 na 80 iainantsika. — Salamo 90:10, Kat.

Anisan’ny fikasan’Andriamanitra ve?

Moa ve mety ho anisan’ny fikasan’Andriamanitra tsy takatry ny saina, araka ny filazan’ny sasany, io fahoriana tsy misy fitsaharany io? Moa ve isika tsy maintsy mijaly ankehitriny mba ho takatsika izany atao hoe fiainana ‘ao amin’ny tontolo manaraka’ izany? Marina ve, araka ny ninoan’i Teilhard de Chardin, filozofa frantsay, fa “ny fijaliana izay mahafaty sy mahalo, dia tena ilain’ny olombelona mba hahavelona azy sy hahatongavany ho fanahy”? (The Religion of Teilhard de Chardin; izahay no manao sora-mandry.) Tsy izany velively!

Moa ve ny mpamolavola iray feno fiheverana, hinia hamorona tontolo iray mahafaty, ary avy eo dia hilaza ho mangoraka rehefa manafaka olona amin’ireo vokatr’izany? Tsy izany velively! Nahoana ny Andriamanitra be fitiavana iray no hanao zavatra toy izany? Koa nahoana àry Andriamanitra no namela ny fijaliana hisy? Hifarana ve ny fijaliana indray andro any? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Sarin’ny OMS, nalain’i P. Almasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara