Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Jona
“Araka ny hevitrao, mampifankatia sy mampihavana ve ny fivavahana sa mampifankahala sy mampiady? [Avelao izy hamaly.] Tiako haseho anao ity hevitra mahaliana ity.” Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey, ary diniho miaraka aminy ny fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy 16. Mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba hamaliana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey
“Maro no mino fa tokony hitsabaka amin’ny politika ny fivavahana. Ny hafa indray mieritreritra fa tsy tokony hiaraka mihitsy ireo. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay nataon’i Jesosy rehefa nasain’ny olona nanao politika izy. [Vakio ny Jaona 6:15.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana izy no nanao izany, ary inona no fomba tsara indrindra anampian’ny Kristianina ny mpiara-belona aminy.”
Mifohaza! Mey
“Saika ny olona rehetra no efa niharan’ny tsy rariny. Araka ny hevitrao, mety hisy vahaolana momba an’izany ve? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ity faminaniana ity momba ny mpitondra iray hamarana ny tsy rariny. [Vakio ny Salamo 72:11-14.] Mampanantena ny Baiboly fa hanjaka ny rariny amin’ny hoavy, ary izany no resahin’ity gazety ity.”