4 ka tsy mitondra izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ mba hanolotra izany ho fanatitra ho an’i Jehovah, eo anoloan’ny tranolain’i Jehovah, dia ho toy ny meloka ho nandatsa-dra izy. Nandatsa-dra ilay olona, ka haringana tsy ho eo amin’ny fireneny.+
6 Any no hanateranareo ny fanatitra dorana,+ sy ny sorona, sy ny ampahafolon-karena,+ sy ny fanomezan’ny tananareo,+ sy ny fanatitra fanefana voady,+ sy ny fanatitra an-tsitrapo,+ ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.+