FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/13 p. 3-6
  • Manàna Herim-po Hiverenana Mitsidika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Herim-po Hiverenana Mitsidika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampiasa An’ireto Bokikely Ireto ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Fomba Azo Ampiasana ny Bokikely Voalazan’ny Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Hanolotra Bokikely Vaovao Isika!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 12/13 p. 3-6

Manàna Herim-po Hiverenana Mitsidika

1 Tia manao fiverenana mitsidika ve ianao? Be dia be ny mpitory tia manao an’izany. Mety hampahatahotra anefa ilay izy amin’ny voalohany, indrindra raha tsy dia liana ilay olona tamin’ny ianao nitory taminy. Rehefa ‘misikina herim-po amin’ny alalan’Andriamanitra’ anefa ianao ka miverina mitsidika, dia mety ho gaga hoe tsy sarotra akory ilay izy ary ahitana vokatra. (1 Tes. 2:2) Nahoana?

2 Tsy mitovy mihitsy ny miverina mitsidika sy ny mitory. Efa hitanao ny olona iverenanao mitsidika fa tsy hoe olona mbola tsy fantatrao mihitsy. Mora kokoa ny miresaka amin’olona efa hitanao noho ny miresaka amin’olon-tsy fantatra. Inona kosa no vokatra tsara mety ho azo? Mety hianatra Baiboly ilay olona iverenana mitsidika.

3 Misy olona tsy liana rehefa itoriantsika nefa mbola miverina mitory aminy foana isika rehefa mitory isan-trano. Nahoana? Fantatsika fa miova ny fiainan’ny olona, ka raha misy olona tsy liana na manohitra mihitsy aza rehefa itoriana, dia mety ho liana ihany izy amin’ny manaraka. Manomana tsara sy mivavaka amin’i Jehovah àry isika mba hanohina ny fon’ny olona ny zavatra holazaintsika.

4 Iverenantsika itoriana foana na dia ny olona tsy liana aza, rehefa mitory isan-trano isika. Tsy vao mainka ve isika tokony hitsidika ny olona liana? (Asa. 10:34, 35) Fiverenana mitsidika 280 000 isam-bolana no ataontsika eto Madagasikara nefa afaka manao fiverenana mitsidika 500 000 isika. Manana fampianarana Baiboly 77 000 mahery mantsy isika isam-bolana, ary mizara boky 23 000 mahery sy bokikely 120 000 mahery ary gazety 600 000 mahery.

5 Maro amintsika no ao amin’ny fahamarinana satria nisy mpitory niverimberina nitsidika antsika. Raha anisan’izany koa ianao dia saintsaino izao: ‘Ahoana no fahitan’ilay mpitory ahy tamin’ny voalohany? Tonga dia nanaiky an’ilay fitoriana ve aho, sa hoatran’ny tsy taitra?’ Tokony ho faly isika satria noheverin’ilay mpitory fa tokony hiverenana tsidihina. ‘Nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitra’ izy, ka niverina nitsidika antsika ary nampianatra antsika ny fahamarinana. Ahoana indray raha misy olona liana amin’ny voalohany nefa mandosindositra antsika izy rehefa tsidihina? Ilaina ny toe-tsaina tsara rehefa jerena ity fitantarana ity.

6 Nitory teny an-dalana ny anabavy roa, indray maraina, ary niresaka tamin’ny vehivavy manan-janaka kely. Nandray gazety ilay vehivavy, ary nanasa azy ireo ho any an-tranony ny alahadin’iny. Rehefa tonga tany ireo mpitory dia nilaza ilay vehivavy fa tsy manam-potoana indray. Nampanantena anefa ilay vehivavy fa handray azy ireo ny herinandro manaraka. Tsy nanantena ireo mpitory ireo hoe hitana ny teniny ilay vehivavy. Efa niandry azy ireo anefa izy. Nianatra Baiboly izy ary nandroso haingana be. Nivory tsy tapaka izy, tsy ela taorian’izay, ary nitory. Efa vita batisa izy izao.

7 Milazà hevitra horesahina amin’ny manaraka, dieny eo am-pitoriana: Matetika no miankina amin’izay resahina rehefa mitory no mampahomby ny fiverenana mitsidika. Henoy tsara ilay olona itoriana, ary fantaro izay mahaliana azy. Liana amin’ny resaka fivavahana ve, ohatra, izy, sa amin’ny resaka fahasalamana, sa asa, sa ny fiovan’ny vidim-piainana, sa ny fitomboan’ny heloka bevava? Afaka mametraka fanontaniana mampirisika azy hilaza ny heviny ianao amin’ny faran’ilay fitoriana, ary milaza fa hamaly an’ilay izy avy ao amin’ny Baiboly rehefa miverina.

8 Raha tian’ilay olona, ohatra, ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny Paradisa, dia mety ho izay ihany no hotohizinao amin’ny manaraka. Afaka manontany azy ianao amin’ny faran’ilay fitoriana hoe: “Nahoana isika no mino fa tena hotanterahin’Andriamanitra izany?” Lazao azy avy eo hoe: “Afaka mandalo aho amin’ny manaraka, rehefa ato daholo ianareo, dia hasehoko anareo izay lazain’ny Baiboly momba an’izany.”

9 Mandraisa naoty marina tsara ary tehirizo izany: Tokony ho ampy sy marina tsara ny fanazavana soratanao rehefa mitory isan-trano ianao. Soraty avy hatrany ny anaran’ilay olona sy ny adiresiny raha vao misaraka aminy ianao. Aza vinavinaina fotsiny ny adiresiny fa hamarino. Soraty ny mombamomba an’ilay olona, ny foto-kevitra noresahinao taminy, ny andinin-teny novakinao, ny boky na gazety nomenao azy, ary ny fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. Soraty koa ny andro sy ny ora nitorianao taminy ary ny fotoana nomenao azy. Rehefa feno ilay fandraisana an-tsoratra dia tandremo sao very. Ampirimo tsara ilay izy mba ho azonao jerena amin’ny manaraka. Eritrereto foana ilay olona sy izay horesahinao aminy rehefa hiverina hitsidika azy ianao.

10 Fantaro ny tanjonao: Voalohany, ataovy izay tsy hahasadaikatra an’ilay olona ka miezaha misariaka. Asehoy hoe tena miahy azy ianao, nefa aza miseho ho efa mifankazatra be aminy. Faharoa, ampahatsiahivo azy ny fanontaniana napetrakao teo aloha. Henoy tsara izy ary derao amim-pahatsorana. Farany, asehoy hoe nahoana no mahasoa ny hevitra avy ao amin’ny Baiboly. Raha mety, dia iresaho foto-kevitra iray mifandray amin’izany avy ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! izy. Tadidio foana fa ny hampianatra Baiboly no tena tanjonao rehefa miverina mitsidika.

11 Mivantana be ny zavatra lazaina ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara. Maro amintsika àry no lasa nanana “herim-po” hampirisihana ny mpianatra Baiboly hivory sy hiaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah. Fahazarantsika taloha ny mampianatra ny olona imbetsaka, izay vao manasa azy hivory. Maro amin’ny mpianatra Baiboly anefa izao no tonga dia mivory na dia vao manomboka mianatra aza, ka lasa mandroso haingana kokoa.

12 Nitory tsy ara-potoana tamin’ny mpiara-miasa taminy ny mpivady iray. Rehefa hitan’izy ireo hoe liana ilay lehilahy dia nasainy hianatra Baiboly tamin’ny boky Ampianarina. Nolazain’izy ireo tamin’ilay olona koa hoe tokony hivory izy, satria hovaliana any daholo ny ankamaroan’ny fanontaniany. Tsy hoe nanaiky hianatra Baiboly fotsiny ilay lehilahy fa lasa nianatra indroa isan-kerinandro mihitsy, ary nanomboka nivory tsy tapaka tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

13 Afaka milaza toy izao ianao rehefa manasa olona hianatra Baiboly amin’ny fiverenana mitsidika: “Azontsika jerena ao amin’ny Baiboly ny valin’ny fanontaniana mety hahaliana anao, raha manam-potoana kely ianao.” Apetraho aminy avy eo ny fanontaniana iray ao amin’ny pejy farany amin’ny bokikely Vaovao Tsara. Raha nisy maty, ohatra, ny havan’ilay olona dia afaka milaza ianao hoe: “Fantatsika fa nanangana ny maty i Jesosy taloha. Inona kosa no hataony ho an’ny maty, amin’ny hoavy? Mamaly an’izany ny lesona faha-6 hoe: ‘Mbola ho hitantsika ve ireo havantsika nodimandry?’ ” Mety hahaliana ny olona tia fivavahana koa ny lesona faha-12 hoe: “Tianao ve ny ho akaiky an’Andriamanitra?” Ny fianakaviana kosa mety ho te hahafantatra hoe: “Tianao ho sambatra ve ny fianakavianao?”, ao amin’ny lesona faha-9. Mety hahaliana ny olona koa ireto fanontaniana ireto: “Ahoana no ahafantaranao hoe iza no fivavahana marina?”, ao amin’ny lesona faha-10, na hoe “Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?”, ao amin’ny lesona faha-7.

14 Ampio ny olona miteny vahiny: Ahoana indray ny amin’ny olona miteny vahiny? Izay fiteny tena hainy no tokony hampianarana azy, raha azo atao. (1 Kor. 14:9) Azon’ny mpitan-tsoratra alefa any amin’ny biraon’ny sampana daholo ny Tsidiho Azafady (S-43) omen’ny mpitory. Mety tsy hisy fiangonana na antoko-mpitory mampiasa an’ilay fiteny eny amin’ny manodidina, ary mety tsy hisy mpitory mahay an’ilay fiteny koa ao amin’ny fiangonana. Ahoana àry no ampianarana an’ilay olona? Afaka mampiasa ny bokikely Vaovao Tsara amin’ny fiteniny sy amin’ny fitenin’ilay olona ny mpitory.

15 Aza mangataka andro: Firy andro aorian’ny fitoriana ianao no tokony hiverina mitsidika? Ny ampitso na ny afakampitson’ny andro nitoriany ny mpitory sasany no miverina mitsidika, fa ny hafa kosa ny androtr’iny ihany. Aloha loatra ve izany? Matetika no tsy mampaninona ny olona izany. Ny mpitory fotsiny no mila miezaka mba hanana toe-tsaina tsara kokoa sy fahasahiana kely. Diniho ireto fitantarana ireto:

16 Nisy mpitory 13 taona nahatazana vehivavy roa rehefa nitory isan-trano. Zava-dehibe taminy ilay fampirisihana hoe tokony hitory foana na aiza na aiza ahitana olona, ka nanatona azy ireo izy. Liana izy ireo ary samy nandray boky Ampianarina ka nalainy ny adiresiny. Notsidihiny izy ireo ny afakampitson’iny ary samy nampianariny Baiboly.

17 Manome fotoana ny olona itoriany foana ny anabavy iray hoe hiverina izy afaka herinandro. Mandalo ao amin’ilay olona anefa izy, ny ampitson’iny na ny afakampitson’iny ary manatitra gazety momba ny zavatra noresahiny taminy. Miteny amin’ilay olona izy hoe: “Nahita an’ity lahatsoratra ity aho dia nieritreritra hoe mety ho tianao ny hamaky azy. Mbola maika aho izao, fa hiverina aho amin’ilay fotoanantsika amin’ny alarobia hariva. Mbola afaka ianao amin’io an?”

18 Azo antoka fa hisy hanohitra ny olona liana amin’ny fahamarinana. Raha tsy mangataka andro anefa isika fa miverina mitsidika azy ireny haingana, dia hanampy azy hiatrika ny fanoheran’ny havany sy ny namany ary ny olon-kafa izany.

19 Ahoana ny amin’ireo nitoriana teny amin’ny toerana be olona? Maro amintsika no tia mitory eny an-dalana, eny an-tsena, any anaty fitateram-bahoaka, ary any an-toeran-kafa. Mila manampy ny olona liana hitantsika any amin’ireny toerana ireny koa isika fa tsy hoe manome boky na gazety fotsiny. Tokony hataontsika àry izay ahazoana ny anarana sy ny adiresin’ilay olona ary ny nomeraon-telefaoniny koa raha mety. Tsotra kely ny mangataka an’ireo fa mety tsy ho arakaraka ny eritreretinao. Rehefa hifarana ny resakareo dia raiso ny fandraisana an-tsoratrao ary anontanio izy hoe: “Ahoana no hihaonantsika amin’ny manaraka dia hotohizintsika iny resaka iny?” Na koa hoe: “Misy lahatsoratra mety hahaliana anao any, fa aiza ianareo no mipetraka dia hateriko any ilay izy.” Misy rahalahy iray manontany fotsiny hoe: “Azonao omena ahy ve ny nomeraonao?” Nilaza izy fa tao anatin’ny telo volana, dia nanaiky nanome nomerao daholo izay noresahiny, afa-tsy olona telo.

20 Fitoriana sy fiverenana mitsidika an-telefaonina: Mampiasa telefaonina ny anabavy mpisava lalana iray mba hitoriana amin’ny trano misy mpiambina eo am-bavahady. Angatahiny any amin’ilay mpiambina ny anaran’ilay tompon-trano ary anontaniany koa ny toeram-piasan’ilay olona na ny nomeraony. Hoy izy rehefa miantso amin’ny voalohany: “Fantatro hoe tsy mahafantatra ahy ianao. Miezaka miresaka amin’olona eny aminareo momba ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly aho. Raha manam-potoana kely ianao dia mba tiako hovakina aminao ity andinin-teny ity. ...” Rehefa avy mamaky an’ilay andinin-teny izy, dia milaza hoe: “Tsy hahafinaritra ve ny hahita an’izany ho tanteraka? Faly aho namaky an’iny andinin-teny iny taminao. Fa raha mbola tianao dia afaka miantso anao aho amin’ny manaraka, ary hiresaka andinin-teny hafa indray isika.” Mbola amin’ny telefaonina ihany no anaovany an’ilay fiverenana mitsidika.

21 Rehefa miantso indray izy dia mampahatsiahy an’ilay olona ny resak’izy ireo farany, ary milaza fa te hamaky andinin-teny momba ny hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa tsy hisy intsony ny faharatsiana. Miresaka foto-kevitra fohy avy ao amin’ny Baiboly amin’ilay olona izy avy eo. Olona 35 tamin’ireo nitoriany an-telefaonina no nanasa azy tany an-tranony, ary olona 7 no nianatra Baiboly.

22 Tsidiho ny olona any amin’ny toeram-pivarotana: Tsy hoe manolotra gazety fotsiny no atao rehefa mitory amin’ny mpivarotra. Be dia be ny mpivarotra liana amin’ny fahamarinana ka tokony hampiana. Azo atao indraindray ny miresaka foto-kevitra avy ao amin’ny Baiboly aminy, na mampianatra Baiboly azy eo amin’ny toeram-pivarotany. Mety ho afaka hifanao fotoana amin’ny fiatoana amin’ny antoandro ianareo, na amin’izay fotoana mety aminy.

23 Nisy mpiandraikitra mpitety faritany nitory tamin’ny mpivarotra teo amin’ny tsenakely iray ary nanasa azy hianatra Baiboly. Rehefa nanontanian’ilay mpivarotra izy hoe mety ho adiny firy izany, dia namaly izy hoe 15 minitra fotsiny. Nasian’ilay mpivarotra soratra àry teo amin’ny tsenany hoe: “Mivoha Afaka 20 Minitra.” Naka seza roa hipetrahana izy, ary nianatra ny fehintsoratra dimy voalohany ao amin’ny boky Ampianarina izy ireo. Nahaliana azy ny zavatra nianarany ka nanatrika ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana izy ny alahadin’iny. Nanaiky hanohy hianatra Baiboly izy ny herinandro manaraka.

24 Raha hanasa olona hianatra Baiboly ao an-tsenany ianao, dia afaka miteny hoe: “Azoko aseho anao ao anatin’ny 15 minitra ny fomba fampianaranay Baiboly, raha tianao.” Aza atao mihoatra ny 15 minitra ilay izy avy eo. Tsara kokoa raha any an-tranony ilay mpivarotra no resahina raha tsy manam-potoana izy any am-pivarotany.

25 Tsidiho foana ilay olona na tsy nandray gazety aza: Raha vao liana kely fotsiny ilay olona dia tsidiho na tsy nandray boky sy gazety aza. Nahita ramatoa sariaka be ny anabavy iray rehefa nitory isan-trano. Tsy nety nandray gazety mihitsy anefa ilay ramatoa. Hoy ilay anabavy: “Nieritreritra azy foana aho nandritra ny andro maromaro ary tapa-kevitra ny hitsidika azy indray.” Nivavaka àry ilay anabavy ary nisikina herim-po ka nandondòna ny varavaran’ilay ramatoa. Gaga izy fa nampandrosoan’ilay ramatoa. Nianatra Baiboly izy tamin’izay ary mbola nianatra koa ny ampitson’iny. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ilay ramatoa tatỳ aoriana.

26 Mahaiza mandamina mialoha: Tokony hanokana fotoana hanaovana fiverenana mitsidika isika isan-kerinandro. Hahavita zavatra be isika raha mahay mandamina mialoha. Rehefa hitory isan-trano ianao, dia ataovy amin’iny andro iny koa izay fiverenana mitsidika tokony hatao ao amin’ilay faritany.

27 Nilaza ireo nahita vokatra tamin’ny fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly fa zava-dehibe ny miahy ny olona sy mieritreritra azy foana, na dia aorian’ny niresahana taminy aza. Tena ilaina koa ny miresaka hevitra mahaliana avy ao amin’ny Baiboly sy ny milaza zavatra horesahina amin’ny fiverenana mitsidika, alohan’ny hisarahana amin’ilay olona itoriana. Ankoatra izany, dia zava-dehibe ny miverina haingana any amin’ilay olona mba ho liana foana izy. Aza hadinoina mihitsy hoe ny hampianatra Baiboly no tanjontsika.

28 Ilaina ny herim-po rehefa miverina mitsidika. Inona no hanampy antsika hanana herim-po? Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘amin’ny alalan’Andriamanitsika’ no ananantsika “herim-po” hiresahana ny vaovao tsara. Raha mila herim-po àry ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hanampiany anao. Manaova zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataonao ka tsidiho daholo ny olona liana. Hotahin’i Jehovah ianao amin’izay.

[Efajoro, pejy 6]

Ahoana no Atao Raha Te Hahita Vokatra Amin’ny Fiverenana Mitsidika?

■ Mahaiza miahy ny olona.

■ Mifidiana hevitra mahaliana avy ao amin’ny Baiboly.

■ Ataovy tsy andriny izay hitohizan’ny resaka amin’ny manaraka.

■ Eritrereto foana ilay olona aorian’ny nitoriana taminy.

■ Miverena mitsidika azy, iray na roa andro aorian’ilay fitoriana.

■ Tadidio foana hoe ny hampianatra Baiboly no tanjonao.

■ Mivavaha mba hanananao herim-po hiverenana mitsidika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara