Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Aoka isika hanomboka fampianarana amin’ny alalan’ny fanolorana mivantana
1 Nanome baiko antsika mba ‘hanao mpianatra’ i Jesosy. (Matio 28:19). Ny fanatanterahana izany mazàna dia mitaky ny hanombohana fampianarana Baiboly amin’ireo olona liana. Afaka manampy antsika hahavita izany haingana ny fampiasana ny fomba mivantana mba hanombohana fampianarana Baiboly eo amin’ny fanompoana isan-trano. Izany koa dia afaka manampy mba hampahafantarana mazava ny iray amin’ireo zava-kendrena lehibe indrindra rehefa mitsidika olona isika.
2 Inona no azontsika lazaina rehefa mampiasa ny fanolorana mivantana mba hanomboka fampianarana Baiboly isika? Ny fanombohan-dresaka tsotra dia tsotra no tsara indrindra. Azontsika atao ny milaza hoe: “Liana ny hanampy olona hahatakatra ny voalazan’ny Baiboly aho ary ho faly ny hiara-mianatra azy io aminao sy ny fianakavianao atỳ an-tokantranonao tsy misy vola haloa na zavatra tsy maintsy hatao amin’izany. Afaka mampiasa ny Baibolinao isika. Raha tsy manana ianao, dia afaka mitondra iray ho anao aho.”
3 Mety ho toy izao ny fanombohan-dresaka hafa iray: “Ny zava-kendreko rehefa mitsidika anao aho anio dia ny hampirisika anao hanana fianarana Baiboly atỳ an-tokantranonao, ka izany dia hanampy anao hahatakatra izay hiafaran’ity tontolo ity sy izay nomanin’Andriamanitra ho antsika. Ho faly aho hampiseho aminao ny fomba handraisanao soa betsaka indrindra avy amin’ny Baibolinao. Tsy misy zavatra tsy maintsy hataonao na vola haloanao amin’izany.” Raha manaiky ilay tompon-trano, dia azonao atao ny mampiasa ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao na ny boky Fiadanana sy filaminana.
4 Ampiasao ireo taratasy mivalona ara-baiboly: Maro no nahita fa manampy ireo taratasy mivalona rehefa mampiasa ny fanolorana mivantana izy ireo. Rehefa tonga eo am-baravarana ilay tompon-trano, dia omeo ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao mivelatra izy mba hahafahany hahita ilay sary manontolo. Manàna taratasy mivalona hafa iray eny an-tananao, ary vakio na ataovy araka ny fomba fiteninao ireo fanontaniana ao amin’ireo fehintsoratra roa voalohany. Miresaha momba ny valiny, ary mamakia andinin-teny iray na roa ho fanohanana izany. Avy eo dia lazao fa nahafinaritra anao ilay fifampiresahana, ary manaova fandaharana mba hiverenana. Hazavao fohy ny fandaharam-pampianarana Baiboly any an-tokantrano ataontsika, raha misy maha-mety izany, na manaova fandaharana fotsiny mba hiverenana hitsidika azy sy handinihana hevitra fanampiny ao amin’ilay taratasy mivalona.
5 Rehefa manao fandaharana mba hiverenana ianao, dia tsara raha manonona zavatra izay heverinao fa hahaliana ilay tompon-trano. Azo atao amin’ny alalan’ny fanontaniana izany. Izany dia hamela ilay tompon-trano hiandry amim-panantenana ny fitsidihanao manaraka rehefa hovaliana ilay fanontaniana.
6 Koa aoka àry isika rehetra hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hanombohana fampianarana ary handray anjara amin’ilay asa nanendrena antsika mba ‘hanao mpianatra’. — Matio 24:14; 28:19, 20; Marka 13:10.