FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/04 p. 4
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mihevitra Ireo Bokintsika ho Sarobidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ampiasao Tsara ny Boky sy Gazety
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Ahoana no Atao Rehefa Mitory eny An-dalana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 12/04 p. 4

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Tiantsika ny haneho fahendrena rehefa mampiasa ireo boky sy gazety. Inona avy àry no fanitsiana tokony hatao rehefa mizara azy ireny eny an-dalana?

Tsara raha efa eny an-tanantsika ny boky na gazety tiana hapetraka, rehefa mitory eny an-dalana. Ny hiresaka vetivety amin’ny olona no tokony ho tanjontsika. Ho fantatra amin’izay raha liana izy ka te hamaky ny gazetintsika. Tena tsara raha afaka manasongadina lahatsoratra iray isika. Mety ho azo hazavaina koa fa mpiasa an-tsitrapo isika, fa tsy mpivarotra boky, ary atao maneran-tany ny asantsika, izay tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Voatery miara-mandeha amin’ilay olona ny mpitory indraindray sady miresaka momba izay raketin’ilay gazety sy ny soa entiny.

Tokony hahay hanavaka sy handanjalanja anefa isika. Mety ho maika be ny ankamaroan’ny olona hitantsika eny an-dalana, ka sarotra ny mamantatra raha liana izy na tsia. Amin’izay, dia aleo manome taratasy mivalona fotsiny mba hanairana ny fahalianany. Raha mifanena amintsika indray izy any aoriana, ka afaka miresaka kely, dia azo omena gazety.

Ho fantatry ny olona isika raha tsy miovaova ny toerana sy ny fotoana anaovantsika ilay fitoriana. Mety ho faly hiresaka amintsika izy amin’izay, ka ho fantatra raha liana na tsia.

Tiantsika ny haneho fahendrena rehefa mampiasa ireo boky sy gazety. Tokony hofantarintsika àry ny fotoana tsara hanomezana azy ireny. Ho afaka hanolokolo fahalianana isika, raha manao izany, sady hanana fotoana hanazavana momba ny asantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara