Tendrombohitra Athos — “Tendrombohitra Masina” Ve?
HO AN’IREO mpikambana maherin’ny 220 tapitrisa ao amin’ny Eglizy Ôrtôdôksa, dia “tendrombohitra masina indrindra eo amin’ny tontolon’ny Kristianina ôrtôdôksa” ny Tendrombohitra Athos, izay tanjona iray minifintsofa, any avaratr’i Gresy. Nofinofy ankamamin’ny maro amin’izy ireo ny fanaovana fivahiniana masina any Athos, ilay “tendrombohitra masina”. Inona io “tendrombohitra masina” io? Ahoana no nanjary nampahalaza azy io toy izany? Ary moa ve izy io ilay “tendrombohitra” tokony hitodihan’ny olona matahotra an’Andriamanitra mba hahazoana tari-dalana ara-panahy, sy mba hanaovana fanompoam-pivavahana marina?
Tena hita ao amin’ny Baiboly tokoa ilay fitenenana hoe “tendrombohitra masina”. Izy io dia ampifandraisina amin’ilay fanompoam-pivavahana masina sy madio ary ambony izay atolotra ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Nanjary “tendrombohitra masina” ny Tendrombohitra Ziona tany Jerosalema fahiny, fony i Davida Mpanjaka nitondra ny fiaran’ny fanekena tao. (Salamo 15:1; 43:3; 2 Samoela 6:12, 17). Rehefa tafaorina teo amin’ny Tendrombohitra Moria ny Tempolin’i Solomona, dia nanjary nahafaoka ilay faritra nisy ny tempoly i “Ziona”, ka nitoetra ho “tendrombohitra masina”. (Salamo 2:6; Joela 4:17). Koa satria tao Jerosalema ny tempolin’Andriamanitra, dia nantsoina koa hoe “tendrombohitra masina” ho an’Andriamanitra io tanàna io indraindray. — Isaia 66:20; Daniela 9:16, 20.
Ahoana ny amin’izao andro izao? Moa ve ny Tendrombohitra Athos, na izay mety ho tendron-kavoana hafa, no ilay “tendrombohitra masina” izay tsy maintsy itanjozoran’ny olona mba hanolorana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra amin’ny fomba azo ekena?
“Tendrombohitra masina” feno mônasitera
Eo amin’ny farany atsinanana amin’ny Saikinosy Chalcidique no misy ny Tendrombohitra Athos. Izy io dia eo amin’ny tendron’ny andilan-tany tery iray izay mandroso mankao amin’ny Ranomasina Égée, eo atsinanana kelin’i Thessaloníki ankehitriny. Tampon-tendrombohitra marbra mahatalanjona izy io, ary mitsatoka be ny fisondrony avy ao anaty ranomasina ka tafakatra hatrany amin’ny 2 032 metatra ny haavony.
Noheverina hatramin’ny ela ho toerana masina i Athos. Tao amin’ny angano grika, dia izy io no fonenan’ireo andriamanitra, talohan’ny nahatongavan’ny Tendrombohitra Olympe ho fonenan’izy ireo. Nanjary toerana masina ho an’ireo fiangonana kristianina i Athos tamin’ny fotoana iray, taorian’i Constantin Lehibe (taonjato fahefatra am.f.i.). Araka ny lovan-tsofina iray, dia niantsona tao Athos, vokatry ny tafio-drivotra mahery namely tampoka, hono, i Maria “virjiny” niaraka tamin’i Jaona Mpanoratra Evanjely, raha teny an-dalana hankany Chypres izy ireo mba hitsidika an’i Lazarosy. Talanjona tamin’ny hakanton’ilay tendrombohitra, hono, izy, ka nangataka azy io tamin’i Jesosy. Noho izany, dia nanjary fantatra koa tamin’ny hoe “ny Zaridainan’ny Virjiny Masina” i Athos. Teo antenatenan’ny vanim-potoana byzantin, dia nanjary fantatra ho Tendrombohitra Masina ilay dongom-bato manontolo. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy io anarana io ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny didy navoakan’ny Emperora Constantin IX Monomaque izany, tamin’ny 1046 am.f.i..
Noho i Athos minifintsofa sy mitokana, dia karazan-toerana mety tsara mba hanaovana fampihafian-tena izy io. Nandritra ny taonjato maro izy io dia nanintona lehilahy tia fivavahana avy any amin’ny faritra rehetra manerana ny tontolo ôrtôdôksa. Tao ny avy any Gresy, Serbia, Romania, Boligaria, Rosia sy ny hafa, izay nanorina mônasitera maro be. Samy nanana ny egliziny sy ny vondron’olona niaraka taminy avy, izy ireny. Tokotokony ho 20 amin’izany no mbola misy any.
Tendrombohitra Athos amin’izao andro izao
Faritra mizaka tena i Athos amin’izao andro izao, ary manana ny sata mifehy azy izay natao nanan-kery tamin’ny 1926. Rehefa avy nihena nandritra ny taona maro ny isan’ireo moanina nonina tany, dia niakatra ho 2 000 mahery.
Ny mônasitera tsirairay dia samy manana toeram-piompiana sy chapelle ary trano fonenana, ary mifandray izy telo ireo. Ny toerana masina lavitra indrindra misy ireo mpitoka-monina, dia hita any amin’ny vohitra kelin’i Karoúlia, miteronterona avo dia avo eny amin’ny hantsam-bato mahafanina, eo amin’ny tendron’ny Tendrombohitra Athos. Misy fitambaran-trano bongo mifanety any, ary ny hany fomba ahatongavana eny dia amin’ny alalan’ny lalan-kely mifampidipiditra be, sy ny tohatohabato ary ny rojo vy. Any Athos, dia mbola manao ny litorjia tranainy fanao isan’andro ihany ireo moanina, ka mampiasa ny famantaranandro byzantin (manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ny andro), sy ny kalandrie jolianina (tara 13 andro amin’ny kalandrie gregôrianina).
Na dia voalaza aza fa vehivavy iray no nahatonga io toerana io ho “masina”, dia efa hatramin’ny 1 000 taona izao no nanambaran’ireo moanina sy mpitoka-monina any, fa voarara tsy hiditra eo amin’ilay saikinosy manontolo rehefa mety ho zava-miaina vavy — na olona na biby — sy rehefa mety ho ionoka na lehilahy tsy be volombava. Tsy ela izay, dia nohalefahina ireo fitsipika mahakasika ireo lehilahy tsy be volombava sy ireo biby vavy, kanefa dia mbola hentitra ihany ny fandrarana ny vehivavy tsy ho eo amin’ny 500 metatra manodidina ny morontsirak’i Athos.
“Tendrombohitra masina” ho an’ny rehetra
I Athos ve ilay “tendrombohitra masina” izay tokony halehan’ireo Kristianina matahotra an’Andriamanitra, mba hanolorana fanompoam-pivavahana? Nino ny vehivavy samaritanina iray fa Andriamanitra dia tokony hotolorana fanompoam-pivavahana teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima. Raha niresaka tamin’izy io i Jesosy, dia nilaza mazava fa tsy hisy intsony tendrombohitra ara-bakiteny hotondroina ho toerana fanolorana fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra. “Avy ny andro ka tsy [any Gerizima], na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray”, hoy i Jesosy. Nahoana? “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” — Jaona 4:21, 24, izahay no manao sora-mandry.
Raha nanondro ny androntsika i Isaia mpaminany, dia nambarany mialoha fa “ny tendrombohitra” ara-panoharana iray “misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana”, ary ny olona avy amin’ny firenena rehetra dia hitanjozotra ara-panoharana hankany. — Isaia 2:2, 3.
Asaina hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah amin’ny “fanahy sy ny fahamarinana” ireo lehilahy sy ireo vehivavy izay maniry hanana fifandraisana amin’Andriamanitra, dia fifandraisana ankasitrahany. Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nahita ny lalana mankany amin’ilay ‘tendrombohitr’i Jehovah’. Miombom-pihetseham-po amin’ilay mpisolovava grika izay niteny toy izao momba an’i Athos, izy ireo, mbamin’ny hafa koa: “Tsy inoako hoe voahidy anaty rindrina na any amin’ny mônasitera ny fitiavam-pivavahana.” — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:24.
[Efajoro, pejy 31]
Tahirin-java-tsarobidy Niafina Hatramin’ny Ela
Tao anatin’ny taonjato maro, ireo moanina any Athos dia nahangona tahirin-java-tsarobidy. Tafiditra amin’izany ireo sora-tanana izay tombanana ho 15 000 ny isany, ka ny sasany dia voalaza fa efa hatramin’ny taonjato fahefatra. Izany no mahatonga azy io ho anisan’ireo mitahiry zava-tsarobidy indrindra maneran-tany. Ao ny horonam-boky, ny boky manontolo sy pejy sasantsasany anisan’ny Filazantsara, ny salamo sy ny hira fiderana an’Andriamanitra, ankoatra an’ireo sary hoso-doko sy sary masina ary sary sokitra sy zavatra voatefy vita tamin’ny metaly izay samy tena tranainy avokoa. Heverina fa ny Tendrombohitra Athos no manana ny ampahefatr’ireo sora-tanana grika maneran-tany, na dia maro amin’izy ireny aza no mbola ilaina halahatra araka ny tokony ho izy ao anaty lisitra. Tamin’ny 1997, dia sambany ireo moanina vao mba namela ny sasany tamin’ny tahirin-java-tsarobidiny hampirantina tany Thessaloníki.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Telis/Greek National Tourist Organization