Mbola Manam-pinoana ve ny Olona?
“Nisy mpifamofo 30 nanatrika fivoriana [katolika] momba ny fiomanana ho amin’ny fanambadiana. Telo monja no nilaza fa nanam-pinoana.”—La Croix, gazety katolika frantsay.
MANDIA fotoan-tsarotra ny fivavahana. Izao no fanontaniana teo amin’ny fonon’ny gazetiboky anglisy iray, tamin’ny 12 Jolay 1999: “Maty ve Andriamanitra?” Araka ny valin-tenin’ilay gazetiboky, dia toa maty tokoa Izy any amin’ny faritra andrefan’i Eoropa. Nandamina synoda tany Roma ny Eglizy Katolika, tamin’ny Oktobra tamin’io taona io ihany. Izao no tatitra nataon’ny gazety frantsay iray momba izany: ‘Hitan’ny Eglizy fa tena sarotra ny mampita ny hafany eo anivon’ny firenena nanjary ‘tsy tia mainty’ an’izany. Tsy miray saina intsony ny Fivavahana Katolika any Italia. Misy toerana fanomezana torohevitra momba ny fanalana zaza any Alemaina, ka miteraka adihevitra be izy ireny. Vao mainka izany mampisaraka ny papa amin’ireo mihevitra fa manana zo hifidy izay tiany hatao ny rehetra. Tsy te hiherika didy jadona intsony mantsy izy ireo. Misy mpandinika milaza fa ny fialan’[i Holandy] tampoka tamin’ny Kristianisma, no mahatonga azy ho sahy milefitra amin’ny fitondran-tena tsy eken’ny besinimaro, sy hanaiky ny famonoana ireo marary tsy azo avotana intsony.’
Izany koa no hita any an-toeran-kafa. Tamin’ny 1999, dia nilaza i George Carey, Arsevekan’i Cantorbéry, fa madiva hanjavona ny Eglizy Anglikanina. Teo ambanin’ny lohateny hoe “Ny Faran’i Eoropa Kristianina”, dia hoy ny gazety frantsay Le Figaro: “Izany no hita hatraiza hatraiza . . . Misalasala ny amin’ny fitsipi-pitondran-tena sy ny foto-pinoana ny olona.”
Mihena ny isan’ny mpiangona
Mihena be ny isan’ny mpiangona any Eoropa. Latsaka ny ampahafolon’ny Frantsay Katolika monina ao Paris no mamonjy Lamesa isan’alahady. Ny antsasak’izany monja aza no mandeha miangona tsy tapaka. Mitovy amin’izany na latsaka noho izany, ny isan’ny mpiangona any Royaume-Uni sy Alemaina ary Skandinavia.
Ny fihenan’ny isan’ireo milatsaka ho pretra no tena mampanahy ny mpitondra fivavahana. Nitotongana ny isan’ny pretra any Frantsa tao anatin’ny 100 taona latsaka. Nisy pretra 14 ho an’ny mponina 10 000 teo aloha, nefa 1 ho an’ny 10 000 izy izao. Mihantitra ny pretra manerana an’i Eoropa, ary tsy ampy ny isan’izy ireo na dia any amin’ny tany toa an’i Irlandy sy Belzika aza. Mihena koa ny isan’ny ankizy mianatra katesizy, ka manjary mampisalasala be ny hisian’ny mpikambana vaovao ao amin’ny Eglizy Katolika.
Toa tsy matoky ny fivavahana intsony koa ny olona. Nampiseho izany ny fanadihadiana natao tamin’ny Frantsay, teo anelanelan’ireo taona 1980 sy 2000. Hita fa 6 isan-jaton’ny Frantsay sisa no mino fa “ao amin’ny fivavahana iray ihany no ahitana ny marina”, nefa 15 isan-jato izy ireo tamin’ny 1981, ary 50 isan-jato tamin’ny 1952. Mitombo ny olona tsy miraharaha fivavahana. Nitombo ho 42 isan-jato ny olona milaza ho tsy manana fivavahana tamin’ny 2000, raha 26 isan-jato izany tamin’ny 1980.
Miova ny fiheveran’ny olona ny fitsipi-pitondran-tena
Hita taratra eo amin’ny fitondran-tenan’ny olona koa fa mihena ny herin’ny fivavahana. Maro ny mpiangona tsy manaiky ny fitsipi-pitondran-tena apetraky ny egliziny, araka ny efa voalaza tetsy aloha. Tsy ekeny hoe manana zo hametra izay fitondran-tena tsara sy ratsy ny mpitondra fivavahana. Mankasitraka ny hevitry ny papa momba ny zon’olombelona ny vahoaka, nefa tsy manaiky izay lazainy rehefa ny fiainan’izy ireo no voakitikitika. Tsy miraharaha ny hevitry ny papa momba ny fanabeazana aizana, ohatra, ny olona maro, ary na dia ny mpivady katolika aza.
Samy manana izany toe-tsaina izany na ny mpivavaka na ny tsy mpivavaka, avy amin’ny saranga samy hafa. Leferin’izy ireo ny fanao lazain’ny Soratra Masina mazava fa ratsy. Roapolo taona lasa izay, dia 45 isan-jaton’ny Frantsay no tsy nankasitraka ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Valopolo isan-jato izao no mihevitra izany ho azo ekena. Mihevitra koa ny ankamaroan’ny Frantsay fa tokony hifampatoky ny mpivady, nefa ny 36 isan-jaton’izy ireo monja no milaza fa tsy azo alan-tsiny mihitsy ny fanitsakitsaham-bady.—Romana 1:26, 27; 1 Korintiana 6:9, 10; Hebreo 13:4.
Fivavahana misafotofoto
Mitombo ny isan’ny olona any Eoropa sy Amerika Avaratra, izay mihevitra fa zony ny mifidy izay zavatra tiany hinoana. Ekeny ny foto-pinoana sasany, fa ny hafa kosa ailikiliny. Misy milaza tena ho Kristianina, nefa mino hoe teraka indray ao anaty vatana vaovao ny olona aorian’ny fahafatesana. Misy koa ny manaraka fivavahana maro samy hafa indray miaraka. (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4, 20; Matio 7:21; Efesiana 4:5, 6) Araka ilay fanadihadiana natao tamin’ny Frantsay ihany, dia mpino maro ankehitriny no miala tanteraka amin’ny lalana narahin’ny eglizy.
Mampidi-doza anefa io fironana hifidy izay zavatra tiana hinoana io. Araka ny hevitr’i Jean Delumeau, mpahay tantara ara-pivavahana sy mpikambana ao amin’ny Institut de France, dia tsy afaka mamorona ny fivavahany ny tsirairay, nefa tsy hiankina amin’izay fivavahana efa mijoro. Hoy izy: “Tsy ho velona ny finoana, raha tsy mifototra tsara amin’ny fivavahana iray.” Tokony hanome fitsipika mahasoa ny fivavahana ary tsy maintsy miaina mifanaraka amin’izany ny mpivavaka ao aminy. Aiza anefa no ahitana izany fifanarahana izany eto anivon’ity tontolo miovaova ity?
Mampahatsiahy antsika ny Baiboly, fa Andriamanitra no mamaritra izay fitsipi-pitondran-tena mety sy tsy mety, na dia avelany aza ny olona hanaraka izany na tsia. Olona an-tapitrisa maneran-tany no manaiky fa mahasoa amin’ny androntsika ny Baiboly, izay boky noheverina ho sarobidy efa hatramin’ny ela. ‘Fanilon’ny tongotr’izy ireo sy fanazavana ny lalany’ izy io. (Salamo 119:105) Nahoana izy ireo no manatsoaka hevitra toy izany? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.