FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 8:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia haely ireny, eny, haely eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary izay rehetra eny amin’ny lanitra, izay samy tian’izy ireo sy tompoiny sy ivavahany+ sy katsahiny ary iankohofany.+ Tsy hangonina na halevina ireny taolana ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.”+

  • Jeremia 32:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Hiditra ato amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina mpanafika azy, ka handrehitra sy handoro azy.+ Hodorany koa ny trano izay nanolorana fanatitra teny an-tampony, izany hoe nanolorana setroka ho sorona ho an’i Bala, sady nandrarahana fanatitra zava-pisotro ho an’andriamani-kafa mba hampahatezitra ahy.’+

  • Jeremia 44:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Izay teny rehetra efa nolazainay ihany no hotanterahinay,+ ka hanolotra setroka ho sorona ho an’ilay ‘mpanjakavavin’ny lanitra’ izahay,+ ary handraraka fanatitra zava-pisotro+ ho azy, hoatran’ny efa nataonay+ sy ny razanay+ sy ny mpanjakanay+ ary ny andriananay, tao amin’ireo tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Voky hanina sy niadana izahay tamin’izany, ary tsy nisy loza nanjo anay mihitsy.+

  • Zefania 1:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Haringako koa ireo mankeny an-tampon-trano mba hiankohoka amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ sy ireo miankohoka+ ka mianiana amin’ny anaran’i Jehovah+ sady mianiana amin’ny anaran’i Malkama,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara