Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 8 Janoary
10 min: Fampandrenesana. Ampirisiho ny rehetra hijery ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra, mba hiomanana ho amin’ny fiaraha-midinika hatao amin’ny herinandron’ny 22 Janoary. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra sy ny Mifohaza! Desambra. Asehoy amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo ny fomba hamaliana ny hoe: “Sahirana aho.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 19-20.
15 min: Inona no Misakana Anao? Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2002, pejy 13-15.
20 min: Itorio ny Vaovao Tsara ny Olona Tsirairay. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 92 ka hatreo amin’ny lohatenikely eo amin’ny pejy 102.
Herinandron’ny 15 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3.
15 min: Mandraisa Soa avy Amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny sasin-teny ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2007. Resaho fa ilain’ny rehetra ny mandinika ilay andinin-teny sy ilay fanazavana, mandritra ny minitra vitsivitsy isan’andro. Ampiomany mialoha ny olona iray na roa, mba hilaza ny fotoana fanaovany izany sy ny soa noraisiny. Eo am-pamaranana, dia resaho vetivety ny andinin-teny ho an’ny taona 2007.
20 min: “Tsy Mahaliana Ahy Izany.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia anontanio ny mpanatrika hoe inona no mampiasa saina ny olona eo amin’ny faritany. Asio fampisehoana fohy roa, mampiseho ny fomba hamaliana ny hoe: “Tsy mahaliana ahy izany.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 15-16.
Herinandron’ny 22 Janoary
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty ary ankasitraho ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy ny Mifohaza! Janoary. Miverina mitsidika olona fanaterany gazety ilay mpitory, amin’ny iray amin’ireo fampisehoana.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
25 min: “Inona no Fitsaboana Tsara Indrindra?” Ataon’ny anti-panahy. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika avy hatrany ny fanazavana resahin’ilay video Tsy Mampiasa Ra, ka ny fanontaniana efa ao amin’ilay lahatsoratra no ampiasao. Eo am-pamaranana, dia vakio ny fehintsoratra farany, ary ampirisiho ny rehetra handinika tsara indray an’ireo lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana lazainy eo.
Herinandron’ny 29 Janoary
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Janoary. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Febroary, ary asio fampisehoana iray.
20 min: “Vonona Hiatrika Loza ve Ianao?”b Ataon’ny anti-panahy. Miresaha hevitra avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2005, pejy 3.
15 min: Miverena Rehefa Nampanantena Ianao. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1999, pejy 11. Asao ny mpanatrika hitantara ny vokatra tsara hitany, rehefa nitana ny teny nataony izy.
Herinandron’ny 5 Febroary
10 min: Fampandrenesana.
15 min: Ampahafantaro fa Vavolombelon’i Jehovah Ianao! Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Tsy te hitonona hoe Vavolombelon’i Jehovah ny tanora sasany, satria matahotra ny hesoin’ny namany. Tsara anefa ny mampahafantatra ny fivavahanao. Hanaja kokoa ny zavatra inoanao ny mpampianatra raha mahafantatra momba izany, ary tsy hanery anao handray anjara amin’ny zavatra tsy mety amin’ny Kristianina. Tsy ho sahy hitaona anao hiara-manao ratsy aminy ireo tanora maditra. Rehefa manapa-kevitra ny tsy hampiaraka na hanao zavatra ivelan’ny ora fianarana, toy ny fanatanjahan-tena ianao, dia ho azon’izy ireo tsara ny antony tsy hanaovanao izany. Tsy hatahotra koa ianao rehefa hitory any am-pianarana, na sendra mpiara-mianatra aminao eny am-pitoriana. (g 8/4/02 p. 18) Asao ny mpitory hilaza izay soa noraisiny, noho izy nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah tany am-pianarana. Ampiomano mialoha ny olona iray na roa mba hanome valin-teny.
20 min: “Manampy Anao Hahomby ny Fitiavana.”c Miresaha hevitra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2003, pejy 23, fehintsoratra 16-17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.