FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Rota 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Nihinana sy nisotro i Boaza tamin’izay, ka faly ny fony.+ Dia nandeha natory teny an-tsisin’ny antontam-bary izy. Ary nitsaitsaika i Rota, ka nesoriny ny lamba nandrakotra ny tongotr’i Boaza. Dia natory teo izy.

  • 1 Samoela 25:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Dia tonga tany amin’i Nabala i Abigaila. Nanao fanasambe tao an-tranony ralehilahy tamin’izay, toy ny fanasan’ny mpanjaka.+ Ary falifaly ny fon’i Nabala, sady mamo+ be izy. Koa tsy nilaza na inona na inona taminy ravehivavy, na kely na lehibe, mandra-paharainan’ny andro.

  • Estera 1:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tamin’ny andro fahafito, raha iny falifaly azon’ny divay iny ny fon’ny mpanjaka,+ dia nilazany i Mehomana sy Bizta sy Harbona+ sy Bigta sy Abagta sy Zetara ary Karkasa, tandapa fito lahy nanompo+ teo anatrehan’i Ahasoerosy Mpanjaka,

  • Salamo 104:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Sy divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty,+

      Mba ho mandimandin’ny menaka ny tarehiny.+

      Ny tany koa no ahazoan’ny olona mofo ho tohan’aina.+

  • Mpitoriteny 2:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Namantatra ny atao hoe hadalana aho, ka namalifaly ny tenako tamin’ny divay,+ nefa mbola ny fahendrena ihany no nitarika ahy.+ Eny, namantatra ny atao hoe hadalana aho mandra-pahitako hoe inona no tsara ho an’ny zanak’olombelona, amin’izay ataony etỳ ambanin’ny lanitra, mandritra ny androm-piainany.+

  • Mpitoriteny 10:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Mitondra fifaliana ho an’ny mpiasa ny sakafo ary maharavoravo ny divay,+ fa ny vola kosa no ahazoana ny zava-drehetra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara