Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny Septambra
Herinandron’ny 2 Septambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ampirisiho ny rehetra, ary indrindra fa ireo mpitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, mba hijery indray ny lahatsoratra hoe “Fianarana ny Boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany” ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1992. Asongadino ireo hevi-dehiben’ilay lahatsoratra. Ampahatsiahivo ny mpanatrika mba hitondra ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1996, amin’ny fivoriana momba ny fanompoana amin’ny herinandro manaraka.
15 min: “Mandehana Amin’ny Finoana”. Fanontaniana sy valiny.
18 min: Ny mpiandraikitra ny fanompoana no hitarika itỳ fandaharana itỳ. Hovelabelariny ny foto-kevitra hoe: “Aoka Isika Hanolotra ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (...)” izay hita ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Janoary 1996, pejy 4, fehintsoratra 1-3. Aorian’izay, dia hisy mpitory mahay hanao fampisehoana momba ny fametrahana ilay boky eny amin’ny saha fanompoana.
Herinandron’ny 9 Septambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Diniho ny hoe “Torio Ilay Fanjakana”.
18 min: Jereo ny Tatitra Momba ny Fanompoan’ny Kongregasiona Tamin’ny Taom-panompoana 1996. Lahateny mampahery sy feno hafanam-po hataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. (Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 100-102.) Asehoy ny zavatra tsara nataon’ny kongregasiona ary manaova teny fiderana. Asehoy ny fomba nanampian’ny asan’ireo mpisava lalana maharitra sy mpanampy betsaka mba hampandrosoana ny asa teo an-toerana. Tonòny ny isan’ny mpanatrika fivoriana, ka hamafiso ny maha-zava-dehibe ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. Sorito ireo tanjona azo ampiharina izay azon’ny kongregasiona ezahina hotratrarina amin’ny taona ho avy.
15 min: Fiaraha-midinika miorina amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1996, amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Loholona iray no hitarika ny fiaraha-midinika ny lohateny hoe “Afrika”, pejy 42-45.
Herinandron’ny 16 Septambra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tonòny ny vokatra tsara dia tsara azo tamin’ny fampiasana ny vidéo Les Témoins de Jéhovah: Un nom, une organisation. Mitantarà vetivety fanandraman-javatra iray na roa avy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1992, pejy 30-31.
15 min: “Aoka Ianao ho Fianarana Amin’ny Fiteny sy Amin’ny Fitondran-tena”. Fanontaniana sy valiny.
15 min: Fitondran-tena Kristiana any An-tsekoly. Miresaka amin’ny zanany iray, lahy na vavy, ny ray iray mba hampisehoana ireo fandrika lehibe any an-tsekoly; manamafy ny ilana ny hitandrina ny fifaneraserana sy hanalavitra ireo fanaovan-javatra mampiahiahy, izy. Mijery indray ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 24 ao amin’ny bokikely Fampianarana izy ary manazava ny ilana ny hanomezan’ny Vavolombelona ohatra tsara. Manonona fakam-panahy sasany ilay ray, mifandray amin’ny fampiasana zava-mahadomelina, ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy tsy tahaka ny tena, ny fanatrehana fiaraha-mikorana, na ny fandraisana anjara amin’ny fanatanjahan-tena; miara-mandinika ny fomba hanalavirana zava-manahirana izy ireo. Mampirisika an’ilay tanora ilay ray mba tsy hangataka andro vao hamboraka aminy ny zava-manahirana azy — maniry ny hahafantatra sy ny hanampy izy.
Herinandron’ny 23 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny miorina amin’ny “Jereo ny any Ankoatra ny Zavatra Hitanao!” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1996, pejy 27-29.
20 min: “Torio Hatraiza Hatraiza ny Vaovao Tsara”. Fanontaniana sy valiny. Ny fehintsoratra 1-15 ihany dinihina. Vakio ny fehintsoratra 3 sy 5. Mampidira fanandraman-javatra eo an-toerana ny amin’ireo izay nahita fahombiazana tamin’ny fitoriana teny amin’ny arabe na teny ambony fitateram-bahoaka.
Herinandron’ny 30 Septambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny Valin’ireo Fanontanianareo.
20 min: “Torio Hatraiza Hatraiza ny Vaovao Tsara”. Fanontaniana sy valiny. Diniho ny fehintsoratra 16-35. Asehoy ny fomba azo ampiharana an’ireo fanoloran-kevitra, eo an-toerana. Anaovy fampisehoana ny fehintsoratra 23-25. Vakio ny fehintsoratra 34-35.
13 min: Diniho ny Zavatra Vita An-tsoratra Atolotra Amin’ny Oktobra. Hanasongadina ny famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! isika. Miresaha momba ny hevitra maro samihafa, toy ny: 1) Ny zava-kendrena anontana ireo gazety, araka ny hazavaina ao amin’ireo pejy fanokafana. 2) Atonta amin’ny fiteny maro izy ireo ka mahatonga ny fahalalana ny Baiboly ho azo raisina maneran-tany. 3) Novolavolaina hanaovana fianarana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ary miaraka amin’ny antokon’olona Ny Tilikambo Fiambenana. 4) Mamaky azy io ny olona anisan’ny fivavahana maro samy hafa. 5) Hanatitra manokana ny nomerao farany amin’iza na iza maniry hamaky azy io isika. 6) Novolavolaina manokana ho an’ny olona be atao izy io. 7) Natonta efa hatramin’ny 1879 Ny Tilikambo Fiambenana; ary hatramin’ny 1919 ny Mifohaza! Farano amin’ny fanononana teny nataon’ny mpamaky mankasitraka iray. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1986, pejy 32.