Joba
15 Dia namaly i Elifaza Temanita hoe:
3 Very maina ny fanitsiana am-bava fotsiny,
Ary tsy mahasoa raha teny fotsiny.
4 Noho ny ataonao, dia manjary tsy misy ny tahotra an’Andriamanitra,
Ary mihena ny fisaintsainana momba azy.
5 Ny fahadisoanao no mampianatra ny vavanao,
Ary ny lelan’ny fetsy no fidinao.
7 Ianao angaha no nateraka voalohany tamin’ny olombelona?+
Sa talohan’ny havoana+ no nahaterahanao tao anatin’ny fanaintainana?
8 Angaha ianao mandre ny resaka tsiambaratelo ataon’Andriamanitra?+
Sa feranao ho anao irery ihany ny fahendrena?
9 Fa inona moa no fantatrao ka tsy mba fantatray?+
Ary inona no hevitra takatrao ka tsy mba takatray koa?
11 Tsy ampy anao ve ny fampiononan’Andriamanitra,
Na ny teny lazaina aminao amim-pahalemem-panahy?
12 Nahoana ianao no tarihin’ny fonao tsy hisaina intsony?
Ary nahoana ny masonao no tezitra?
13 Manohitra an’Andriamanitra ianao,
Ka manao teny tsy voahevitra.
16 Koa mainka fa izay olona maharikoriko sy manao ny tsy marina,+
Dia olona misotro ny tsy fahamarinana toy ny fisotro rano!
17 Hilaza zavatra aminao aho, ka henoy!+
Hitako izany ka avelao hotantaraiko.
18 Resahin’ny olon-kendry+ izany,
Ary azony avy tamin’ny razany ka tsy nafeniny.
19 Izy ireo ihany no nomena ny tany,
Ary tsy nisy vahiny nandalo teo aminy.
20 Mijalijaly ny ratsy fanahy mandritra ny androm-piainany,
Eny, mandritra ny taona rehetra atokana ho an’ny olon-dozabe.
21 Feo mampahatahotra no tsy afaka ao an-tsofiny.
Ary tafihin’ny mpandroba izy amin’ny fotoam-pilaminana.+
23 Mirenireny mitady sakafo izy. Aiza anefa no misy?+
Fantany tsara fa efa tena akaiky ny andro maizina.+
24 Mampihorohoro azy foana ny fahoriana sy ny tebiteby,+
Ary tonga hamely azy toy ny mpanjaka vonon-kanafika izany.
25 Koa satria izy maninjitra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra,
Sady te hiseho ho ambony kokoa noho ilay Mahery Indrindra,+
26 Ary manao an-ditra miriotra hiady Aminy,
Miaraka amin’ny foitran’ampingany matevina,
27 Ary satria koa ataony matavitavy ny tarehiny,
Sady ataony matavy ny andilany,+
28 Dia mitoetra ao amin’ny tanàna izay hofoanana izy,
Ao amin’ny trano tsy hipetrahan’olona intsony,
Izay efa voatokana ho lasa korontam-bato.
29 Tsy ho lasa mpanankarena izy, sady tsy hitombo ny harenany,
Ary tsy hitatra manerana ny tany ny fananany.+
30 Tsy ho afaka ao amin’ny haizina izy.
Ho maina ny sampany, azon’ny lelafo,
Ary ho levon’ny fofonain’Andriamanitra izy.+
31 Aoka izy tsy ho voafitaka hatoky zava-poana,
Fa zava-poana ihany no ho azony, ho setrin’izany.
32 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia ho tanteraka izany.
Ary tsy handrobona ny sampany.+
33 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy,
Ary ho tahaka ny hazo oliva manintsana ny felany.