Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Mety ve ny manome fandraisana anjara rehefa mitondra antsika amin’ny fiarany ny hafa?
Ny sasany amintsika dia ao anatin’ny toe-javatra izay mitaky ny hiankinantsika amin’ny hafa mba hahazoana fanampiana mba hanatrehana ireo fivoriana sy handraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, tsy tapaka. Rahalahy sy anabavy maro no misahirana manokana amin-katsaram-panahy sy mampiasa amim-pitiavana ny fotoanany sy ny fiarany ary ny fananany hafa, mba hitondrana antsika. Na dia mety ho voatery hiomana aloha kokoa noho ny tokony ho izy ary ho ela kokoa vao tafody aza izy ireo, dia mitondra antsika amim-pahavononana.
Toy ny amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fanompoantsika kristiana, dia mihatra ilay fotopoto-pitsipika hita ao amin’ny Galatiana 6:5, manao hoe: “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” Noho izany, raha mitondra tsy tapaka antsika ny olona iray, isika dia tokony hampiseho ny fankasitrahantsika, tsy amin’ny tenintsika fotsiny, fa, raha azontsika atao koa, amin’ny fanomezana fandraisana anjara antonona, mba hanampiana amin’ny fandoavana ny fandaniana amin’izany. — Matio 7:12; 1 Kor. 10:24.
Na dia tsy mangataka fanampiana ara-bola aza ilay olona mampiasa ny fiarany ary toa tsy mila izany, ny fanolorana fandraisana anjara amim-pahatsoram-po dia ankasitrahana foana. Mety tsy handray na inona na inona ilay mitondra ny fiara; ary mazava ho azy fa tokony ho fanapahan-keviny izany. Mety anefa ny hanaovanao ny fanolorana. Raha tsy afaka manome na inona na inona ianao amin’izay fotoana izay, dia afaka mitadidy azy io ao an-tsaina ianao; mety ho afaka hanolotra bebe kokoa ianao amin’ny fotoana manaraka hitaingenana ilay fiara. — Lioka 6:38.
Tena fanehoam-pitiavana avy amin’ireo manana fiara ny mitondra ny hafa izay mety ho tsy afaka hanatrika fivoriana na handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, raha tsy izany. (Ohab. 3:27). Amin’izay fotoana izay koa, dia fanehoam-pitiavana avy amin’ireo mandray soa avy amin’ny hatsaram-panahy toy izany ny maneho ny fisaorany amin’ny fanomezana fandraisana anjara, arakaraka ny toe-javatra misy azy. — Kol. 3:15.