FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 33:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Koa mba raiso re ny fanomezana nentina ho anao, izay tsodrano avy amiko e!+ Efa nankasitraka ahy mantsy Andriamanitra, ka manana ny zava-drehetra aho.”+ Dia mbola nisisika ihany izy, ka noraisin’i Esao izany.+

  • 1 Samoela 25:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Avy hatrany i Abigaila+ dia lasa haingana naka mofo roanjato, sy siny lehibe roa feno divay,+ sy ondry dimy efa voakarakara,+ sy voam-bary natono+ indimin’ny seha,* sy mofo zato vita tamin’ny voaloboka maina,+ ary mofo roanjato vita tamin’ny aviavy noporetina.+ Ary napetrany teo ambonin’ny ampondra izany.

  • 1 Samoela 30:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Rehefa tonga tao Ziklaga i Davida, dia nandefasany tamin’ny zavatra azo babo ireo namany+ anti-panahin’i Joda, ka hoy izy: “Ity misy fanomezana+ ho fisaorana anareo, avy amin’ny zavatra azo babo tamin’ny fahavalon’i Jehovah.”

  • 2 Mpanjaka 5:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Koa niverina tany amin’ilay lehilahin’Andriamanitra+ izy mbamin’izay rehetra tao an-tobiny, ka nijoro teo anatrehan’i Elisa, ary nanao hoe: “Fantatro tokoa izao fa tsy misy Andriamanitra na aiza na aiza eto an-tany, afa-tsy eto amin’ny Israely ihany.+ Koa mba raiso, azafady, ny fanomezana ho fisaorana+ avy amin’ny mpanomponao.”

  • Ohabolana 18:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ny fanomezana ataon’ny olona dia manokatra lalana maro ho azy,+ ka mahatonga azy ho eo anatrehan’ny olona ambony.+

  • Ohabolana 25:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Raha noana izay mankahala anao dia omeo hanina, ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny.+

  • Ohabolana 25:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Fa hampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao raha manao izany,+ ary i Jehovah hamaly soa anao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara