FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 32:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ary hoy ralehilahy: “Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely,*+ satria efa nitolona+ tamin’Andriamanitra sy tamin’olona ianao, ka nandresy.”

  • Genesisy 33:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Dia nanorina alitara teo izy, ary ny anaran’ilay alitara nataony hoe Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely.+

  • Genesisy 35:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary hoy Andriamanitra taminy: “Jakoba no anaranao.+ Tsy atao hoe Jakoba intsony anefa ny anaranao, fa hatao hoe Israely.” Dia nataony hoe Israely ny anarany.+

  • 2 Mpanjaka 17:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Araka ny fivavahany taloha ihany no nataon’izy ireo mandraka androany.+ Tsy nisy natahotra an’i Jehovah,+ na nitandrina ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany,+ mbamin’ny lalàna+ sy ny didy+ nomen’i Jehovah ny taranak’ilay Jakoba+ novany anarana hoe Israely,+

  • Isaia 48:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 48 Henoy izao, ry taranak’i Jakoba, dia ianareo izay maka ny anarana hoe Israely,+ eny, ianareo avy amin’ny loharanon’i Joda,+ sy mianiana amin’ny anaran’i Jehovah+ ary miresaka momba an’ilay Andriamanitry ny Israely,+ nefa tsy manao izany amim-pahatsorana sy amim-pahamarinana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara