FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/96 p. 2
  • “Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Mikatsaha Fiadanana Araka An’Andriamanitra ao Amin’ny Fiainam-pianakaviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fizarana Amin’ny Hafa ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Fanampiana Ireo Fianakaviana Hahazo Antoka fa Hanana Hoavy Maharitra Izy Ireo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mivory Ireo Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 12/96 p. 2

“Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety”

1 Mamelombelona toy inona moa izany hoe mahazo fanampiana amin’ny fotoana ilantsika azy indrindra! (Heb. 4:16, NW ). Tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, dia faly isika rehefa nomena fandaharam-panampiana manokana roa amin’ny fotoana mety indrindra.

2 Ilay boky vaovao hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana dia tonga tamin’ny fotoana mety. Mifantoka amin’ny zavatra efatra tena ilaina izay mampandroso fiainam-pianakaviana sambatra izy io: 1) ny fifehezan-tena, 2) ny fanekena ny fahefan’izay lohany, 3) ny fifampiresahana tsara, ary 4) ny fitiavana. Ny fananarana omena ao amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana dia hanampy ny fianakaviana rehetra izay mampihatra azy io hahita fiadanana araka an’Andriamanitra. Manokàna fotoana hamakiana amim-pitandremana ilay boky vaovao sy hianarana azy io miaraka amin’ny maha-fianakaviana. Ataovy izay ifankazaranao tsara amin’ireo lafin-javatra ao anatiny mba ho voaomana ianao hampiasa azy io amin’ny fomba mandaitra rehefa atolotra voalohany amin’ny sarambabem-bahoaka izy io amin’ny Martsa.

3 Ilay bokikely vaovao hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? dia tonga tamin’ny fotoana mety mba hanampiana hanafainganana ny asa fanaovantsika mpianatra. Na dia mety hampiasaina indrindra mba hanampiana olona tsy tena mahay mamaky teny aza izy io, ireo olon-dehibe sy ankizy madinika maro mahay mamaky teny koa dia handray soa avy amin’ny fanazavana tsotra ao anatiny momba ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Mety ho izy io indrindra no ilaina mba hanombohana fampianarana ho dingana fiampitana ho amin’ny boky Fahalalana. Io fandaharana io dia azo antoka fa hanampy maro kokoa hahatakatra ny fomba ahafahany mandray fitahiana tondraka amin’ny fanaovana izay takin’Andriamanitra.

4 Naneho tanteraka ny fihetseham-pontsika i Davida rehefa nanambara fa ‘tsy nanan-java-mahory izy, velombelona ny fanahiny ary feno dia feno ny kapoakany!’ (Sal. 23:1, 3, 5). Isika dia miandrandra amim-pifaliana ny hampita io fanampiana ara-panahy mahatalanjona io amin’ny maro hafa izay maniry amim-pahatsorana hahalala sy hanompo an’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara