FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.11 1
  • 3-9 Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3-9 Novambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.11 1

3-9 NOVAMBRA

TONONKIRAN’I SOLOMONA 1-2

Hira 132 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Fitiavana?

(10 min.)

[Alefaso ilay VIDEO Fampidirana ny Tononkiran’i Solomona.]

Nidera an’ilay ankizivavy solemita foana i Solomona sady nampanantena azy zavatra sarobidy be dia be (To 1:9-11)

Tena tia an’ilay ankizilahy mpiandry ondry ilay ankizivavy solemita, dia izay no nahatonga azy tsy hivadika taminy mihitsy (To 1:2, 3; w15 15/1 30 §10)

Asain’i Solomona mankao amin’ny tranolainy ilay ankizivavy solemita fa tsy mety. Manome lamosina an’i Solomona izy sady manao “croiser les bras.” Misy lehilahy telo mpanompon’i Solomona eo alohan’ilay tranolay, mitazona servieta sy koveta ary zinga tanimanga.

SOSO-KEVITRA: Rehefa mamaky ny Tononkiran’i Solomona ianao, dia ampiasao ilay hoe “Topy Maso” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mba hahafantarana hoe iza no miteny.

2. Vatosoa Ara -panahy

(10 min.)

  • To 2:7​—Nahoana ilay ankizivavy solemita no modely ho an’ny Kristianina mpitovo? (w24.05 22:10-11)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 7:5 (th 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Miresaha hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd 1:3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Miresaha hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd 9:3)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 18:1-3 (th 8)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 46

7. “Hotahina Izay Tia Manome”

(15 min.) Fiaraha-midinika ataon’ny anti-panahy.

Hahazo fitahiana be dia be isika raha manome ny fotoanantsika sy izay ananantsika mba hanampiana ny hafa. Mazava ho azy hoe hoatran’ny fitahiana avy amin’i Jehovah no handraisan’ilay olona ny fanampiana omentsika azy. Hotahina koa anefa isika satria tia manome. (Oh 22:9) Ho faly isika fa manahaka an’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika, sady hahazo sitraka aminy.​—Oh 19:17; Jk 1:17.

Ankizivavikely mandrotsaka vola ao anaty boaty ho an’ny fanomezana.
Lehilahy mampiasa tablette mba hanaovana fanomezana isam-bolana.

Alefaso ilay VIDEO hoe Mahafaly ny Manome. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Nahoana no lasa falifaly ny rahalahy sy anabavy tao amin’ilay video rehefa tia nanome ny mpiara-manompo maneran-tany?

  • Nahoana koa ry zareo no lasa falifaly rehefa nanome ho an’ny hafa?

Ao Amin’ny Internet

“Fanomezana”: Sary famantarana, ahitana tanana mitazona vola madinika.

Ahoana no hatao raha te hanao fanomezana an-tsitrapo mba hanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsindrio ilay hoe “Fanomezana”, eny amin’ny farany ambany amin’ny pejy fandraisana amin’ny JW Library®. Any amin’ny tany sasany, dia hipoitra ao amin’ilay pejy vaovao hisokatra ilay rohy hoe “Fanontaniana.” Midira ao amin’io rohy io, dia hahita an’ilay lahatsoratra hoe Fanomezana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah: Fanontaniana Fametraky ny Olona ianao.

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 9:5-7

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 44 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara