Ampiasao Amim-pahendrena Ireo Boky sy Gazetintsika
1 “Efa tamin’ny 1965 aho no nanomboka namaky ny bokinareo. Mijery Baiboly aho rehefa mamaky azy ireo, ary mifanaraka amin’ny Baiboly ny zavatra rehetra vakiko ao. Tiako hofantarina foana ny tena fahamarinana momba an’Andriamanitra sy Jesosy, ary azoko lazaina fa tao amin’ireo bokinareo sy ny Baiboly no nahitako izany.” Izany no nosoratan’ny lehilahy iray ho an’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nangataka fampianarana Baiboly koa izy tao amin’io taratasy io.
2 Olona an-tapitrisany eran-tany no toa an’io lehilahy io, satria mankasitraka an’ireo boky fianarana Baiboly omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Boky aman-gazety maro be no vokarina isan-taona, mba hanampiana ny olona tso-po ‘hanana fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ (1 Tim. 2:4) Ahoana no azontsika ampiasana amim-pahendrena ireo boky sy gazetintsika?
3 Aza avela ho verivery fotsiny: Mety hanana boky mihoatra noho izay ilaintsika isika, rehefa mandeha ny fotoana. Inona no azontsika atao mba tsy ho verivery fotsiny ireny fitaovana sarobidy ireny? Tokony hieritreritra tsara isika, rehefa maka boky hoentina manompo, ka tsy haka be dia be. Afaka maka iray na roa fotsiny isika, ary miverina maka indray rehefa voapetraka ireo. Tsy hisy boky hitoby any an-tranontsika amin’izay. Ho tsara koa ny hampihenana ny isan’ny gazety hafarantsika raha mbola betsaka ny tsy voapetraka.
4 Be loatra ny tahirim-boky: Raha be loatra ny tahirin’ny fiangonana, dia mety ho tian’ny mpandrindra ny boky ny hiresaka amin’ny fiangonana eny amin’ny manodidina, raha mila boky fanampiny izy ireo. Azon’ny mpitory atao ny manolotra boky tranainy amin’ny havany tsy mpino, sy amin’ny mpianatra Baiboly, ary olon-kafa. Mety ho tian’ireo vaovao ny hahazo amin’ireny boky tranainy ireny, mba hamenoany ny fitahirizam-bokiny.
5 Tiantsika hahatratra ny zava-kendreny ny bokintsika, dia ny hanampiana ny olona tso-po hianatra bebe kokoa momba ny fikasana mahatalanjon’i Jehovah. Tsy navelan’i Jesosy ho verivery fotsiny ireo sakafo sisa tsy lany, rehefa namahana olona tamin’ny fomba mahagaga izy. Tokony ho tanjontsika koa ny hampiasa amin’ny fomba tsara indrindra an’ireo boky sy gazety omena antsika. (Jaona 6:11-13) Tsy hanohina ny fon’ny olona tso-po ny hafatra ao amin’ireo bokintsika, raha mijanona eo ambony talantalana na ao anaty kitapontsika fotsiny. Tsy maintsy mitandrina àry isika rehefa maka boky hoentina manompo, ka hampiasa tsara azy ireny mba hahasoa ny olona.—Fil. 4:5.
[Fanontaniana]
1, 2. Inona no tsapan’ny olona maro momba ny bokintsika, ary inona no fanontaniana aterak’izany?
3. Inona no azontsika atao mba tsy ho verivery fotsiny ireo boky sy gazetintsika?
4. Inona no azo atao raha be loatra ny tahirim-bokin’ny fiangonana?
5. Ahoana no anehoantsika fankasitrahana an’ireo bokintsika?