FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 17:44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 Hoy koa izy tamin’i Davida: “Avia ialahy etỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon’ialahy.”+

  • Jeremia 7:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Ny fatin’ity vahoaka ity dia ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia, ary tsy hisy hampangovitra an’ireny.+

  • Jeremia 34:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Eny, hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy izy ireo.+ Ary ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.+

  • Ezekiela 32:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Havelako eny an-tanety ianao, ary hatsipiko eny an-tsaha.+ Hamponeniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary hataoko voky anao ny bibidia eran-tany.+

  • Ezekiela 39:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Hiampatrampatra eny amin’ireo tendrombohitr’i Israely ianao+ sy ny miaramilanao rehetra ary ny firenena miaraka aminao. Ary homeko ho sakafon’ny vorona mpihaza sy ny karazam-borona rehetra ary ny bibidia ianao.”’+

  • Apokalypsy 19:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 mba hihinananareo ny nofon’ny+ mpanjaka sy ny nofon’ny mpitari-tafika sy ny nofon’ny lehilahy mahery+ sy ny nofon’ny soavaly+ mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny rehetra, na olona afaka na mpanompo, na kely na lehibe.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara