Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 3 SEPTAMBRA
Hira 51.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana. Aza hadinoina ny manendry rahalahy sasantsasany mba handray an-tsoratra ireo hevi-baventy amin’ny fivoriamben’ny distrika. Ampirisiho koa ireo mpitory mba handray an-tsoratra satria amin’ny fotoana mety dia hisy famerenana amin’izany amin’ny fandaharana amin’ny fivoriana momba ny asa.
25 min: “Vonona ho amin’ny fidiran’ny mpianatra ve ireo zanakao?”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampamakio ireo fehintsoratra sy ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly. Raha misy zavatra hita teny am-pitoriana manazava ireo hevitra novelabelarina dia azo atao ny mitantara izany araka ny hamelan’ny fotoana hanaovana izany.
10 min: Diniho ny foto-kevitra. Avy eo dia manaova fampisehoana iray izay manasongadina ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Hira 117 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 10 SEPTAMBRA
Hira 48.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Vaovao teokratika.
20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny alalan’ireo gazety.” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-8, dia manaova fampisehoana ny amin’ny hanombohana lalana fizarana gazety amin’ny olona iray mampiseho fahalianana amim-pahatsorana, ka asongadino amin’izany ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety izay mety hahaliana eo an-toerana.
15 min: “Hanao zavatra hanoherana ny tsy rariny ve Andriamanitra indray andro any?”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/01/90 pp. 21-23)
Hira 42 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 17 SEPTAMBRA
Hira 88 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny To-bola.
20 min: “Aoka ianao ho mailaka hanomboka fampianarana Baiboly”.—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Omeo ny isan’ny fampianarana Baiboly tarihin’ny kongregasiona. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra faha-5, dia asehoy ny fomba hahafahana manomboka fampianarana amin’ny fitsidihana voalohany. Atombohy eo amin’ny tsy fampisehoan’ilay tompon-trano fahalianana firy momba ny boky Hiaina mandrakizay kanefa manaiky amim-pifaliana ny trakitra Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao ny fampisehoana. Mandinika fehintsoratra iray na roa ao amin’ilay trakitra ilay mpitory ary manao fandaharana voafaritra tsara mba hiverenana. Manaraka izany, dia asehoy ny fanolorana mivantana, amin’ny fampiasana ny iray amin’ireo fampidiran-dresaka eo amin’ny pejy faha-12 ao amin’ny boky Comment raisonner, eo ambanin’ny hoe “Etude de la Bible à domicile”. Lazao fa manome fahafahana betsaka kokoa mba hanombohana fampianarana ny Baiboly miaraka amin’ny fianakaviana manontolo ny fanaovana fanambarana ny takariva, satria mazana dia tratra ao an-trano ireo raim-pianakaviana.
15 min: “Rehefa mampianatra ianao, dia mitenena amin’ny fo”. Lahateny mandinika hevi-dehibe efatra ao amin’ny Tilikambo tamin’ny 1 febroary 1985, pejy faha-13-17. Ampio ny mpanatrika mba hahatakatra ny ilana hitarihana fampianarana Baiboly mandroso. Ary koa, manaova fanazavana ny amin’ny fotoana tokony hampijanonana fampianarana izay tsy mamokatra.
Hira 75 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 24 SEPTAMBRA
Hira 23.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny volana aogositra?
20 min: “Aoka isika hankasitraka ireo mpitory maharitra eo amintsika.” Miara-mandinika ilay fanazavana amin’ny mpitory maharitra roa na telo ny mpiandraikitra. Asaivo milaza ny fomba nanampiany ny hafa ireo mpitory maharitra, ary angataho izy hiresaka ny amin’izay nampahery azy indrindra teo an-toerana. Anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny fanohanany ireo mpitory maharitra.
15 min: Izay zavatra ilain’ny kongregasiona eo an-toerana. Na koa, hanao fandinihana ny “Fanontanian’ny mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1 jolay 1983, pejy faha-30-31, ny mpiandraikitra prezidà, momba ny hoe “Ahoana no azontsika anampiana ireo kristiana ao amin’ny kongregasiona manana mpianakavy voaroaka?”
Hira 42 sy vavaka famaranana.