Aoka isika hiantsoroka ny andraikitsika hanao soa amin’ny hafa
1 Nananatra ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany toy izao ny apostoly Paoly: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa.” (Heb. 13:16, MN). Ny ezaka hataon’izy ireo mba hanampiana ireo rahalahiny na dia ao anatin’ny toe-javatra manahirana aza dia vao mainka hanamafy ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fifankatiavany. (Jaona 13:35). Isika koa dia ampirisihina mba hanao soa sy hizara amin’ny hafa.
2 Mba hahafahantsika hanao izany, dia nanao fandaharana i Jehovah mba hamahanana antsika tsara sy hanomezana antsika fitaovana ampy tsara eo amin’ny ara-panahy. Fanazavana tondraka toy inona moa no azontsika ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tsirairay! Hafaliana toy inona moa no tsapantsika mamaky ny nomerao tsirairay fotoana fohy araka izay azo atao aorian’ny nandraisantsika azy! Amin’ny fisaintsainana momba ireo fanazavana araka ny Soratra masina, dia azontsika atao ny manisy fiheverana ireo hevitra hampiasaintsika eo amin’ny asa fanompoana ary koa eo amin’ny resaka ifanaovantsika amin’ny hafa. Toy izany koa, dia azontsika atao ny maka ny fotoana ilaina avy amin’ireo ampiasaina amin’ny asa hafa mba hanomanana ny fivoriana tsirairay avy ary indrindra fa ny fandinihana Ny Tilikambo Fiambenana atao isan-kerinandro. Manampy antsika hamboly “ny sain’i Kristy” ny fianarantsika manokana ny Tenin’Andriamanitra ary mahatonga antsika ho afaka hizara izay mahasoa amin’ireo olona hitantsika. — 1 Kor. 2:14-16, MN; Sal. 19:14.
3 Ireo andraikitra mendrika ny hekena: Izay rehetra manjary tia an’i Jehovah dia manolotra ny fiainany ho azy. Amin’ny fanekena ireo andraikitra mifandray amin’ny fanoloran-tena, isika dia mampiseho fa miandany amin’i Jehovah ary nisaraka tamin’ny tontolon’i Satana sy ny fombany manimba. Amin’ny fanarahana ny môdely navelan’i Kristy Jesosy, dia manome ohatra tsara dia tsara hotahafin’ny hafa isika. (1 Pet. 2:21, MN). Ireo fandaharana amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany toy ilay nalamina ho an’ny taom-piasana 1992 ka manana ny lohahevitra hoe “Aoka isika hifoha hatrany sy hitana ny fijoroantsika”, dia mampirisika antsika hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika.
4 Ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona dia mamela antsika hifampizara hevitra mampahery. Ny fianarantsika manokana sy ny fanomanantsika ireo fivoriana dia manome antsika fanazavana tsara betsaka izay azontsika zaraina amin’ny hafa. Mampandroso rivo-piainam-pianakaviana mafana sy feno fisakaizana ny fampisehoana fiheverana manokana ny hafa toy izany. Amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriana, isika dia mampiseho fa tena manaiky tokoa ireo tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny Hebreo 10:24, 25 sady manaiky ny andraikitsika hampahery ny hafa.
5 Miezaha mba handroso ka hahazo andraikitra fanampiny: Mandritra ny taom-piasana 1992, moa ve isika afaka miezaka mba handroso ka hahazo andraikitra fanampiny, toy ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy na mandavantaona? Toy izay hihevitra be loatra ilay ora takina, nahoana isika raha mampifantoka ny saina amin’ny fahafahana handray anjara betsaka kokoa amin’ny asa fijinjana? (Jaona 4:35, 36). Hanampy antsika hanatsara ny fahaizantsika eo amin’ny fanompoana ny fiarahana miasa tsy tapaka amin’ny mpitory tsotra sy mpitory maharitra mahay. Manome fandrisihana mahasoa ho an’ny kongregasiona koa ny fitomboan’ny isan’ny mpitory maharitra mpanampy. Raha azo atao, nahoana raha mangataka ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona na manao fandaharana mba ho mpitory maharitra mpanampy tsy tapaka na imbetsaka araka izay azo atao amin’ity taona ity?
6 Misy andraikitra atolotra tsy misy fihambahambana an’ireo mpikambana lahy ao amin’ny kongregasiona nanolo-tena sy vita batisa ka mahafeno fepetra. (1 Tim. 3:1-10, 12, 13). Ny rehetra kosa dia afaka mampiseho ny fahavononany hanompo amin’ny fanomezana valinteny noeritreretina tamim-pitandremana tsara any amin’ireo fivoriana, amin’ny fandraisana anjara amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, ary amin’ny fanekena hanao fampisehoana na anjara hafa amin’ny Fivoriana momba ny asa. Na dia ireo ankizy aza dia afaka ny ho fakan-tahaka amin’ireo fomba ireo ary koa amin’ny fitondrantenany any amin’ny Efitrano Fanjakana. Afaka manampy izy ireo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny antokon’olona miara-manao fianarana ny boky misy azy rehefa nahazo ny fanendrena hanadio ny Efitrano Fanjakana na hikarakara zavatra hafa ilaina toy izany izy ireo. — kmMG 5/76 p. 1, 7.
7 Naneho ny fahavononany hanaiky ny andraikitra hanao soa amin’ny hafa i Jesosy tamin’ny teny hoe: “Mety aho”. (Lioka 5:12, 13). Amin’ny fanarahana ny ohatra nomeny, isika koa dia afaka mampirisika sy manampy ireo rahalahintsika, ireo olona liana ary ireo olona tso-po hitantsika eo amin’ny asa fanompoana mba hifanerasera tsy tapaka amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ny fanekentsika ny andraikitsika “hanao soa amin’ny olona rehetra” dia mitaky fanaovana ezaka amim-pahatapahan-kevitra ary angamba fahafoizan-tena manokana avy amin’ny tenantsika. (Gal. 6:10). Kanefa, rehefa mahita ny soa vita noho izany isika, dia afaka miray hevitra amin’i Paoly izay nilaza hoe: “Fanatitra [fahafoizan-tena, MN] toy izany no sitrak’Andriamanitra”. — Heb. 13:16.